Tantara tamin'ny 05 Febroary 2018
Asongadin'ireo Hetsipanoherana Ny Mety Ho Herin'ny Lalànan'i Iràna Momba Ny Fahafahana Mahazo Vaovao
Fotoana mety tsara izao mba hampiharana ireo ezaka mankany amin'ny mangarahara taorian'ireo hetsipanoherana tamin'ny Desambra sy Janoary tao Iràna. Tsy maintsy ny fampiharana tanteraka ny Lalànan'i Iràna momba ny Faafahana mahazo Vaovao no tsy maintsy dingana voalohany.
Milaza Ny Filohan'i Ghana Fa Tsy Maintsy Miala Amin'ny ‘Toe-tsaina Tia Miankina’ Amin'ny Fanampian'ny Tandrefana i Afrika
Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety natao tamin'ny Novambra 2017 niaraka tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, nanambara ny filoham-pirenena Ghaneana Nana Akuffo-Addo fa tsy maintsy miala amin'ny "toe-tsaina tia miankinan-doha" amin'ny fanampiana Tandrefana ny Afrikana ary hitady fahafahana ara-barotra mitovy.
Mitaky Ny Rariny Ilay Olona Niharan'ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Sady Miatrika Fanehoan-kevitra Manavakava-bolonkoditra Ao Amin'ny Media Sosialy Tao Myanmar
Ny fanehoan-kevitra feno fankahalàna nanafika ilay nanao fitarainana noho ny endri-piaviany, ny volokodiny, ary ny mari-panondroana azy ara-poko no lasa nanjary nalaza kokoa noho ilay olana voalohany tamin'ny herisetran'ny mpitandro filaminana.
Somalia: Mampiasa Tanora Keniana Hiady Ve Ny Governemanta?
Ity no famintinana voalohany tamin'ny bilaogy Somaliana ny taona 2009. Eny, nandritra ny herintaona mahery ny mpamorona ity lahatsoratra ity no niala tamin'ny bilaogy saingy niverina soamantsara izy.
Shina Sy Japana: Ny Adin'ny Sarimiaina
Nandefa ny fizarana miisa 36 amin'ilay sarimiaina 3 D "Ny Miaramila Devoly Ao Amin'ny Tendrombohitry Mao-er" (帽 兒 山 的 鬼子兵) tamin'ny volana Oktobra ny CCTV ao Shina nandritra ny fankalazana ny Fetim-pirenena. Novokarin'ny orinasa iray any Heilongjiang ilay sarimiaina ...
Maraoka: Sazy Maivana
Tamin'ny volana Septambra 2009 dia fantatra fa niharan'ny daroka mafy nandritra ny naha-mpanampy an-trano azy i Zineb Chtit , tovovavy Maraokana iray. Nambara fa hosaziana telo taona an-tranomaizina sy ny lamandy mitentina 13.000 $ ilay olona nikasi-tànana an'i Zineb, Nawal Houmin, vadin'ilay rangahy mpampiasa azy.
Ao Amin'Ny Vaovao Sy Ao Amin'Ny Oniversite, Mijanona Ho Mpisolo Vaika Ny Akàlana Ireo Mpitsoaponenana Ao Libanona
"Ahoana no hitenenantsika fa handray ny fanampian'ny fikambanana iraisampirenena no mahatonga azy ireo ho eo nefa betsaka amin'izy ireo no tsy mahazo na inona na inona avy amin'izany akory?"