- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitombo Ny Ahiahian'ny Ogandey Mikasika Ny Valan'aretina Tazo Mahafaty

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Sampana fitsaboana Ebola ao Grand Cape Mount, Liberia. Saripikan'i Martine Perret / Iraky ny  Firenena Mikambana ho an'ny Fanakanana ny Ebola tao amin'ny Flickr. (CC BY-NC 2.0)

Nampitebiteby ny mponina ny fahafatesan'i Bridget Nalunkuuma [2], sivy taona, tao an-tanàna iray afovoan'i Ogandà, Nakaseke, fa mety voan'ny aretina avy amin'ny tazo mahatonga fahaverezan-drà (fièvre hemoragique) Krimeana-Kongo izy.

Olona valo hafa no voalaza fa maty [3] tao anatin'ny volana vitsy taorian'ny nahitana soritr'aretina toy izany.

Misy ao Afrika atsimon'i Sahara, faritra any Afovoany-Atsinananat sy any Azia, mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny bibikely na fifandraisana mivantana amin'ny tsiranoka amin'ny vatan'ny olona voan'ny aretina na biby ny tazo hemôrazika Krimeana-Kongo [4]. Mitondra ny soritr'aretina mitovitovy amin'ny Ebola, aretina mahafaty azo avy amin'ny viriosy izay namono olona 11.217 tany amin'ny firenena telo any Afrika Andrefana tamin'ny taona 2014 izy. Saingy tsy ao anatin'ny fianakaviana viriosy mitovy izy ireo.

Araka ny voalazan'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana, mety hahatratra 40% ny taham-pahafatesan'ny olona voan'ny aretina tazo hemôrazika Krimeana-Kongo [4]. Tsy misy vakisiny ho an'ny aretina.

Nitatitra ny fampahalalam-baovao maromaro fa tazo hemôrazika Krimeana-Kongo no nahazo ilay zazavavy kely sivy taona ary niverina “miabo [5]” ny valin'ny fitiliana.

Nandray fepetra manoloana ny aretina ny manampahefana alohan'ny hanangonana sy handevenana ny vatana mangatsiaka, araka ny hita amin'ny sary nalaina sy navoakan'ny Uganda Radio Network tamin'ny aterineto [2].

Raha niely ety anaty aterineto sy ny fampahalalam-baovao ny tsaho mikasika ny viriosy, mandà ny filazana ny governemanta Ogandey. Nivoaka ny tatitra momba ny fahafatesan'ilay tovovavy sivy taona, fotoana fohy taorian'ny nandavàn'ny Sekreteran'ny Minisiteran'ny Fahasalamana Dr. Diana Atwine  [6]ny tatitry ny fampahalalam-baovao [7] momba ny valan'aretina .

Tany am-piandohan'ny volana Desambra 2017, nisy ankizy iray hafa nampidirina hopitaly tao amin'io distrika io ihany, ary nahitana soritr'aretina Tazo miteraka Fahaverezan-drà Krimeana-Kongo.

Nanamafy ny tatitra navoakan'ny minisitry ny Fahasalamana Hon. Sarah Opendi [8] fa nitondra ny otrik'aretina ilay zazalahy sivy taona ary notsaboina tao amin'ilay toerana. Nampiseho ny fitiliana manaraka fa tsy voan'ilay aretina mahafaty intsony izy.

Nisioka ny Minisiteran'ny Fahasalamana Ogandey fa tsy misy eto amin'ny firenena ny tazo ary nandrisika ny olona misy hafanana sy marary an-doha izy mba hamonjy toeram-pitsaboana:

Hon. Opendi: Te-hampahafantatra ny besinimaro aho fa TSY misy tranga ahiahiana amin'ny Tazo Miteraka Fahaverezan-drà Krimeana-Kongo (CCHF) ato amin'ny fiarahamonina. Raha sendra misy olona ao amin'ny fiarahamonina voan'ny tazo, marary an-doha, mandoa, mivalana, marary vatana, azafady mandehana any amin'ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra.

Tao anatin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, nangataka ny governemanta ny sendikan'ny mpitsabo ao Ogandà mba hanazava tsara ny toetry ny tazo any amin'ny firenena ary handray ny fepetra rehetra ilaina hiatrehana ny tranga ho toy ny vonjy taitra.

Maro ihany koa ny olona tonga naneho hevitra momba ny zava-misy amin'ny alàlan'ny kaonty media sosialy.

Nisioka ny ahiahiny i Bantu Dragon fa ny fandàvan'ny governemanta ny valan'aretina dia mampidi-doza kokoa ny olom-pirenena, satria mety hitarika ho amin'ny fielezan'ny tazo mahery izany:

Inona no antony fandavan'ny governemanta ny valan'aretina tazo krimeana Kongo? Am-pahamatorana, inona no antony nanosika azy ireo? Tsy miraharaha izany ary mety ho lasa lavitra izany rehefa miparitaka? Tena tsy mazava amiko ity hadalana ity.

Mpisera Twitter, Omara-Ogwang James, naneho tsy fahatakarana momba ity resaka ity, nilaza fa tsy fantany izay tokony hitokisana:

Ny Fikambanan'ny Dokotera (ary saika ny rehetra): misy tazo kimera Crimea ao Nakaseke

GoU (Minisiteran'ny Fahasalamana): TSY! Tsy misy valan'aretina Krimeana!

Ny tenako: tsy fantatro intsony

Mpanao gazety amin'ny fahitalavitra, Walter Mwesigye nizara karajia an-tsary momba ny fihanaky ny tazo. Na dia miteny aza ny Minisitera fa tsy misy ny loza ateraky ny aretina ao amin'ny firenena, dia tsapany fa tokony hitandrina ny olona:

Napetraka mba hiresaka amin'ny firenena mikasika tatitra miverimberina momba ny valan'aretina Tazo Miteraka Fahaverezan-drà Krimeana Kongo ny Minisiteran'ny fahasalamana. Nilaza ny P.S @Atwine_Diana [12], tamin'ny herinandro lasa, fa misy tranga voamarina momba ny aretina ao amin'ny distrikan'i Nakaseke.

Na izany aza, izao no tianao ho fantatra

Efa niaritra valan'aretina hafa tahaka ny Ebola, Kôlerà sy Marburg i Ogandà taloha izay manome antony maro ho an'ny vahoaka mba hatahotra ny mety hisian'ny valan'aretina. Amin'izao fotoana izao, tsy mazava raha miezaka mampihena ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao ny governermanta, na tsy misy tokoa ny valan'aretina.