- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nyota Ndogo, Mpihira Afrikana, Manana Klioban'ny Mpiondana an-Tserasera

Sokajy: Borondi, Kenyà, Oganda, Rwanda, Tanzania, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 28 Novambra 2009)

Vitsy no mahalala ny tena anarany hoe Mwanaisha Abdalla, fa anarana mahazatra any Afrika Atsinanana i Nyota Ndogo [1] (midika hoe Kintana Kely amin'ny Kiswahilihi).

Illustration de son album Nyota Ndogo - Mpenzi

Sary ravakyny rakikiran'i Nyota Ndogo – Mpenzi

Maro ireo nankafy ny mozika nentiny amin'ny endrika Afrika Atsinanana efa mihoatra ny 4 taona izao, ary efa  3 taona no nananganany ny bilaoginy. Nandray anjara lehibe tamin'ny firoboroboan'ireo mpankafy ny fisian'io  bilaogy io.

Teraka tamin'ny 1981 tao amin'ny faritanin'i Mombasa amoron-dranomasina Kenyana i Nyota Ndogo [2], avy amina fianankaviana tsotra izy. Niala an-tsekoly aloha izy ary niasa ho mpanampy an-trano nandritra ny fotoana elaela, talohan'ny nahitan'i Andrew Burchell ny talentany fa mpihira manan-talenta izy.
Miisa telo ny rakikira CD efa nivoaka amin'ny alàlan'ny anarany, CHEREKONATOKA MBALI NA WEWE ary MPENZI. Hita ihany koa izy tamin'ny fanambatambaran-kira iraisampirenena 3 : WORLD 2003, THE ROUGH GUIDE TO KENYA ary OFF THE BEATEN TRACK (“Ivelan'ny lala-masaka”). Izy ihany koa no tompon'ny loka kenyana Kisima Music Awards miisa roa : Mpihira Taraab 2003 tsara indrindra sy Mpihiravavy 2005 tsara indrindra.

Amin'ny teny Kiswahili ny akamaroan'ny hirany, ny sasantsasany amin'ny teny Anglisy, hirainy amin'ny gadona Taarab, [3] izay gadona heno any amin'ny morontsiraka atsinanana afrika, ao koa ny  amin'ny gadona kapuka sy genge, gadon-kira malaza indrindra any amin'ny zaratanin'i Kenya.

Ahoana no nifehezan'olona iray toy izany ny aterineto ho amin'ny tombontsoany amin'ny maha mpanakanto Kenyana feno fisandratana azy? Izany no fanontaniana mipetraka rehefa mitsidika ny bilaoginy [2].

Mizara ny momba azy manontolo amin'ny maha-mpanakanto azy amin'ny fomba fijeriny manokana izy ao anatin'io bilaoginy io, mifanohitra amin'ireo lahatsoratra hita matetika any amin'ireny fampahalalam-baovao hita any amin'ny sehatry ny fialam-boly amin'ny gazety na gazetiboky ireny.

Misy ireo lahatsarin-kirany miaraka amin'ny tononkira sy sarin'ireo seho an-tsehatra maro efa nataony miaraka tamin'ireo mpanakanto hafa sy ny mpankafy azy. Tsapa fa manakaiky an'i Nyota Ndogo ny rehetra noho io bilaoginy [2] io .

Tsy mora ho azy ny niblaogy, nanaiky izany izy  tamin'ny 27 Jolay 2006 tamin'ny 13:43:

wouah j'ai failli renoncer au blog tellement c'était difficile de mettre au point un nouveau billet. en fait c'était parce que j'utilisais un navigateur incompatible. Alors je suis retournée à ce bon vieux internet explorer. Si ça marche, vous trouverez bientôt des photos il s'est passé tant de choses. bise

ohhh! Efa saika hajanoko ity blaogiko ity satria sarotra ho ahy no namoaka lahatsoratra vaovao satria nampiasa mpitety tsy nifanaraka taminy aho. Noho izany dia niverina nampiasa ity Internet explorer ity aho.  Hahita sary maromaro tsy ho ela ianareo raha mety ity.

Raha mahita ny lahatsoratra amin'izao fotoana izao ao amin'ny bilaoginy isika, hita fa mahafehy tsara ny fampiasana blaogy i Nyota. Indrisy anefa fa tsy azo lazaina ho toy izany ireo mpanakanto maro hafa any Afrika Atsinanana, satria tsy nahita bilaogy na mpanankanto  hafa ny mpanoratra ity lahatsoratra ity.

Toa tsy ilaina akory ny mandalo fianarana afahana mibilaogy, satria fitaovana tsotra toy ny hafa izany.