- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitana Ny Lohalaharana Amin'ny Oscars Indray I Meksika !

Sokajy: Amerika Latina, Etazonia, Meksika, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Guillermo del Toro nandritra ny WonderCon tamin'ny taona 2013 tao Anaheim, Californie. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Gage Skidmore. CC BY-SA 2.0

Nahitana Meksikana indray tao anatin'ny lisitry ny mpifaninana voafidy ho lohalaharana tao amin'ny Lokan'ny Akademia [2] any Amerika. I Guillermo del Toro [3] no voafidy tamin'izany tamin'ity indray mitoraka ity,  mpanoratra sady mpanatontosa ilay sarimihetsika “The Shape of Water”  izay mitantara ny tantaran'ny mpiambina iray sy ny fifandraisany tamin'ilay zavaboary afa-miaina an-tanety sy anaty rano tao amin'ny laboratoara iray izay an'ny governemanta tany amin'ny taompolo 1960.

Nahazoany loka Oscar miisa 13 ilay sarimihetsika, izay anoloran'ny Akademian'ny Zavakanton'ny Sarimihetsika sy ny Siansa isan-taona ny sarimihetsika tsara indrindra. Nanambara ny vaovao [4] ny tranokalam-baovao Meksikana ho an'ny sarimihetsika Cinepremiere:

La forma del agua, la galardonada película de Guillermo del Toro se convirtió en la cinta más nominada de la entrega número 90 de los Premios Oscar. Luego del exitoso viaje que esta historia de amor ha tenido desde Venecia [5] –donde el cineasta mexicano se llevó el León de Oro [6]The Shape of Water obtuvo 13 nominaciones.

Ny sarimihetsika nahazo ny loka  “The Shape of Water” izay novokarin'i Guillermo del Toro no lasa sarimihetsika nahazo loka betsaka indrindra tamin'ny Oscars andiany faha-90. Taorian'ny fahombiazana azon'ilay tantaram-pitiavana tao amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika ao Venizy [7], izay nahazoan'ilay mpanatontosa sarimihetsika Meksikana ny Golden Lion [8], nahazo loka miisa 13 ny “The Shape of Water”.

Nahazo ny Scénario [rindran-tsehatra] Miavaka Indrindra, ny Mpanatontosa Tsara Indrindra ary ny Sary Tsara Indrindra ny filma.

Tato anatin'ny taona maromaro [9],  ireo mpanatontosa sarimihetsika Meksikana no tena nanjaka nandritra ny lanonana. Mbola mitohy izany, na dia eo aza ny fomba fijery mampalahelo atrehin'ny Meksikana mpifindra monina sy Amerikana Latina amin'ny ankapobeny, noho ny kabary mamely ny Meksikana [10] sy ny famoretana [11] atao amin'ny mpifindra-monina avy amin'ny Filoha Amerikana Donald Trump [12]  sy ny fitantanany.

Tamin'ny taona 2015 sy 2016 [13], nahazo loka tamin'ny sangan'asany “Birdman na (Ny Tombontsoa Tsy Nampoizina Avy amin'ny Tsy Fahalalana)” sy ny “The Revenant” ny mpanatontosa sarimihetsika Alejandro González Iñárritu [14] sy Emmanuel “Chivo” Lubezki [15] .

Tamin'ny taona 2014 [16] ihany koa, nahazo ny loka tamin'ny sarimihetsika “Gravity” i Lubezki (Famolavolana Sarimihetsika Tsara Indrindra) sy ilay Meksikana Alfonso Cuarón [17] (Fanatontosana Tsara Indrindra, niarahany tamin'i Mark Sanger, Mpanatontosa Tsara Indrindra ).

Nankalazaina tao amin'ny media sosialy ny vaovao mahafaly momba ny nahavoafidy ny sangan'asan'i Del Toro tamin'ity taona ity, indrindra tao amin'ny Twitter, izay nampiasana ny tenirohy #PorqueSoyMexicano (Satria Meksikana aho) mba hizarana ireo fampahatsiahivana ny teny nataon'i Del Toro. Nampahatsiahy ny valinteny nomen'ilay mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny fanontaniana iray avy amin'ny mpanao gazety izay nanontany ny fomba handanjalanjany ny haizina sy ny fampihorohoroana hita tao amin'ny sarimihetsiny sy ny natiorany feno hasambarana sy fitiavana ny tenirohy. Ny valiny: “Satria Meksikana aho”.

Niafara tamin'ny fizaran'ny Masoivohon'i Etazonia tao Meksika ny fampahatsiahivana ilay fitenenana:

Nahoana aho no nahazo loka miisa 13 tamin'ny Oscar?

