- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosarahan'ny fandrendreham-bahoaka, Miomana Amin'ny Fifidianana Filoham-pirenena Fihodinana Faharoa ny Fiaraha-monina Tsheky

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Repoblika Tseky, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ny kandidà filoham-pirenena Tsheky Miloš Zeman sy Jiří Drahoš. Saripika Wikipedia avy amin'i OISV [1] sy i Jindřich Nosek (NoJin) [2], CC BY-SA 4.0.

Notontosaina tamin'ny 12 sy 13 janoary, tsy nisy nahazo ny atsasa-manila mahalany avy hatrany, ny fifidianana ho filoham-pirenen'i Repoblika Tsheky nifaninanan'olona miisa sivy. Notontosaina ny 26 sy 27 janoary noho izany ny fihodinana faharoa, ifaninanan'ny kandidà roa tsara toerana indrindra ho amin'izany tamin'ny fihodinana voalohany : Miloš Zeman, filoham-panjakana amin'izao fotoana, sy i Jirí Drahoš, filohan'ny Akademian'ny Siansa taloha tao amin'ny firenena.

Niteraka firehetan'ny adihevitra teo amin'ny olom-pirenena, na antserasera na andalambe ny fifidianana. Efa voafaritry ny Lalampanorenana [3] ny fahefana efa voafetra tanteraka ato amin'ity repoblika parlemantera ity, saingy tsy mampihena ny fisarasarahana efa misy eo amin'ny firenena ity fifidianana ity.

Nandray anjara be dia be tamin'ny fampisaraham-bazana ara-tsosialy i Miloš Zeman [4] nandritra ny fehim-potoana niasany tamin'ny fomba fanaony tsy manana antra manoloana ny mpifaninana aminy sy ny fihetsiny mandrendri-bahoaka manoloana ny mpanohana azy.

Araka ny fitsapan-kevitra natao talohan'ny fifidianana [5] mitondra ny lohateny hoe “Inona no vakian'ny mpifidin'ny kandidà ?” Maro an'isa amin'ny mpamaky ireo habaka aterineto hafa mpampahalala vaovao izay tsy fantatra mazava ny mpamatsy volany, ary heverina ho ireo mpampiely ‘vaovao faikany’ prô-rosiana [6] ny mpanohana an'i Zeman.

Mampahatsiahy ny fifandraisana manahirana [7] misy eo amin'i Zeman sy i Rosia ny mpisera Twitter iray :

Indro toerana roa : A (misy ny ady “hybride” ataon'i Federasionan'i Rosia amin'i Repoblika Tsheky amin'ny alalan'ny habaka aterineto mampiely vaovao lainga) sy B (Zeman no kandidàn'ny Federasionan'i Rosia sy ny mafia manao afera any Rosia – PPF, Nejedly et Zbytek ), ary asehon'ity sary ity mazava tsara fa fohan'ny mpanohana an'i Zeman tahaka ny fifohan'ny spaonjy ny adim-pampielezana vaovao lainga. Araka ny asehon'ny sary dia ny voka-propagandy rosiana ihany no sotroin-dry zareo.

Mandranitra nasionalisma ny fampahafantarana avoakan'ny tranonkalam-baovao toy ny aeronet.cz/news [10], parlamentnilisty.cz [11] ary euportal.cz [12], mampirona be dia be mankany amin'ny fahaleovantena ara-politika sy ara-miaramilan'ny Repoblika Tsheky manoloana ny Vondrona Eoropeana UE sy ny OTAN. Asehon'ireo tranokala ireo ho mpampihorohoro islamista atahorana ireo mpitsoa-ponenana noho ny ady avy any Afovoany Atsinanana sy ireo mpitsoa-ponenana noho ny tsy fananana avy aty Afrika Atsimon'i Sahara.

Manonona ireo tranonkala ireo ny pro-Zeman rehefa miampanga ny fampitam-baovaom-panjakana ho mitongilana amin'ny famoahany vaovao. Ary hamafisin'i Zeman izany amin'ny filazany ankarihary ny tsy fitokisany amin'ireo fampitam-baovaom-panjakana ireo.

Tamin'ny taona 2014, maro ireo mpanao gazety no nitsikera an'i Zeman sy ny fitongilanany mankany atsinanana eo amin'ny politika ivelany, sy ny fampiasany teny tsy maontona [13] amin'ny radiom-panjakana tsheky. Novaliany tamin'ny fanapahan-kevitra tsy hiantsafa afa-tsy amin'ireo tranonkalam-baovao mpisolo sy ireo gazety tia manaitaitra izany, amin'ny filazany fa “hena lò am-bifotsy [14]” ny fahitalavi-panjakana. Any amin'ny fahitalavitra tsy miankina hatrany izy no mandray fitenenana amin'ny fandaharany fahitalavitra.

Any amin'ny fantsom-pifandraisany i Zeman no manondro vondron'ny mpanohitra azy tsy nofaritany mazava ho “café de Prague” [15], mamelona fijery ny manampahaizana liberalin'ity tanandehibe ity ho mitomotoe-poana mandritra ny andro any amin'ireo fisotroana kafa ary mody maneho fahazakana ny hafa fotsiny.

