- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chile: Nolavin'ny Vaomiera Ny Fananganana ny Sarivongan'i Papa Joany Paoly II ao Santiago

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanabeazana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 29 Novambra 2009)

Nolavin'ny Vaomiera Nasionalin'ny Fananganan-Tsangambato Shiliana ilay tetikasa fananganana sarivongana goavana an'i Papa Joany Paoly II [1] izay haorina ao amin'ny kianja iray ao an-drenivohitra Santiago. Nanambara io vaomiera io fa mandika sy manankorotana ny firindra ara-tantara mifanaraka amin'ny tontolo an-drenivohitra  eo amin'ity toerana ity ny refin'ity “El Papa Bicentenario” (Papan'ny Faharoanjato Taona [nahaleovantena]). Eo amin'ny 13 metatra 50 ny haavon'ilay sarivongan'i Papa vitaina amin'ny varahina ary “Papasaurio” no antsoin'ny Shiliana azy.

Ankoatra ny haavon'ilay sarivongana sy ny vidiny mitentina  200 tapitrisa pesos Shiliana (eo amin'ny $ 270,000 eo ho eo), ny toerana voafidy ametrahana azy no tena niteraka adihevitra. Nanolo-kevitra ny Oniversité tsy miankina iray ao San Sebastián (USS amin'ny fanafohezan-teny Espaniola) hanorina ny sarivongana ao afovoan-tanànan'i Santiago, mifandrify amin'ny Sekolim-mpampianarana lalàna ao amin'ny Oniversiten'i Shily. Maneho hevitra ireo bilaogera Shiliana tahaka an'i Cristian Cabalin fa afaka mandany vola amin'ny anton-javatra tsara kokoa ny oniversite [2]

Si esta Universidad estaba tan preocupada por devolver el favor a la municipalidad de Recoleta podría destinar 200 millones de pesos o más para que mejoren las escuelas o para que se entreguen becas a los estudiantes de menores ingresos de la comuna. Ahí sí que existiría un efecto favorable para los vecinos, a quienes el municipio dice defender.

Raha toa ka sahirana amin'ny fanomezana valim-pitia ho an'ny kaomininan'i Recoleta (toerana misy ny  oniversite vaovao) ny Oniversite dia afaka mandany 200 tapitrisa pesos, na mihoatra,  hanatsarana ny sekoly na hizara vatsim-pianarana ho an'ny mpianatra sahirana ao amin'ny kaominina. Mety hisy ny vokatra tsara ho an'ireo mpifanolo-bodirindrina, izay lazain'ny Kaominina fa arovany .

Nitaraina ny vaomiera fa tsy ampy fahamendrehana fametrahana ilay sarivongana eny akaikin'ny toeram-piantsonana ambanin'ny tany, nanakiana koa izy ireo amin'ny tsy fisian'ny fakan-kevitra ny daholobe momba ilay tetikasa. Olana iray hafa izay nahatonga tsikera ihany koa ny fahalalàna fa rahalahin'ny talen'ny USS ihany ilay mpanao sokitra Daniel Cordero. Efa vitan'Atoa Cordero ny maodely tanimanga an'ilay sarivongana , izay voatahiry ao amin'ny trano fanatobiana entana iray ao afovoan-tanànan'i Santiago.

Araka ny The Clinic, manazava ny mpanohitra fa “tsy nisy ny tolotra ifaninanan'ny daholobe (izay)  iray amin'ireo tsikera fototra  tena natao tamin'io sarivongana goavana, mifanaraka amin'ny zavamisy ary manaraka ny fenitra io. [3]” Ankoatra izany, tsy nangataka fahazoan-dàlana hanorina avy amin'ny vaomieran'ny tsangambato, toy ny mahazatra amin'ny tetikasa toy izany ny USS.

Nitodika avy hatrany tamin'ireo fanontaniana fototra mikasika ny fifandraisan'ny maha-lahika (ny firenena) sy ny fanaraham-pivavahana ao amin'ny rafi-pampianarana Shiliana sy ny firenena manontolo ny adihevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy. Niresaka momba ny toetra sy ny kileman'i Joany Paoly II, izay nanohitra mafy ny fanalan-jaza, iray amin'ireo raharaha mafana amin'ny fifidianana ho avy. [4]