06 Febroary 2018

Tantara tamin'ny 06 Febroary 2018

Zimbaboe: Voasakana Ny Bilaogiko!

  06 Febroary 2018

Ny Zoma 20 Martsa 2009, voasakana ny bilaogy Zimbaboeana, Peace, love & happiness unto the whole world . Namoaka lahatsoratra fohy momba izany ny mpanoratra ny bilaogy, Eusebia,  ary nilaza hoe: "...Tsy manaiky ny ho voasivana aho na ampitahorina hangina satria fantatro ny zoko maha-olombelona manana fahalalaham-pitenenana ... "

Kolombià: Miteraka Ahiahy Ny Fanavotana Takalonaina

  06 Febroary 2018

Taorian'ilay fanavotana nolazain'ilay mpirotsaka hofidiana ho filohampirenena fahiny, Ingrid Betancourt hoe 'tsy nisy tomika', takalonaina navotan'ny tafika kolombiàna tamin'ny Alarobia 2 Jolay 2008 niaraka taminà 14 hafa notazonin'ny Tafika Revolisionera Mitampiadiana ao Kolombià (FARC), efa ho 10 taona mahery ny an'ny sasany, nilaza ny ahiahiny ny vondrom-piarahamonina kolombiàna momba ny ho fiantraikan'ilay fanavotana, sy ireo tombontsoa mety ho tao ambadik'izy iny.