- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Afrika Atsimo 2010

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Septambra taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanomboka tamin'ny taona 2005 ny Loka Bilaogy Afrikana Tatsimo [1] mba hampisehoana ny bilaogy tsara indrindra ao Afrika Atsimo izay nofidin'ny daholobe. Natao tanelanelan'ny 2 ka hatramin'ny 27 Aogositra 2010 ny fanendrena ho an'ny Loka Bilaogy Afrikana Tatsimo 2010. Ireo kandidà folo voalohany voatendry isaky ny sokajy no niditra tamin'ny dingana fifidianan'ny daholobe. Nalefa tany amin'ny mpitsara manapa-kevitra amin'izay mpandresy isan-tsokajy ny vokatra. Ny mpandresy amin'ny ankapobeny dia nofidin'ireo mpitsara tamin'ny fifantenana ireo mpandresy isan-tsokajy.

Nambara tamin'ny 25 Septambra 2010 tamin'ny lanonana fankalazana isan-taona tao amin'ny hotely One & Only, tao Le Cap ireo mpandresy. Lasan'i Watkyk [2] ny lokan'ny Bilaogy Afrika Tatsimo Tsara Indrindra 2010. Amin'ny teny Afrikaans [3] ny bilaogy.

Ireto ambany ireto ny mpandresin'ny Loka Blaogy Afrikana Tatsimo taona 2010 [4] tamin'ny sokajy miisa 25:

Bilaogy madinika Ogilvy (Twitter) ny Taona: Mandy Watson [5]
Bilaogy Media sy Haivarotra Ogily Tsara Indrindra: CherryFlava [6]
Bilaogim-Pitsidihana Kulula Tsara Indrindra : Gateway South Africa [7]
Bilaogy Maitso “Old Mutual” Tsara Indrindra: Sprig [8]
Bilaogim-Panatanjahantena “Evox Advanced Nutrition” Tsara Indrindra : Paddle Sweep [9]
Bilaogin'ny Sekolim-Pihariana UCT Tsara Indrindra: Memeburn [10]
Bilaogim-Panaigoana “Havana Club Rum” Tsara indrindra: Indie Berries [11]
Bilaogin-Damaody “Jameson Whisky” Tsara Indrindra: Kim Gray [12]
The Olmeca Edicion Black, Bilaogy Tsara Indrindra momba ny Mozika: Don't Party [13]
Bilaogim-Piainana Maharay Aman-dReny: Reluctant Mom [14]
Bilaogy Manokana Tsara Indrindra: Indie Berries [11]
Bilaogin'Orinasa Tsara indrindra: RLabs [15]
Bilaogy Maha Be Adihevitra Indrindra: 2OceanVibe [16]
Bilaogin-Teny Tompotany Tsara Indrindra : Watkykjy [17]
Vondrom-Bilaogy Tsara Indrindra: RLabs [15]
Blaogy Fandraketam-pep/Lahatsary Bilaogy Afrikana Tatsimo Tsara Indrindra: ZA News [18]
Bilaogy Siansa sy ny Teknolojia Tsara Indrindra: She's the Geek [19]
Bilaogy Sakafo sy Divay Tsara Indrindra: Simply Delicious [20]
Bilaogy RE/MAX Vaovao Tsara Indrindra: Simply Delicious [20]
Bilaogy Saripika Tsara indrindra: www.guywithcamera.co.za
Bilaogy Tsara Indrindra miresaka Politika: Wonkie [21]
Bilaogy Afrikanina Tatsimo Ampitan-Dranomasina Tsara Indrindra: Pharside [22]
Bilaogy Fialamboly “Exclus1ves” Tsara Indrindra : 2OceanVibe [16]
Lahatsoratra Tsara indrindra ao amin'ny Bilaogy Afrikana Tatsimo): Marketing District 9: The Web – A brainwavez.org Film Feature [23]
Bilaogy TV/Radio Tsara indrindra): The Big Breakfast Blog: East Coast Radio [24]