“Bio-testamenta” ao Italia : Lasa Lalàna

Sary namboarina mankalaza ny fankatoavana ny lalànan'ny “bio-testamenta”, ahitana ny sarin'ireo olo-malaza vitsivitsy izay niady ho amin'izany, ka nampiseho ampahibemaso ny tantaran'izy ireo. Ankavia miankavanana : DJ Fabo, Max Fanelli, Piergiorgio Welby ary Eluana Englaro. Sary avy amin'i Nando Di Giovanni tao amin'ny tranonkala Alternativa Libera, nahazo alalana.

Raha tsy misy filazana manokana, dia mankany amin'ny pejy amin'ny teny Italiana avokoa ny rohy rehetra ao amin'ity lahatsoratra ity.

Tamin'ny 14 Desambra 2017, nankatoavin'ny parlemanta Italiana ny lalànan'ny testamenta ara-biôlôjika (bio-testamenta), izay hahafahan'ny olom-pirenena manapa-kevitra amin'ny fitsaboana atao sy tsy atao aminy amin'ny fiafaran'ny fiainan'izy ireo

Lalànam-panjakana ny #biotestament : nankatoavina tao amin'ny #Sénat tamin'ny isam-bato manaiky 180 https://t.co/TRP1JtrSOP pic.twitter.com/CdY2LbEvMS

Tolona hatry ny ela, nanomboka amin'i Luca Coscioni ka hatramin'i Dj Fabo

Vokatry ny tolona ela be teo amin'ireo fiarahamonim-pirenena sivily, mpanao politika sy olo-malaza ny fankatoavana ny bio-testamenta. Ny voalohany amin'izy ireo dia i Luca Coscioni, mpihazakazaka marathon, mpitarika ny Antoko Radikaly sady mpikaroka ao amin'ny Departemantan'ny Toekarena ao amin'ny Oniversiten'i Trento sy ao amin'ny Departemantan'ny Siansa ara-toekarena sy tombatombana ao amin'ny Oniversiten'i Tuscia ao Viterbo. Raha niomana mba hifaninana tamin'ny Marathon New York tamin'ny taona 1995 izy, dia nahita i Coscioni fa voan'ny aretina “sclérose Amyotrophic Lateral” (vatana donto) izy.

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Coscioni, izay maty tamin'ny taona 2006 sy nanolo-tena tamin'ny fikambanana iray niady ho amin'ity lalàna ity:

In primo luogo, il significato della mia esistenza è quello di viverla, così come mi è consentito, punto e basta. Nella mia avventura radicale, la cosa più importante, che penso di essere riuscito a realizzare, è quella di aver fatto di una malattia una occasione di rinascita, e di lotta politica. Di avere avuto la forza e il coraggio, di trasformare il mio privato in pubblico. Di avere ribadito che la persona malata è, innanzitutto, persona e, come tale, ha diritto a vivere una esistenza piena, e libera, contro il senso comune e le ipocrisie quotidiane, che vorrebbero, invece, relegarci in una terra di nessuno.

Voalohany indrindra, ny dikan'ny fiainako dia ny miaina izany, araka izay azoko atao, tapitra. Ao anatin'ny zava-niainako goavana, ny zavatra tena manan-danja eritreretiko fa vitako natao dia ny manana aretina hahafahana hivelona indray sy ho an'ny tolona politika. Nanana hery sy herimpo hanova ny fiainako manokana ho amin'ny fiainana ampahibemaso. Nilaza sy nanantitra fa olona ny marary ka noho izany, manana zo hiaina feno sy malalaka, manohitra ny fahatsapana iombonana sy ny fihatsarambelatsihy isan'andro izay, mifanohitra amin'izany, handefa anay any amin'ny tany tsy misy olombelona.

