Asongadin'ireo Hetsipanoherana Ny Mety Ho Herin'ny Lalànan'i Iràna Momba Ny Fahafahana Mahazo Vaovao

Iranianina mpanao fihetsiketsehana mitondra takelaka milaza fandriampahalemana. Sary avy amin'ny Article 19, fampiasàna nahazoana alalana.
Nosoratan'i Afsaneh Rigot avy ao amin'ny ARTICLE 19 anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty amin'ny Global Voices.
Tamin'ny 28 Desambra 2017, nipoaka nanerana an'i Iràna ny hetsipanoherana niely patrana tsy mbola nisy toa azy, izay lasa fampisehoana goavana indrindra ny tsy fitiavana ny governemanta hatramin'ny nisian'ireo hetsipanoherana taorinan'ny fifidianana tamin'ny 2009.
Namaly ny fihetsiketsehana tamin'ny herisetra ireo mpitandro filaminana ary nandritra ny tranga sasany aza dia tamin'ny hery mahafaty, niafara tamin'ny fisamborana miisa 3.700 sy fahafatesana miisa 21 nandritra ny fihetsiketsehana. Mpanao hetsipanoherana telo voasambotra nandritry ny hetsika no maty tany ampigadrana hatreto.
Nanaitra antso vaovao ho amin'ny fanoherana kolikoly sy hisian'ny mangarahara ireo hetsika tao Iràna ireo, manokatra ny mety ho fahafahana ho an'ny governemanta ny hampihatra tanteraka ny lalàna tokony hanohana ny fangaraharan'ny governemanta, tsy inona fa ny Lalàna momba ny Fahafahana Mahazo Vaovao ao Iràna.
Ahoana no mampifandray ny fihetsiketsahana tamin'ny 2017 amin'ny fangaraharana?
Hita fa noho ny kolikolin'ny governemanta sy ny fiakaran'ny vidimpiainana no nahatonga ny fihetsiketsehina tao Mahshad. Vetivety dia niparitaka tao Iràna izy ireny andro vitsy taorian'izay, miaraka amin'ny hafatra manomboka amin'ny teny faneva ara-toekarena “mofo, tany, fahafahana” ka hatramin'ny fanoherana ara-pôlitika ny Filoha Hassan Rouhani, Ayatollah Khamenei ary ny Repoblika Silamo amin'ny ankapobeny.
Miavaka amin'ireo hetsika tsy fitiavana governemanta tamin'ny 2009 ireo hetsika ireo, miaraka amin'ny fihitaran'ny fandraisana anjaran'ny sokajin'ny mpiasa mpamokatra, izay voadona mafy tokoa tamin'ny fiakaran'ny vidimpiainana sy ny fepetra fitsitsiana.
Ny tolokevitra vaovaon'i Rouhani tamin'ny Desambra 2017 mba hanampahana ny fanampian'ny fanjakana – vola nozaraina – ho an'ny olona miisa 30 tapitrisa ary nampiakatra ny vidin'ny solika sy atody hatramin'ny 50%. Izay vao mainka niharatsy niaraka tamin'ilay tolokevitra ny hampiakatra ny kitapombola omen'ny governemanta an'ireo fikambanana ara-pivavahana manjavozavo.
Navern'ireo hetsipanoherana ny antso hisian'ny mangarahara nataon'ireo tompon'andraikitra pôlitika sy ireo olompirenena ho an'ny asa ara-toekarenan'ny governemanta. I Rouhani mihitsy no niteny momba ny zo ho afaka mahazo vaovao sy ny filàna mangarahara tao anatin'ny kabariny 10 andro monja talohan'ireo fihetsiketsehina, izay niantsoany ho an'ny fangaraharana lehibe kokoa ho an'ny tetibola avy amin'ny Ministeran'ny Toekarena sy Fitantanambola.
Raha lazaina fohy, nahitana an'i Rouhani namoaka pitsopitson'ny tetibola vaovaon'ny fanjakana ny herinandro voalohan'ny Desambra. Nandeha toy ny hetsika an'ohatra ito fanapahankevitra mbola tsy nisy toa azy hankany amin'ny mangarahara ito, amin'ny famelàna ny mponina hahita ny fomba fandaniana ny volambahoaka.
Niteraka tsy fahafaliana niely patrana ilay tetibola, ary voajery ho tahaky ny nampipoaka ireo fihetsiketsehana, izay nandritra ireny fotoana ireny, nandehandeha tao amin'ireo fantsona telegrama malaza ny pikantsarin'ilay tetibola, nampiseho ny fanapahana ny fanampiana ary ny fiakaran'ny famantsiambola ho an'ireo fikambanana ara-pivavahana.
Mora tenenina fa tsy mora atao ny fahafahana mahazo vaovao
Ho fampiharana tanteraka ny Lalànany momba ny Famoahana sy Fidirana Malalaka hahazo Vaovao, nolaniana tamin'ny 2009 teo anivon'ireo tantara ratsy momba ny kolikoly fony fitondràn'ny Filoha teo aloha Mahmoud Ahmadinejad, afaka manoritra ny làlana ho an'ny Iràna ny kolikoly tsy mampahazo aina sy ny antso hisian'ny rafitra mangarahara. Na efa nanao dingana vitsivitsy aza ny governemanta mba handrisihana ny fampiasana azy amin'ny alàlan'ireo fiofanana ety anaty aterineto sy ireo fitaovana fanapariahana vaovao, mila miandry ny tena fampiharina tanteraka azy ilay lalàna.

Fitaovan'ny Governemanta momba ny zo hahazo vaovao. Avy amin'ny foia.iran.gov.ir
Afaka manampy ny mponina sy ny firenena ny fampiharana ilay lalàna mba hihazonana ny governemanta Iranianina ho tompon'andraikitra amin'ireo andraikiny manoloana ny vahoaka. Ankoatra ny fanaovana azy ho fitaovana hiadiana amin'ny kolikoly, omen'io ho an'ny mponina ihany koa ny zo hahazo vaovao momba ireo olana lehibe izay miantraika amin'ny fiainany, tahàka ny fiarovana ireo hôpitaly ao an-toerana na ny tetibola ho an'ny sekoly ao an-toerana. Omen'ilay lalàna ihany koa ny rafitra iray ho an'ny Iranianina mba hangatahana fidirana amin'ny taratasy manokan'ny tena avy amin'ireo rantsan'ny governemanta, ka isan'izany ny fiantohana ara-pahasalamana sy sosialy.
Tao amin'ny kabariny tamin'ny Desambra 2017 momba ny maha-zava-dehibe ny mangarahara eo amin'ny fitantanana, niteny ny filoha Rouhani:
Tsy manana fomba hafa afa-tsy ny mangarahara isika ho an'ny fanesoranan'ny kolikoly, tsy maintsy mandeha anaty efitra misy fitaratra daholo isika amin'izay afaka hitan'ny olona rehetra ny fepetra tsirairay raisintsika.
Ny fotoana no hiteny raha hitàna ny fampanantenany izy.
Hamantarana bebe kokoa: Namoaka fanadihadiana an'ilay Lalàn'i Iràna momba fahafahana mahazo vaovao ny ARTICLE 19, miaraka amin'ny torohevitra momba ny fomba fanaovana fangatahambaovao
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...