- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fiandrasana Ny Fanakonà-Masoandro Tany India

Sokajy: India, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Siansa, Tsidika

(Marihina fa tamin'ny 20 Jolay 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 22 Jolay 2009 no nitranga ny fandalovan'ny fanakona-masoandro lava indrindra tamin'ny taonjato faha-21. Niseho tamin'ny 5:20 ka hatramin'ny 7:40 alina ny fanakona-masoandro, ary nitety ny antsasaky ny tany tao anatin'ny sori-dalana kely .

Tany India, nandrakotra ireo tanàndehiben'i Surat, Indore, Bhopal, Varanasi ary Patna ny fandalovan'ny fanakona-masoandro.

Nisy ny fientanentanana hita nanjaka tao amin'ny firenena tamin'ity fanakona-masoandro ity. Na dia nilaza aza ny bilaogy Earthquakeforcasting [1] fa sokajin'olona miisa efatra ihany no liana amin'ny fanakona-masoandro tany India dia ny astronoma, ny astrôlôgy, ny mpivavaka ary mpizahan-tany, kanefa ao anatin'ny iray amin'ireo sokajy ireo avokoa ny ankamaroan'ny Indiana .

Ho an'ny Haindò, tsy tranga fotsiny amin'ny astronomia ny fanakona-masoandro fa tena misy dikany lehibe ihany koa amin'ny fivavahana sy ny finoana ara-kolontsaina [2]. Maro ireo angano no mifandray amin'ny fanakona-masoandro. Miezaka manazava ny sasany momba izany ato amin'ity lahatsoratra [3] ity ny bilaogy Astronomy India [4].

Nanararaotra ny fientanentanana nanodidina ity fanakona-masoandro ity ny sehatry ny fizahantany sy ny indostrian'ny trano fandraisam-bahiny. Efa vonona avokoa tamin'ny fandraisana ny olona marobe izay tonga nanatrika ity fotoana ity ireo toerana izay nahitana ny fanakona-masoandro .

Nanoratra ilay bilaogera Goodread fa na dia ny tanànakely tahaka an'i Taregana ao Bihar [5] aza dia nientanentana tamin'ny fiomanana nanomboka tamin'ny fanendren'ny NASA [6] ny toerana ho anisan'ny toerana tsara indrindra hahitana ity fanakona-masoandro ity.

Raha niresaka fikarakarana manoloana ny fanakona-masoandro, naharay famandrihana sidina maro tsy tambo isaina mba handinihana ity tranga ity eny any amin'ny rahona ihany koa ny mpikarakara ny fitsangatsanganana.

Raha ny marina, nilaza ny bilaogy DesPardes India [7] fa nisy ny “sidina natokana ho an'ny fanakona-masoandro [8]” nokarakaraina mba hanomezana fahafaham-po ary natao tamin'ny sarany 75.000 Ropia indianina (eo amin'ny 1050 dolara amerikana), saran'ny toerana iray eo akaikin'ny varavarankely mandritra ny sidina adiny 3 avy any Delhi.

Nivory tao amin'ny toerana fivahiniana masina toa an'i Varanasi, Kurukshetra (Haryana) sns..ny mpivavaka Haindoa mba hilona ao amin'ny renirano. Nanantena ny handray mpivahiny masina maherin'ny 100.000  ny governemanta tao an-toerana tao Haryana ary nanolotra ihany koa ny  fiantohana amin'ny loza mety hitranga rehetra ho an'izy ireo [9].

Tsara ny mandray ny fepetra rehetra mba hiarovana ny masonao [10] raha sendra manatrika ny tranga mahagaga toy ity ianao.