Maraoka: Sazy Maivana 

(Tamin'ny 25 Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

zineb

Zineb Chtit tao amin'ny fitsarana (avy amin'ny Oujdacity)

Tamin'ny volana Septambra 2009 dia fantatra fa niharan'ny daroka mafy nandritra ny naha-mpanampy an-trano azy i Zineb Chtit , tovovavy Maraokana iray. Nambara fa hosaziana noho ny heloka bevava nataony miaraka amin'ny sazy telo taona an-tranomaizina sy ny lamandy mitentina 13.000 $ ilay olona nikasi-tànana an'i Zineb, Nawal Houmin, vadin'ilay rangahy mpampiasa azy. Maro ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona no niresaka momba ilay didim-pitsarana ary niantso izany ho maivana loatra.

Hoy ilay bilaogera Crazy Moor :

But several Moroccan rights groups say they would appeal on behalf of the country’s estimated 60 thousand to 80 thousand child labourers.

The chair of the Association, “Don’t Touch My Children”, Najia Adib, says the sentence does not regret the scale of the atrocities committed, because the little girl was locked up in a cellar.

Saingy marobe ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona Maraokana no nilaza fa hampakatra ny raharaha mikasika ireo fampiasana ankizy tsy ampy taona miisa 60.000 ka hatramin'ny 80.000 eo ho eo.

Nilaza ny filohan'ny Fikambanana, “Aza Mikasika ny Zanako”, Najia Adib, fa tsy hita taratra amin'ny haben'ny habibiana natao ity didim-pitsarana ity, satria nohidina tao anaty lakavy ilay zazavavy kely.

Nitranga tao an-tanàndehibe Maraokana atsinanana Oujda ity tranga ity. Nanamarika momba ilay tranga ny tranonkala malaza Oujdacity.net, izay miantso ny tenany ho “vavahadim-baovao voalohany ho an'ny faritra atsinanan'i Maraoka”, ary nilaza hoe [ar]:

حكمت المحكمة الابتدائية بوجدة يوم الأثنين 12 أكتوبر 2009 بثلاث سنوات ونصف سجنا نافذا وتعويض مالي قدره 100 ألف درهم على زوجة القاضي مشغلة الطفلة زينب ، الحكم اعتبره عدة محامين بوجدة انه كان قاسيا ، ولم يأخذ بعين الاعتباراي ظرف من ظروف التخفيف … وهو حكم فاجأ الجميع لأنه جاء خلافا لما كان يردده الرأي العام الذي كان يتوقع ان يكون الحكم لا يتجاوز بضعة اشهر

Ny Alatsinainy 12 Oktobra 2009, namoaka ny didim-pitsarana sazy an-tranomaizina telo taona sy tapany (tsy misy fanalefahan-tsazy), miampy onitra mitentina 100.000 dirhams (13 000 dolara Amerikana) ho an'ilay vadin'ny mpitsara izay nampiasa ilay zazavavy kely mpanampy an-trano Zaineb ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Oujda, [atsinanan'i Maraoka]. Maro tamin'ireo mpisolovava tao Oujda no nihevitra fa henjana ny didim-pitsarana, tsy nihevitra ny fanalefahan-tsazy ny fitsarana … Nahagaga ny rehetra ny didim-pitsarana satria nihevitra ny olona fa tsy hihoatra ny volana vitsivitsy ny sazy an-tranomaizina  .

Nanao fanamarihana somary maneso ny Solidarité Maroc :

Malgré les dénonciations concernant les deux époux, seule l'épouse a été inculpée, alors que le juge a été innocenté. Encore une illustration de la justice, au Maroc.

Na dia teo aza ny fiampangana ireo mpivady, dia ilay ramatoa vadiny ihany no voampanga, raha afaka kosa ilay rangahy mpitsara. Ohatra iray hafa momba ny Fitsarana ao Maraoka.

Blogger Moustapha Mouden of the collective blog SidiSlimane [ar], remarking on a 2M program on child labor, says of the issue:

Nanao fanamarihana tao amin'ny fandaharana 2M momba ny fampiasana zaza tsy ampy taona ilay bilaogera Moustapha Mouden avy ao amin'ny bilaogy iombonana SidiSlimane, ary hoy izy momba ilay olana:

يجب الآن الانتقال إلى المرحلة الثانية، وهي التحسيس ومواجهة الظاهرةومحاربتها في العمق
أي أن المشكل في فقر الأسر التي تبعث بناتها للاشتغال..
. لكن هناك كذلك مشكل الوعي بخطورة القضية، وبالتالي لا تكفي القوان

Tokony hiroso any amin'ny dingana faharoa isika ankehitriny amin'ny fanentanana sy ny fiatrehana io olana io [ny fampiasana ankizy tsy ampy taona] any ifotony. Izany no endriky ny fahantrana izay manosika ireo fianakaviana mahantra maro handefa ny zanany hiasa.
Saingy misy ihany koa ny olana momba ny fiatrehana ity olana goavana ity, izay noporofoin'ny lalàna fa tsy ampy ny famahana izany.

Nanamarika momba ny olan'ny fanentanana ihany koa ilay bilaogera, zavatra izay tsy azon'ny lalàna ovaina:

يجب التركيز على مسألة الوعي، والتحسيس بمختلف عواقب تشغيل الفتيات… وهو ما يتطلب كذلك إعمال النصوص القانوينة الخاصة بالموضوع، وإشعار السلطات المعنية بضرورة القيام بواجبها، ومن ذلك اتفاقية حقوق الطفل التي صادق عليها المغرب، ومدونة الشغل التي تجرم تشغيل من هو/هي في أقل من 15 سنة، وكذلك قانون إجبارية تدريس الأطفال

Tokony hifantoka amin'ny resaka fanentanana sy ny vaovao mikasika ireo voka-dratsy isankarazany avy amin'ity trangan-javatra momba ny tovovavy ity isika… Mitaky fanavaozana ny lalàna, ary mandrisika ny manampahefana hanao ny adraikiny amin'ny fampiharana ny Fifanarahana mikasika ny Zon'ny Ankizy, izay nankatoavin'i Maraoka, sy ny Fehezandalàna momba ny asa, izay manameloka ny fampiasana zaza tsy ampy taona, dia ny asa natao ho an'ny ankizy latsaky ny 15 taona, ary milaza ihany koa ny lalàna fa tsy maintsy omena fanabeazana avokoa ny ankizy rehetra eto amin'ity firenena ity.

Fisaorana manokana ho an'i Hisham noho ny fanampiana tamin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.