Na i Michele Gesualdi, filoha teo aloha tao amin'ny faritanin'i Florence nandritra ny fe-potoam-piasana roa, izay voatery niala tamin'ny fiainana ara-politika noho io aretina io ihany koa aza, dia nitondra ny anjara birikiny ho amin'ny fankatoavana io lalàna io. Talohan'ny nankatoavana ny lalàna, nanoratra taratasy misokatra ho an'ireo filoha ao amin'ny sampana roa ao amin'ny Parlemanta Italiana izy, nangataka azy ireo mba hanafaingana ny dingan'ny fampandaniana lalàna:

[…] sono a pregarvi di calarvi in simili drammi e contribuire ad alleviarli con l’accelerazione della legge sul testamento biologico. Non si tratta di favorire l’eutanasia, ma solo di lasciare libero l’interessato, lucido cosciente e consapevole, di essere giunto alla tappa finale, di scegliere di non essere inutilmente torturato e di levare dall’angoscia i suoi familiari, che non desiderano sia tradita la volontà del loro caro. […]

[…] Miangavy anareo aho mba hijery ny loza mampalahelo tahaka izao ary hanampy hanamaivana amin'ny alalan'ny fanafainganana ny lalànan'ny “bio-testamenta”. Tsy miresaka fironana mankany amin'ny “euthanasie” izany, fa mamela ny olona liana, tonga saina, mahafantatra sy mahatsiaro tena, afaka manatratra ny dingana farany, mba hisafidy tsy hijaly amin'ny tsy antony sy hanamaivana ny fianakaviany amin'ny tebiteby, izay maniry mba tsy ho voavadika ny sitrapo faran'ny hava-tiana.

Sary momba ny volavolan-dalàna mikasika ny “bio-testamenta” noforonin'ny Fikambanana Luca Coscioni – Sary tao amin'ny page Facebook-n'ny fikambanana Luca Coscioni.

Nandritra ny taona maro, olo-malaza hafa tahaka an'i Eluana Englaro [fr], Piergiorgio Welby [fr], Max Fanelli ary vao haingana DJ Fabo no lasa mpanentana momba ny lalàna tao amin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana.

Ny fanehoan-kevitry ny katolika sy ny tenin'ny Papa.

Nametraka sakana avy hatrany ny tontolo katôlika Italiana, anisan'izany ireo ivon-toerana sy ny mpitsabo. Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny  ilsussidiario.net , nampahafantatra ireo karazana fijery sy ny fanoheran'ireo mpitondra fivavahana i Niccolò Magnani, ary naneho hevitra momba ny antso tamin'ny taratasy nalefan'ny tontolo katolika tany amin'ny filohan'ny Repoblikan'i Mattarella izay mangataka tsy hanasonia ny lalàna:

La posizione importante del Vaticano sul tema della Legge molto contestata dagli ambienti cattolici – ecco qui qualche spunto utile sul nostro quotidiano, ndr – segue di qualche ora la lettera-appello che il mondo cattolico ha inviato al Presidente della Repubblica Mattarella perché rinvii alle Camere la legge sulle DAT e il Biotestamento per “incostituzionalità”.

Ny fijoroana manandanjan'i Vatikana momba ity lalàna toherin'ny tontolo katolika mafy ity – indreto fampahafantarana vitsivitsy mahasoa ao amin'ny gazetinay – dia narahan'ny taratasy fampahatsiahivana nalefan'ny tontolo katolika any amin'ny filohan'ny Repoblikan'i Mattarella mba hamerenany ny lalànan'ny DAT sy ny Bio-testamenta any amin'ny Antenimiera fa “tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana”.

Na izany aza, niampanga ny fiziriziriana ara-pitsaboana ny papa François andro vitsivitsy talohan'ny fankatoavana ny lalàna, araka ny fampahatsiahivan'ny formiche.net :

“Le domande che riguardano la fine della vita terrena hanno sempre interpellato l’umanità, ma oggi assumono forme nuove per l’evoluzione delle conoscenze e degli strumenti tecnici resi disponibili dall’ingegno umano”, ha detto il Papa. In quanto “oggi è anche possibile protrarre la vita in condizioni che in passato non si potevano neanche immaginare”, e quindi “occorre un supplemento di saggezza, perché oggi è più insidiosa la tentazione di insistere con trattamenti che producono potenti effetti sul corpo, ma talora non giovano al bene integrale della persona”.

