- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanohana An'i Macron Tamin'ny Fampielezan-kevitra Ve I Arabia Saodita? Tsia.

Sokajy: Mediam-bahoaka, NewsFrames

(Tamin'ny 2 Martsa 2017 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)


Mifototra amin'ny asa fanamarinana tarihin'ny fiaraha-miasan'ny efitra famoaham-baovao any Frantsa sy ny Fanjakana Britanika amin'ny alalan'ny CrossCheck (teny Frantsay [1]| teny anglisy [2]) ity lahatsoratra ity, fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa mba hiadiana amin'ny vaovao faikany an-tserasera, ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

“Emmanuel Macron, kandida ho filoham-pirenena ankafizin'i Arabia Saodita amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Frantsay”, hoy ny lahatsoratra [3] iray [rohy amin'ny teny frantsay] izay nozaraina tao amin'ny Twitter ny Alarobia 2 Martsa, nosoratan'i Marion Maréchal-Le Pen, parlemantera frantsay iray sady zanaky ny mpiray tampo amin'i Marine Le Pen, kandida filoham-pirenena ao amin'ny elatra farany havanana. Ny tranonkala  nahitàna ny tantara anefa dia dika mitovy voarindra tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny gazety Belza Le Soir – manana rohy hafa.

Araka ny asehon'ny sary etsy ambony, nandà haingana ny tranonkala ofisialin'ny Le Soir [4] [rohy amin'ny teny Frantsay] fa tsy avy ao amin'ny sehatry ny famoham-baovaon'izy ireo ilay lahatsoratra.

Tsy avy ao amin'ny Agence France-Presse ilay lahatsora-baovao – araka ny nambaran'ny mpanoratra – ary tsy tranonkala ofisialin'ny Le Soir ny lesoir.info – fa an'ny lesoir.be . Mampiasa ny endrika sy ny famolavolana, ary ny drafitry ny pejy mitovy tanteraka amin'ny tranokalan'ny gazety ilay tranonkala maka tahaka. Miditra avy hatrany any amin'ny pejin'ny lesoir.be ny mpitsidika rehefa manindry ny rohy ao amin'ny lesoir.info.

Amin'ny anaran'i Donald Thomas any Delaware any Etazonia ny sehatra ho an'ilay tranonkala dika mitovy amin'ny lesoir.info.

Hoy i Marion Maréchal-Le Pen raha nisioka : ” Moa ve notohanan'ny Arabia Saodita ny 30%-n'ny fampielezan-kevitra nataon'i Macron ? Mila fangaraharana izahay! “

Namafa ny sioka nataony i Marion Maréchal-Le Pen antsasakadiny taorian'ny nivoahan'izany.  Namafa ny lahatsoratr'izy ireo taoriana kelin'izay ihany koa ny tranonkala Fdesouche.

Azonao atao ny mamaky momba ny famolavolana hafa sy ny fifidianana frantsay ato [5] .