Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mizara Ny Fijoroany Vavolombelona Amin'ny Alalan'ny Fampahalalam-Baovao Sosialy Ireo Tafavoaka Velona Tamin'ny Firehetan'ny Toerampivarotana Nahafaty Tao Filipina

Pikantsary avy amin'ny fandrakofana vaovao teny an-toerana avy amin'ny GMA TV-n'ny 24 Ora, Filipina.

Nitodika tany amin'ny fampahalalam-baovao sosialy mba hizara ny fijoroany vavolombelona sy alahelony ireo tafavoaka velona tamin'ny firehetana nahafaty tao amin'ny tranombarotra goavana iray izay nitarika ny fahafatesan'ireo mpiasa 38 tao amin'ny tananan'i Davao, tany atsimon'i Filipina. Nandrava ilay tranombarotra lehibe misy rihana efatra, NCCC Mall tao Davao, ny afo tamin'ny 23 Desambara tamin'ny 9:30 maraina ary nambara fa voavono tamin'ny 24 Desambra, alin'ny Noely. Avoitran'ny tantaran'izy ireo fa tsy nahitana fitaovana maoderina mba hiadiana amin'ny afo ny NCCC Mall. Lazain'ireo manampahefana fa mpiasa ao amin'ny foibe fiantsoana an'ny Survey Systems International (SSI), tany amin'ny farany ambony indrindra, orinasa iray misahana ny ”outsourcing” mifototra any Etazonia ka nisahana ny sampana iray tao amin'ny rihana ambony indrindra, ny 37 tamin'ireo maty.

Nampitaha ilay afo mahatsiravina tamin'ny firehetan'ny orinasa iray mpikirakira entana fanondrana tao amin'ny faritra iray tao Filipina vao haingana tamin'ity taona ity izay mbola mpiasa an'arivony no mihoatra no mbola tsy hita hatramin'izao ary ny firehetana orinasa iray tao Manila tamin'ny 2015 izay nandoro velona mpiasa miisa 72.

Ireto manaraka ireto no fitantaràna manokana an'ireo mpiasan'ilay foibe fiantsoana SSI nozaraina ampahibemaso tao amin'ny Facebook, manazava amin'ny antsipirihany ny fomba nitsoahany tao amin'ilay foibe fiantsoana nirehitra. Nampatsiahy ny habetsahan'ny feo i Val Huera nialohan'ny fialantsasatry ny Krismasy fony nitranga ilay afo:

Andro farany niasana talohan'ny fialantsasatra tamin'io ka faly ny hody daholo ny rehetra. 5-10 minitra talohan'ny tamin'ny 10 ora maraina, toa naheno zavatra maimbo rainkona toy ny plastika na setroka manapoizina izahay ary segondra vitsivitsy taorian'izay, nanomboka nivoaka avy tamin'ny fitaovana fanalefahany rivotra ny setroka. Tena vetivety no nitrangan'izany rehetra izany satria tao anatin'ny segondra vitsy monja dia nanomboka nihanatevina sy nihamainty ilay setroka ka niaraka nihazakazaka nankany amin'ilay varavarana fitsoahana amin'ny afo teo akaikin'ilay faritra fisoloana akanjo izahay, nangovitra sy nikiakiaka.

Namaritra ny nahatonga ilay varavarana fitsoahana amin'ny afo ho tsy afaka nidirana intsony noho ny hafanana i Huera:

Efa nivangongo daholo ny olona rehetra satria efa nanakaiky ny fitsoahana ny afo izahay. Naheno olona nikiaka aho, ”Balik kay dili maagian ang fire exit. Init kaau sulod!” [”Miverena, tsy azo aleha intsony ilay fivoahana amin'ny afo. Mafana be loatra ato”]. Noho izany niverina tsimoramora tao amin'ny efitra indray izahay saingy raha nanakaiky ilay faritra fitsidihana kosa dia nihazakazaka niverina taty aminay ireo avy tany amin'ilay fivoahana faharoa ary nilaza fa tsy azo aleha ihany koa tany.

Naneho ny tahony izy ary tonga saina fa tsy nandeha ireo fitaovana famonoana afo:

Mba marina fa nihevitra ny ho faty tamin'io fotoana io aho satria efa nisy fotoana  somary sahirankirana aho niaina. Tsy nandeha ireo famonoana afo, noho izany nanipy ny rano tany aminy ireo izay nanana ary tratran'ny piti-drano kely mihitsy aza aho izay lasa tasy mainty teo amin'ny akanjoko.

Nitaraina ho tsy nahita na inona na inona i Salvador Bhadz Casas Medenilla Jr., mpampiasa Facebook iray hafa, raha niezaka ny handositra ilay afo ry zareo:

Niaraka maty daholo ny jiro. Tsy nisy mihitsy herinaratra. Maizina be, nanomboka nikiakiaka ny olona. Nanomboka nandrakotra anay ny setroka. Nitana ny fitoniako aho, hitako ary nosintoniko nankaty amiko ny sipako ary teo amin'ny sandriko havia izy. Teo amin'ny sandriko havanana kosa ny mpiasa iray tao aminay, tao aorianay koa nisy mpiasa iray, ary teo aloha ny mpiasanay bevohoka 5 volana. Nolazaiko izy ireo mba hijanona tsy hitomany intsony ary hanarona ny vavany. TSY MAHITA NA INONA NA INONA. Niezaka fotsiny aho ny hahatsiahy ireo dingana vitako mba hiverenana tao anatin'ilay birao.