Mampiasa ny “Café de Prague” ny hiringiriny mpanohana an'i Zeman ho fomba fiteny hanondroana ireo artista malaza, mpiantsehatra, mpampianatra sekoly ambony, manampahaizana ary ireo rehetra nitsikera ampahibemaso an'i Zeman. Ampiasaina ihany koa ny fomba fiteny ilazana izay rehetra manohy ny lova navelan'i Vaclav Havel [16], filoha teo aloha maty tamin'ny taona 2011 izay nampilahatra ny firenena hiaraka amin'ny soatoavina sy soatoavina tandrefana taorian'ny faharavan'i Firaisana Sovietika [17]. Mifangarika amin'ny fomba fijery miompana manontolo amin'ny resaka toekarena ananan'i Zeman ny politika ivelany mifototra amin'ny zon'olombelona ananan'i Havel.

Tondroin'ireo mahatokin'i Zeman ho ‘mpamadika ny firenena’ karamain'i George Soros, Amerikana ireo mpanao asa soa manohana fikambanana maro tsy mitady tombombarotra, ka tafiditra amin'izany ihany koa ireo fikambanana manampy ny mpitsoa-ponenana, ihany koa ireo mpitsikera azy. [Fanamarihan'ny tonia: ny Global Voices dia mahazo vatsy avy amin'ny Open Society Foundation, izay anisan'ny tambajotran'i Soros.]

Talohan'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa, manasongadina izay lohahevitra rehetra mivoaka avy amin'ireo tranonkalam-baovao mpisolo toerana  hatrany i Zeman. Miezaka izy mamariparitra an'i Jiri Drahoš, ilay mpifanandrina aminy ho olona lefaka mikendry ny hamotika ny firenena amin'ny alalan'ny politikam-pifindramonina gaboraraka manome vahana ireo Miozolomana mpitsoaponenana.

Mpikambana ao amin'ny ‘Café de Prague’ ve ny kandidàn'ny mpanohitra ao amin'ny Repoblika Tsheky?

Tsy dia fanta-daza loatra i Jiri Drahoš [18] ary tsy mbola nanana fitantanan-draharaha ara-politika mivantana ankoatra ny valo taona naha-filohan'ny Akademian'i Siansa azy. Amin'ny maha-mpahay shimia azy dia manana patantim-pamoronana maro izy ary malaza ho mipiripirina sy manaja olona fa tsy manana fisongadinana. Mino ny mpanohana azy fa hitondra tsy fitongilanana sy fahaiza-manaja tena izy raha mitondra eo.

Amin'ny maha-kandidàn'ny mpahitra azy dia petahan'ny mpanohana an'i Zeman ho mpikambana ao amin'ny ‘Café de Prague’ izay mitady hamotsotra ny fizakan-tenan'ny Repoblika Tsheky avy hatrany izy ka hoe manaiky izay angatahan'ny firenen-dehibe ao Eoropa.

Nihiaka ny mpisera Twitter iray:

Henonao ve ny fahanginana? Matahotra voka-pifidianana ny café de Prague. Fantany fa izay no izy ry zareo. Tsapan-dry zareo ny fiafaran'ny fivavahana amin'i Havel.

Mpisera iray hafa indray maneso ny kabary mandrendri-bahoaka sy mankahala mpifindra-monina an'i Zeman amin'ny fampahatsiahivana ilay mpikatroka maha-olompirenena Okrainiana iray mitanjaka toy ny hifandona tratra amin'i Zeman [20] sady nihiakam-panoherana tao amin'ny biraom-pifidianana [21] tamin'ny 15 janoary. Hita ho tohina sy tsy nahahetsika i Zeman raha iny vonona ny handrotsa-bato iny indrindra:

Tsy naharo tena nanoloana ny zazavavy miboridana iray ny kamarady Zeman nefa te-hiaro ny firenena amin'ny mpifindra-monina. Ary dia nanontany tena aho hoe ahoana ny hataony amin'izany?

Ny iray indray milaza ny antony tsy itiavan'ny “Café de Prague” haha-filoha an'i Zeman indray:

Nahoana ny café i.e. fikambanana tsy mitady tombontsoa, i.e. ny globalistan'i Soros, no tsy mahazaka an'i Zeman? Nahoana ry zareo no nanendry shimista “mpanaja olona fatratra”, izay tsy te-ho filoha na oviana na oviana? Angamba tian-dry zareo ny hamotika ny Vondrona Visegrád [24] mba tsy ahafahantsika firenena komonista taloha miaro antsika amin'ny jadon'ireo manampahefanan'i Alemaina sy Bruxelles.

Efa misy ny miteny ilay fitsapan-kevitra ofisialy iray navoakan'ny fahitalavitra, manondro fa saiky mitovy mihitsy ny herijikan'ny kandidà anankiroa:

Fitsapan-kevitra ho an'ny OVM: Ho an'i Zeman 45,5 isanjato, ho an'i Drahoš 45 isanjato. Mbola tsy mahalala izay hofidiany ny 9,5 isanjato.

Hita fa ireo mpifidy mbola tsy nanapa-kevitra teo aloha ka hanao izay ao anatin'ny tapa-bolana amin'ny fanarahana ny adihevitra mandeha amin'ny fahitalavitra sy ireo lanonana mifandraika amin'ny fanentanana no hamaha ny fifidianana.

Ora farany (araka ny hita ao amin'ny teny frantsay) : Azon'i Zeman ny 51,36% ary 48,63% kosa no azon'ilay akademisiana pro-eoropeana Jiri Drahos, amin'ny taham-pandraisana anjara 66,6%, araka ny vokatra feno navoakan'ny fahitalavi-panjakana tsheky.