- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ilay Vehivavy Manankarena Indrindra Ao Afrika Voaroaka Tao Amin'ny Orinasa Nasionaly Mpamokatra Solika Tao Angolà

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Isabel dos Santos, zanakavavin'i José Eduardo dos Santos, filoham-pirenenan'i Angolà teo aloha. Rakitsary: Youtube, Góis Souza.

Mandefa mankany amin'ny takelaka Paortigey avokoa ny rohy rehetra hita ato raha tsy hoe misy fanambarana manokana milaza ny mifanohitra amin'izany.

Nandray fepetra maro izay nahavariana ny firenena ny Filoham-pirenena Angoley João Lourenço nanomboka tamin'ny nahavoafidy azy tamin'ny volana Aogositra taona 2017 [2] [fr]. Ankoatran'ny nanovàny ny lehiben'ny fikaroham-baovao ao amin'ny tafika, dia mbola  nanaisotra [3] [fr]  an'i Isabel dos Santos , zanakavavin'ny Filoham-pirenena teo aloha José Eduardo dos Santos, ihany koa izy tsy ho eo amin'ny toeran'ny filohan'ny filankevitr'i Sonangol, orinasa mpamokatra solika eo an-toerana.

Tamin'ny volana desambra 2016,  nosoloin'i [4][fr] Lourenço i José Eduardo dos Santos teo amin'ny fitarihana ny antoko eo amin'ny fitondràna, dia ny MPLA, ary noraisiny an-tanana ny fitondràna ny firenena taorian'ny nahazoany ny isam-bato be indrindra avy amin'ny parlemanta tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Aogositra.

Efa 35 taona mahery  [5] [fr] izao i José Eduardo no teo amin'ny fitondram-panjakàna, fitondràna voamarik'ireo fanitsakitsahana ny zo maha-olona sy ny famerana ny olona tsy hanana fahafahana maneho hevitra, ny mpanao gazety sy ny mpanohitra no matetika lasibatra amin'izany. Mbola nijanona ho filohan'ny MPLA ihany i José Eduardo taorian'ny nialàny tsy ho  filoham-pirenena, ary niditra ho mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Repoblika izy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Rantsana iray fangatahan'ny filoham-pirenena sosokevitra ary samy misitraka ny tsimatimanota avokoa ireo mpikambana rehetra ao, izay no mahatonga ny mpijery milaza fa mbola manohy mitondra firenena ihany izy fa any ambadiky ny sehatra any fotsiny.

Kanefa, toa lasa nampisalasala ireo vinavinan-kevitra ireo raha vao nipoitra ny fanapahankevitra farany noraisin'i Lourenço, izay toy ny miezaka ny manamafy ny fahefany ao anatin'ny antoko misy azy.

Voatondro hisolo an'i Isabel dos Santos i Carlos Saturnino . I Saturnino no filohan'ny filankevitry ny orinasa Sonangol talohan'ny nandroahana azy sy nanoloana azy an'i Isabel dos Santos tamin'ny volana jona 2016, araka ny baikon'ny rainy. Ankoatran'i Isabel dos Santos, dia noroahan'i  Lourenço avokoa ny mpikambana rehetra tao amin'ny filankevi-pitantanan'io orinasa io .

Fiafaràn'ny vanimpotoana iray ve izany?

Tamin'ny taona 2013,araka ny voalaza ao anaty boky Forbes, dia vehivavy manan-karena indrindra ao Afrika  [6][en] i Isabel dos Santos ary tombatombanana ho manodidina ny 4,5 lavitrisa dolara amerikanina ny hareny. Ankehitriny, izy no mpanana petrabola be indrindra ao amin'i Unitel, ilay lehibe indrindra amin'ny sehatry ny fanomezana tolotra finday ao amin'ny firenena, sy ny Zap,  fahitalavitra eo an-toerana. Mbola mpikambana ao amin'ny NOS ihany koa izy, goavan'ny fifandraisandavitra ao Paortigaly, ary manana fampiasambola any amin'ireo banky iraisam-pirenena.

Any Angolà, maro ireo miresaka momba ny tena nanesorana an'i Isabel dos Santos. Mihevitra i Rafael Marques [7], izay mpanao gazety sady mpikatroka mafana fo ao an-toerana ary tena manana ny lazany tokoa, fa tapitra hatreo ny maha matihanina azy teo amin'ny sehatry ny asa vao niala tao amin'i Sonangol izy:

A Isabel dos Santos, agora sem a Sonangol, está acabada, porque todos os portugueses que a apoiavam e que faziam as suas relações públicas, e inclusivamente a imprensa, surgiam em função do poder que ela derivava do seu pai. Sem isto a Isabel não vai conseguir manter os seus negócios, porque são negócios que foram sempre mamar do Estado e que não obedecem a critérios de boa gestão. São negócios que se tornaram sorvedores dos fundos públicos em Angola.

Very i Isabel dos Santos ankehitriny, rehefa tsy niasa tao amin'i Sonangol intsony, satria matoa nanohana azy ireo Paortigey ireo ary nisahana ny fifandraisany amin'ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka, anisan'izany ny mpanao gazety, ary nijanona niaraka taminy izy ireo, dia nohon'ny fahefana sintoiny avy amin'ny rainy. Raha tsy misy @izay mantsy, dia tsy afaka ny hitantana ny asa aman-draharahany i Isabel, satria teo ambany fiahian'ny Fanjakàna foana ireo orinasa ireo ary tsy manaraka ny lalàna mifehy ny fomba fitantanam-panjakàna tsara tàntana. Lasa miankina tanteraka amin'ny volam-bahoaka Angoley ireo orinasa ireo.