Nalahelo noho ireo mpiara-miasa taminy tsy tafavoaka i Abriella Annarosa Sandoy Bolosito:

Wla na nagsunod sako likod na kaubn nako natrapand s locker area. I saw them and hear them “balik balik init na kaayo Dili na kaya! Cr! Cr! Cr!. Traumatic kaayo Kaubn nako cla s locker area na trap!! Unfortunately Wla na nila nakaya magawas sa lobby! Both fire exits Dili na maagihan. Even ang glass s locker sa may billiard hall gitry namo basag Kay muambak nalang unta mga tao!!! Kaso baga kaayo ang glass wlA mi dala para makabuak s glass and Wla nmi makita ang usok sakit na kaayo s tutunlan!! I cannot imagine Unsa Ila gibati sa sulod nagstruggle og gnhawa.

Voafandrika tao amin'ny faritra fisoloana akanjo ny mpiara-miasa tamiko izay tao aoriako tao ary tsy nanaraka ahy intsony. Hitako izy ireo ary henoko nilaza hoe: ”miverena miverena mafana be ato tena tsy tanty mihitsy! CR! Tena mandratra be ny saina izany. Mpiara-miasa amiko ireo tafahitsoka tao amin'ilay faritra fisoloana akanjo! Indrisy tsy tafavoaka ho any amin'ny lalantsara fandraisana izy ireo! Samy tsy nisy azo naleha ireo fivoahana roa amin'ny afo. Nanandrana ny hamaky ilay fitaratra mafy sady tsy nety vaky mihitsy aza izahay satria nisy ny te-hitsambikina ho any ivelany. Saingy natevina be ilay fitaratra ary tsy nety novakiana. Tsy afaka ny nahita na inona na inona intsony ary tena nankarary tenda be ilay setroka! Tsy vitako ny haminavina ny zavatra tsapan'izy ireo raha niezaka ny hifoka rivotra.

Nijoro ho vavolombelona i Reggio Colina fa tsy nisy feo fanairana naneno rehefa nipoaka ny afo:

Tsy nisy fanairana avy amin'ny toeram-pivarotana na avy amin'ny mpiasan'ny fivarotana tany ambany fa hoe nisy afo efa nirehitra nandritra ny minitra vitsivitsy tao amin'ny rihana ambany. Tamin'ny nivoahan'ny setroka avy tamin'ilay fitaovana fanalefahana rivotra fotsiny no nahafantaranay izany ary somary efa tara loatra.

Nitantara ilay mpanaramaso Lloyd Angeles, fa niezaka ny hanoro lalana ireo mpamono afo mba hanavotra ireo mpiara-miasa taminy taorian'ny nitsoahany ilay tranobe nirehitra izy:

We tried to go back in on every possible entry and it was too hot and the smoke was too thick. Init kaayo sa nawong and miski ang nakagear kay murag malanay ang plastic sa helmet… Nagsige mu ug balik2 sa mga entry points dili dyud makaya miski tung special unit sa fire na naka special gear di gihapon makaya.

Niezaka ny niverina tamin'izay fidirana mety azo nidirana izahay ary tena nafana loatra sady natevina loatra ny setroka. Nafana loatra ho an'ny tarehy izany ary na dia ireo nanana fitaovana toy ny plastika teny amin'ny fiarovan-doha aza dia mety nitsonika avokoa… Niverina tany amin'ny faritra fidirana izahay fa tena tsy zaka intsony ny hafanana na dia ho an'ireo andiany manokana [mpiady] amin'ny afo mitondra fitaovana manokana aza.

Miantso ny fanadihadihana tsy miankina ny sendikàn'ny mpiasa toy ny BPO Industry Employees Network (BIEN) mba hitazonana ireo tomponandraikitra:

Tena efa im-betsaka loatra izahay no nahita loza voatr'olombelona toa izao nanjo an'ireo mpiara-miasa aminay teto Filipina fotsiny—ny fahmaizan'ny Kentex tamin'ny 2015 ary ny fahamaizan'ny HTI tamin'io 2017 io raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy. Mampiseho fotsiny ilay zavatra niseho tao amin'ny SSI tao Davao fa na ireo mpiasa ao amin'ilay malaza be hoe ‘indostrian'ny masoandro miposaka’ aza tsy afa-bela amin'ny loza am-perinasa mahafaty… Tsy maintsy omena ireo niharam-boina ny rariny ary tsy maintsy saziana ireo tomponandraikitra mba hisorohana fahafatesana any amin'ny toeram-piasana amin'ny hoavy.

Ora vitsivitsy mialoha ny Noely. Makasad noho ny zava-niseho tao Davao. Nirehitra ny Typhoon vinta sy ny tsenambarotra NCCC. Malahelo maheno fa tsy nisy tafavoaka velona ireo rehetra tafahitsoka tao anaty. Andriamanitra oh, ampio izahay mba ho tafavoaka velona amin'izao rehetra izao. #VintaPH #NCCC #ccto pic.twitter.com/N4zUo6OQcg

FANAVAOZANA tamin'ny 8:42am

Efa rakotra setroka matevina ankehitriny ny Lalana McArthur.
Fifamoivoizana: tapaka ny Lalana McArthur ka hatrany Ma-a. Fifamoivoizana mivoaka any Ma-a.
Olona etchoserang vitsivitsy. Fa hita tao amin'ny faritra ireo mpiasa ao amin'ny NCCC .
Mikatona vonjimaika ny S&R ankehitriny, araka ny mpiambina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.