« Nanalokaloka ny olombelona hatramin'izay ny resaka fiafaran'ny fiainana an-tany, saingy ankehitriny, maka endrika vaovao izy noho ny fivoaran'ny fahalalana sy ny fitaovana teknika eo am-pelantanan'ny fahaizan'olombelona», hoy ny Papa. «Azo atao ihany koa ankehitriny ny manalava ny fiainana ao anatin'ny fepetra izay tsy mba takatry ny saina teo aloha», ka noho izany «ilaina ny fahendrena fanampiny, satria misisika tsimoramora ny faniriana hisisika amin'ny fitsaboana miteraka vokatra mahery vaika amin'ny vatana, saingy indraindray tsy mahasoa ilay olona amin'ny ankapobeny».

Efa elaela ihany ny fahatsapana hamoahana haingana ny lalàna fitsinjovana ny fiafaran'ny fianana. Nampahafantatra izany ny hevi-bahoaka, na dia eo aza ny fizarazarana ara-politika nanakana izany lalàna izany. Giovanna Greco nampahatsiahy hoe :

L'urgenza di una legge in materia viene testimoniata da più fonti. I dati dell'Eurispes contenuti nel Rapporto Italia 2016 mostrano come il 60% degli italiani (+4,8% rispetto al 2015) sia favorevole a una legislazione sull'eutanasia. Quanto ai medici, quelli favorevoli (42%) alla ‘dolce morte’ superano i contrari (34%), secondo il Medscape Ethics Report 2014.

Ny hamehana hamoahana lalàna momba izany dia voamarin'ny loharanom-baovao maromaro. Ny tarehimarika avy amin'ny Eurispes ao amin'ny Tatitra Italiana 2016 dia mampiseho fa 60% amin'ireo Italiana (+ 4.8% raha ampitahaina tamin'ny taona 2015) no manohana ny lalànan'ny euthanasia. Raha ny momba ireo dokotera, (42%) no mankatoa ny “fahafatesana maivana” raha (34%) no manohitra, araka ny tatitry ny Medscape Ethics 2014.

Tao amin'ny controlacrisi.org, Dr Ignazio Marino, mpandidy manokana momba ny famindrana taova sady ben'ny tanàna teo aloha tao Rôma nanomboka ny taona 2013 hatramin'ny 2015, nampahatsiahy ny andinin-dalàna 32 ao amin'ny Lalàmpanorenana Italiana:

Non è stata approvata una legge che consente l’eutanasia: è stata approvata una legge che consente di scegliere le terapie. È quello che, nel 1948, è stato scritto nell’articolo 32 della nostra Costituzione che recita: «Nessuno può essere obbligato a un determinato trattamento sanitario se non per disposizione di legge. La legge non può in nessun caso violare i limiti imposti dal rispetto della persona umana». Per questo è una vittoria di tutti gli italiani che credono nella Costituzione e nella libertà di scelta.

Tsy misy lalàna mamela ny fankatoavana euthanasia: nisy ny lalàna nolaniana izay mamela hisafidy fitsaboana. Izany no nosoratana tamin'ny taona 1948 tao amin'ny andininy faha-32 ao amin'ny Lalàmpanorenantsika izay milaza hoe: “Tsy misy olona azo terena amin'ny fitsaboana ara-panafody manokana afa-tsy amin'ny lalàna. Ny lalàna, na inona na inona toe-javatra, dia tsy mahazo manitsakitsaka ny fetra apetraky ny fanajana olombelona.” Izany no mahatonga azy ho fandresena ho an'ireo Italiana rehetra izay mino ny Lalàm-panorenana sy ny fahalalahana hisafidy.

Indrisy, fa amin'ny fifidianana manaraka, mety hisy ny hery politika mpandala ny nentim-paharazana handresy ary hanohintohina ity fandresena goavana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.