- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lehilahy Trinidadiana Iray Namadika Ireo Lavadavaky ny Arabe Ho Lasa Tavibe Fandroana Amin'ny Rano Mafana Tao Anatina Hetsi-panoherana Mahatsikaiky Nandaitra

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fanoherana, Hehy, Mediam-bahoaka
[1]

Mampiseho an'i Ken, olo-malaza iray mampiasa lavadavaky ny arabe eny ivelan'ny tranony ho toy ny ”jacuzzi” no saripika avy amin'ny lahatsary ”Lavadavaka arabe goavana” izay nalaza be tany Trinidad sy Tobago.

Any Trinidad sy Tobago, afaka mandray endrika maro ny hetsi-panoherana — fanentanana anaty aterineto [2], fitokonana hifadian-kanina [3], fandoroana fako [4], na fitsangatsanganana amin'ny sambo [5] eo anelanelan'ireo nosy roa ireo aza — nefa tsy mbola nisy mihitsy olona namadika ireo lavadavaky ny arabe ho toy ny ”jacuzzi”:

Ilay lehilahy, fantatra amin'ny anarana hoe ”Ken” fotsiny tamin'ny alalan'ilay mpampiasa tambajotra sosialy izay naka sy nampiakatra ilay lahatsary tamin'ny 4 Janoary 2018, dia tonga tamin'ny fetrany rehefa niandry 10 andro niantsoana ny Manampahefana Momba Ny Rano Sy Lava-drano maloto ao Trinidad sy Tobago [6] (WASA) mba hanamboarana rano vaky izay tena henjana loatra ka nanimba ny ampahany tamin'ny arabe teo anoloan'ny tranony, miaraka amin'ny fanesoana mahatsikaiky hoe tsy nahazo famatsiana rano intsony izy tao an-tranony.

Noho izany nataony ny zavatra tsara indrindra manaraka — nandro naka aina tao anatin'ilay lavaka izy.

Noho ilay hetsika fanoherana manala-baraka izay nampiharany ny talenta fahaizany mamorona, tonga dia lasa fahatsapàna tao amin'ny media sosialy avy hatrany i Ken, ka nahazoany ny laza tao amin'ny faritra [7]noho ny paikadiny. Ny andro tao aorian'io, nandefa ekipa iray [8] mba hanamboatra ilay rano vaky ary hanamboatra ilay lavaka lehibe ny WASA.

Nizara sarin'ilay ekipan'ny WASA teo amperinasa i Nyssa Pear, mpampiasa Facebook iray, ary nivazivazy [9]:

WAYZ! As of 1:45am, Ken’s jacuzzi is no more! There goes my weekend plan! ? I kid. WASA wukkin!

KAY! Amin'ny 1:45 maraina, tsy misy intsony ny jacuzzi an'i Ken! Izany no fandaharam-potoanako amin'ity faran'ny herinandro ity!? Laingako izany e. Miasa ny WASA!

Izay tsy midika fa tsy efa voadarodaroka [10] tao amin'ny tambajotra sosialy ilay fikambanana. Efa malaza ho toy ny mpandavaka lalana ho amina fanavaozana ny WASA ary avy eo tsy mahavita ny mamerina amin'ny laoniny ny toeran'ireo lalana taloha. Misy sangisangy mahazatra ao Trinidad sy Tobago mikasika ny ”lavadavak'arabe ofisialy”, izay efa navela ela loatra tsy nisy fanarahamaso ka ny hany azo atao sisa dia ny mandoko tsipika fotsifotsy manodidina azy mba hampahafantarana an'ireo mpitondra fiara momba ny loza.

Tsy mampihomehy na dia kely fotsiny aza anefa no fahitan'i Andrew James [11] an'ilay toe-javatra:

Tsy misy henatra mihitsy ao anatina firenena antsoina hoe mpandravarava, fitantanam-panjakana ratsy, olona ratsy mitaty fotsiny ny karaman'ireo mpandoa hetra amin'ny alalan'ny lainga.

Gaga [12] i Anya C Legair fa ny lahatsarin'ilay jacuzzi lavaka lasa nalaza be no fomba tokana nilaina mba hamahana ny olana; niombon-kevitra taminy [13] i Kelly Maria, iray hafa mpampiasa Facebook :

Izao izany no fomba ahafahana mampanantanteraka zavatra eto amin'ity firenena ity…mila mankao amin'ny tambajotra sosialy ianao..okay .. ? ✔ ho an'i Atoa.Ken…  voaray ny lesona

Ankoatra ny rikoriko tamin'ny sampan-draharaha tena ilaina, tena babon'i Ken tanteraka ireo mpampiasa aterineto:

Nilaza [17] i Chad Ramgattie tao amin'ny Facebook:

Omeo loka ity lehihaly ity….
Ary fanafody fanefitra ihany koa.

Namaly [18] i Shazard Bansraj:

Ny sorisory no toa fanalahidy entina mampihetsika ny fanjakana eto amin'ity firenena ity ?. Am-panokafana loharano mafana aho […] raha toa ka mba misy te-handeha.

Niombon-kevitra [19] i Denzil James:

????? Tena mila mihenjana daholo ny vahoaka ato amin'ity firenena ity mba hahazoana vokany

Angamba, saingy nahazo vokany ny hakingan-tsain'i Ken, izay mampiseho fa mety hitondra lavitra ny vazivazy kely — ary nipoitra ho toy ny maherifo izy. Ho an'i Ti-Jadanna La Jordan, toe-javatra mpandresy / mpandresy [20] (samy mahazo tombony) izany:

Tena maha-te-ho tia i Ken ary naswhon'i Ken ny tsy fahaizan'ny WASA.

Farany, nieritreritra [21] i EmmyAwards Brown fa tokony hanaiky tsara ny hakingan-tsain'i Ken ny firenena:

Tokony hanao toy io daholo ny firenena iray manontolo
Arahaba nahavita soa dada ah, mendrika loka nasionaly ianao