Nanontany [8] ny hevitry ny teratany Angoley maromaro mikasika io toedraharaha io ny fahitalavitra Viana TV. Raha araky ny fomba fijerin'i Cristina Correia [9], dia andro tena manantantara io andro io:

Mais uma data inesquecível para os Angolanos, 11 de Novembro dia da independência, 15/de Novembro adeus a família Dos Santos. Ficará na História.

Mbola daty anankiray tsy hay adinoina io ho an'ny vahoaka Angoley, ny 11 novambra izay andro nahazoana ny fahaleovantena, ny 15 novambra, fanaovambeloma ny fianakavian'i Dos Santos. Hijanona ao anaty tantara izay.

Raha araky ny hevitr'i Leonel Mateus [10], dia resaka fanenjehana ara-politika fotsiny ihany io raharaha io:

Só isso não basta, estas exonerações até parece perseguição as pessoas. Se estão a ser exoneradas por algum acto ilícito também devem responder julgamento.

Kanefa tsy ampy raha izay fotsiny, toa ohatran'ny lasa fanenjehana manokana ireo fandroahana ireo. Tokony voaantso hanome fanazavana any amin'ny fitsaràna izy ireo raha toa ka voaroaka nohon'ny fanaovana zavatra tsy ara-dalàna

Maro ireo izay tsy mahita ny tena fiovàna [11] raha tsy voaporofo mazava tsara vokatry ny fikarohana ny tena andraikitra tamin'izany:

Isso não muda em nada a minha vida e nem mudou em nada as condições do país…Esse Jlo (João Lourenço) só está preocupado em exonerar e responsabilizar que é bom nada…tudo treta.

Tsy mampiova na inona na inona eo amin'ny fiainako izany na koa ny toejavatra misy eto amin'ny firenena … Tsy manan-katao afatsy ny mandroaka sy manameloka olona io Jlo (João Lourenço) io, ary tena tsy mety mihitsy izany … fika iray fotsiny io.

Nanohitra ny zavatra voalaza mikasika ny fandroahana an'i Isabel dos Santos i  Pedro Emanuel Ferreira [12]  ary nanambara izy fa misy ny zavatra tokony hireharehana ny amin'ny zanakavavin'ny filoham-pirenena teo aloha:

Falaram tanto, porque fez bem de sair a Isabel, agora vão ler o trabalho que ela fez durante o pouco tempo como PCA da SONANGOL.
Angolano às vezes ri, festeja, atira pedra, sem saber realmente o que está a passar lá dentro.

Para mim, o que me importa não é se a Isabel e filha do Ex-presidente se está a trabalhar deixa trabalhar, quantos entraram e desfalcar, que ninguém abriu a boca, por ela ser quem é Uma Exoneração parece um festival da paz todo mundo ri.
Então ela por si própria mostrou trabalho, através dos números.

Be resaka loatra izy ireo, satria tsara ny nahavitàna nandefa an'i Isabel, ankehitriny, hijery ny asa vitany nandritra ny fotoana fohy naha TALE JENERALIN'ny orinasa SONANGOL azy ry zareo. Misy fotoana mikakakaka mihomehy ireo vahoaka Angoley ireo, indraindray mifety na koa mitoraka amin'ny vatokely, kanefa tsy mahafantatra marina akory izay zavatra tena miseho ao anatiny ao.

Ny zava-dehibe, amiko, tsy hoe miasa ve na hoe niala tamin'ny asany ve Isabel, zanaky ny filoham-pirenena, fa kosa hoe firy ireo tonga tao sy nanodinkodim-bola, nefa tsy nisy olona afaka nanoka-bava nitantara izany nohon'ny fahatahorana azy ireo. Toa ohatran'ny fetim-pifaliana ny fandroahana olona iray, mihomehy avokoa ny olona rehetra.
Kanefa, nisy vokatra ny asa nataony araka ny voaporofon'ny tarehimarika .

Ny zavatra nahagaga dia namorona anarana labiera [13] i Isabel dos Santos   tany Angolà andro vitsivitsy taorian'io, izay nahasarika ny sasany hieritreritra fa fomba iray entina handrebirebena ny sain'ny vahoaka fotsiny mba tsy hifantohan'izy ireo amin'ilay fandroahana azy tamin'ny asany. Izany no nahatonga an'i Yuri Aiss [14] hilaza hoe:

Um dos métodos mais rápido para destruir a sociedade Angolana, ela até já conhece o ponto fraco dos Angolanos

Ny fomba haingana indrindra handravàna ny fiarahamonina Angoley, efa hainy tsara ny kileman'ny vahoaka Angoley

Tetsy ankilany, dia nilaza ireo antoko mpanohitra fa fanapahankevitra tsara iny fandroahana azy iny [15] ary maro no nankasitraka izany:

A UNITA, maior partido da oposição, considera a exoneração de Isabel dos Santos do cargo de presidente do Conselho de Administração da Sonangol “normal” e a CASA-CE, a segunda mais importante força política da oposição no Parlamento, aponta a decisão do Presidente da República como “bem-vinda”.

Nahatsapa ny UNITA, izay antoko mpanohitra matanjaka indrindra, fa “rariny” ny nanesorana an'i Isabel dos Santos tsy ho filohan'n'ny biraon'ny Filankevi-pitantanan'ny orinasa Sonangol, ary nilaza ny CASA-CE, izay hery politika mpanohitra faharoa tao amin'ny parlemanta, fa “tongasoa” ilay fanapahankevitry ny Filoham-pirenena.