- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodza: Nomem-boninahitra Tamin'ny Loka Ilay Afaka Tamin'ny Fanandevozana Ara-nofo

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Tamin'ny 22 Oktobra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra  teny Anglisy)

13 taona i Sina Vann raha tonga tany Kambodza avy any Vietnam mba hanao vakansy araka ny noeritreretiny. Namidy ho andevo ara-nofo anefa izy, ary tao amin'ny trano iasan'ny mpivaro-tena izy no niaina nandritra ny roa taona. Afaka izy rehefa nikarakara bemidina tao amin'ny trano iasan'ny mpivaro-tena an'i Vann i Somaly Mam, mpikatroka mpanohitra ny fanandevozana sady solontenan'ny Orina Mpanasoa Somaly Mam. Mpikatroka [1] miaraka amin'ny Orina Mpanasoa Somaly Mam i Vann ankehitriny, manampy ireo olona afaka tamin'ny fanandevozana sy ireo izay mbola miasa any amin'ny tranon'ny mpivaro-tena ihany koa izy.

Noho ny asa nataon'i Vann dia nomem-boninahitra tamin'ny Loka Frederick Douglass [2] izy. Ny Loka Frederick Douglass “Manome voninahitra ny zotom-po goavana amin'ny finiavan'ny olombelona ary mandrisika ny ankamaroan'ireo afaka tamin'ny fanandevozana amin'izao andro izao mba hanampy ny hafa ho amin'ny fahafahana.”

Hita ato amin'ity lahatsary ity ny tantaran'i Vann maromaro:

http://vimeo.com/moogaloop.swf?clip_id=6955024

Ny Mpandresy tamin'ny Loka Frederick Douglass Taona 2009 – Sina Vann [3] avy amin'ny Free the Slaves [4] ao amin'ny Vimeo [5].

Nohitarin'ny Firenena Mikambana herintaona [6] ny fe-potoana iasan'izy ireo izay mamaha ny olan'ny zon'olombelona ao Kambodza. Araka ny nohazavain'ny The Mirror [7], ny iraka manokan'ny Firenena Mikambana, tamin'ny Vaomieran'ny Zon'olombelona:

expressed concerns about the human rights situation in Cambodia. According to his report, the rule of law in Cambodia is weak…Also, he mentioned the case of a Sam Rainsy Party parliamentarian – from the biggest opposition party in Cambodia – Ms. Mu Sochua, who had been sentenced by a court, controlled by the government of the Cambodian People’s Party, to lose her case unjustly, because she had dared to protest against the powerful in Cambodia.

raha naneho ny ahiahiny mikasika ny toe-draharahan'ny zon'olombelona ao Kambodza. Araka ny tatitra nataony, goragora ny fanarahan-dalàna ao Kambodza … Ankoatra izay, nanamarika ny raharahan'ilay parlemanteran'ny Antoko Sam Rainsy izy – avy amin'ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Kambodza – Ramatoa Mu Sochua, izay nogadrain'ny fitsarana fehezin'ny governemantan'ny Antokom-bahoaka Kambodziana, mba ho resy tamin'ny fomba tsy ara-drariny satria sahy nanohitra ireo mahery tao Kambodza.

Nandrisika [8] ny iraka manokana mba tsy hanadino ireo vehivavy sy ankizy izay mbola tavela any amin'ny fanandevozana ara-nofo any Kambodza ny hafa, ary nanamarika fa tsy maintsy atao laharam-pahamehana hatrany ny zon'olombelona na dia misy aza ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona hafa, toy ny fahalalahana maneho hevitra,