Nanitatra ny fampiasana ilay fampahatsiahivana ilay fitenenana ireo mpisera Twitter mba hamehezana ireo karazana fanambarana rehetra izay manasongadina ny dikan'ny hoe Meksikana araka ny fomba fijeriny :

- Nahoana ianao no manisy voasary makirana amin'ny zava-drehetra? #SatriaMeksikanaAho

Namaritra ny fihetsika miavaka hita any amin'ny toerana fisotroana kafe sy ny toeram-pialamboly izay ahitana matetika ireo Meksikana mipetrapetraka misakafo sy misotro i Álvaro Cano:

Fa nahoana ianao no milaza foana hoe “iray farany dia mandeha isika” kanefa tsy ilay farany mihitsy izany, ary tsy mandeha  akory ianao?

#SatriaMeksikanaAho

Azo jerena ato amin'ity lahatsoratra [27] nosoratan'i Darinka Rodríguez ity ireo fanehoan-kevitra sy fampahatsiahivana momba ilay teny maro kokoa.

Tetsy andanin'izany, nanamarika ny mpisera iray niaraka tamin'ny anarana Twitter “no sabe / no responde” (“tsy mahalala / tsy mamaly”) fa tsy nahazo fankalazana toy izany tany Etazonia ny sangan'asa hafa nataon'i Del Toro satria  tsy tamin'ny teny Anglisy ny fifanakalozan-kevitra, toy ny natao tamin'ny “Pan's Labyrinth”:

Tsy mihoatra noho izany ny “The Shape of Water” na dia tsara aza. Tokony nahavita zavatra tsara kokoa tamin'ity dingana ity i Del Toro. Saingy tsy nahita ny hatsaran'ny Pan's Labyrinth ny Amerikana satria kamo loatra izy ireo hamaky ny dikantsoratra dia nanome azy loka marobe ankehitriny.

Nilaza i Alvaro Ortiz fa mety tsy mahalala ny fiavian'i Del Toro ireo mpijery Amerikana (na “gringos”, araka ny niantsoan'ny Meksikana maro azy ireo) :

Raha ho ahy, tsy mieritreritra an'i Guillermo del Toro ho Meksikana ny ankamaroan'ny “gringos”. Tonga fotsiny izy ireo mba hijery ny horonantsary malaza iray, nandritra ny lanonana fanolorana ny loka.

Tao amin'ny gazety Meksikana mpivoaka isan'andro La Jornada, nanoratra fanadihadiana momba ilay horonantsary [30] i Carlos Bonfil ary nanondro ny hafatra izay, araka ny heviny, mirona amin'ny vitsy an'isa sy ny vondrona izay matetika notsindriana:

La forma del agua es, más allá de su evidente tributo al cine de horror de los años 50, y del deleite de revivir, de un modo gozoso, el encanto para muchos ya obsoleto de las comedias musicales de esa misma época, un vigoroso alegato en favor de la tolerancia y del respeto a las minorías (étnicas y sexuales, y también a las mujeres, esa inmensa minoría social –la mitad de la población global– todavía hoy agraviada por una prepotencia masculina).

Mihoatra noho ny fanomezam-boninahitra mazava ho an'ny horonantsary mampatahotra tamin'ny taompolo 1950 ny The Shape of Water ary izy dia manolotra fahafinaretana amin'ny fomba mahafinaritra iainana indray ny fitiavan'ny olona maro ny tantara an-kira tamin'izany fotoana izany, ny fanohanana mivaivay ho an'ny fandeferana ary ny fanajana ireo vitsy an'isa (foko sy ny karazan'olona , tafiditra ao anatin'izany ny vehivavy, ity vitsy an'isa goavana ara-tsosialy ity – ny antsasaky ny mponina manerantany izay mbola ratrain'ny fanjakazakan'ny lehilahy ankehitriny).

Raha niresaka momba ity hafatra ity, miompana amin'ny fitomboan'ny fankahalana vahiny any Etazonia i Bonfil dia nanoratra hoe:

Cuando la cinta de Del Toro llegue a la ceremonia de entrega de los Óscares, de modo muy destacado y en un clima de fuertes cuestionamientos a una intolerancia social dominante, se entenderá, tal vez, más allá de su jubiloso candor y su poesía visual, la imprescindible urgencia de su mensaje solidario.

Rehefa tonga tany amin'ny Oscars ny horonantsarin'i Del Toro, tao anaty toe-draharaha iray izay ahitantsika ny fanontaniana sarotra manodidina ny fanjakazakan'ny tsy fifandeferana eo amin'ny fiarahamonina, mety ho takatsika angamba, ankoatra ny fahatsorana mahafinaritra hananan'ilay sarimihetsika sy ny tononkalo hita maso, ny hafatra entiny ho amin'ny  firaisankina izay tena laharam-pahamehana.

Hatao amin'ny 4 martsa 2018 any Californie, Etazonia ny Lanonan'ny  [31]Oscar [31] faha-90. [31]