- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Somalia: Mampiasa Tanora Keniana Hiady Ve Ny Governemanta?

Sokajy: Somalia, Mediam-bahoaka, Politika, Vonjy Voina

(Tamin'ny 15 Oktobra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)
Ity no famintinana voalohany tamin'ny bilaogy Somaliana ny taona 2009. Eny, nandritra ny herintaona mahery ny mpamorona ity lahatsoratra ity no niala tamin'ny bilaogy saingy niverina soamantsara izy. Ity no lahatsorany voalohany ary hamaky hafa amin'ny tontolon'ny bilaogy Somaliana ihany koa ianao.

Niresaka momba ilay dokotera vavy tanora Somaliana avy ao Mogadishu ilay bilaogera Royale Somalia [1] izay nahazo ny diplaomany tamin'ny taona 2008 ary hoy izy:

En décembre 2008, 20 étudiants somaliens ont surmonté d'énormes obstacles et ont été diplômés de l'école médicale de Mogadiscio—la première promotion dans ce cas depuis presque vingt ans dans cet Etat en faillite de la Corne de l'Afrique.
Le Dr. Hafsa Abdurrahman Mohamed, 26 ans, était l'une des récipiendaires du diplôme de l'Université Benadir de la capitale. A la fin de ses études, elle a décidé de travailler pour Médecins Sans Frontières (MSF), utilisant ses compétences pour donner des soins médicaux gratuits en Somalie.

Tamin'ny volana Desambra 2008, nandresy ny sakana goavana  ny mpianatra Somaliana miisa 20 ary nahazo diplaoma avy amin'ny sekoly fianarana ho mpitsabo tao Mogadiscio—ny mpianatra andiany voalohany tao anatin'ny 20 taona teto amin'ity Fanjakan'ny Tandrok'i Afrika mikorosy fahana ity.

Iray tamin'ireo nahazo Diplaoma tao amin'ny Oniversiten'i Benadir tao an-drenivohitra i Dr. Hafsa Abdurrahman Mohamed, 26 taona. Rehefa nifarana ny fianarany dia nanapa-kevitra ny hiasa ho an'ny Médecins Sans Frontières (MSF) izy, ary nampiasa ny fahaizany mba hanomezana fitsaboana maimaim-poana tao Somalia.

Naneho hevitra momba ny fitsidihan'ny Filoha Somaliana Sharif Ahmed tany Etazonia sy ny fiovan'ny politika Amerikana nanoloana azy ilay filozofa avy ao Afrika Atsinanana [2] :

En décembre 2006, Sheikh Sharif Sheikh Ahmed, actuellement président purement nominal du gouvernement fédéral de Transition de Somalie, avait à ses trousses l'armée éthiopienne, la CIA et les Rangers américains.

Tamin'ny volana Desambra 2006, manana ny tafika Ethiopiana, ny CIA ary ny Amerikana Rangers i Sheikh Sharif Sheikh Ahmed, filoha tokana ao amin'ny governemanta federalin'ny Tetezamita ao Somalia ankehitriny.

Ary hoy ihany ilay filozofa avy ao Afrika Atsinanana [2] hoe:

Cette semaine, Sheikh Sharif est à Minneapolis (patrie de cette députée cinglée) pour rencontrer des membres du Congrès, le gouverneur, et les conseillers municipaux avec le maire. Il y a quelques mois il a rencontré la Secrétaire [d'Etat] Clinton à Nairobi pendant sa tournée africaine. Il a fallu à peine deux ans à Sheikh Sharif pour passer de terroriste à président. Ça, mes amis, c'est sûrement une première. Pour moi, cela en dit plus que n'importe quoi d'autre sur la fantastique politique étrangère des Etats-Unis.

Tamin'ity herinandro ity,  tao Minneapolis (tanindrazan'io solombavambahoaka adala io) i Sheikh Sharif mba hihaona tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy, ny governora ary ireo mpanolotsaina monisipaly miaraka amin'ny ben'ny tanàna. Volana vitsy lasa izay no nihaonany tamin'ny Sekreteram-[panjakana] Clinton tao Nairobi nandritra ny fitsidihany an'i Afrika. 2 taona monja dia lasa filoha i Sheikh Sharif raha niala tamin'ny fampihorohoroana izy. Azo antoka izany ry namako fa sambany. Ho ahy, milaza zavatra maro momba ny politika ivelany mahavariana ataon'i Etazonia ankoatra ny zavatra hafa maro izany.

Nilaza ny bilaogy Kenya Somali [3] fa mitady tanora Somaliana avy any Kenya ho ampiasaina ny governemanta Somaliana:

Le gouvernement de Somalie, qui est soutenu par l'ONU, a recruté plus de 170 jeunes Kenyans et anciens militaires pour l'aider à combattre les rebelles dans l'état en faillite de la Corne de l'Afrique, ont indiqué des responsables locaux dans l'Est du Kenya.
Mohamed Gabow, le maire de Garissa, a dit à Reuters que l'enrôlement de Kenyans d'ethnie somalie était mené chez lui dans le village de Bulla Iftin, dans les faubourgs de sa ville.
Le recrutement n'est pas un secret. Ceux qui sont impliqués ne s'en font pas. Ils font la tournée des villages pour annoncer l'affaire,” a dit M. Gabow dans un entretien jeudi soir.

Mampiasa tanora Kenyana maherin'ny 170 sy miaramila tranainy mba hanampy azy ireo hiady amin'ireo mpikomy ao amin'ny fanjakana mikorosy fahana ao amin'ny Tandrok'i Afrika ny governemanta ao Somalia izay tohanan'ny Firenena Mikambana, hoy ireo tompon'andraikitra ao an-toerana any atsinanan'i Kenya.

Nilaza i Mohamed Gabow, ben'ny tanànan'i Garissa, tamin'ny Reuters fa natao tany aminy tao an-tanànakelin'i Bulla Iftin, any ambanivohitry ny tanàndehibeny ny fakana ireo Keniana foko Somaliana hiasa.

Tsy miafina ny fangalana azy ireo. Tsy manana ahiahy ireo olona nalaina. Mivezivezy eo amin'ny tanànakely izy ireo mba hanambara ilay raharaha,” hoy i Gabow tao amin'ny antsafa nataony tamin'ny alakamisy hariva.