- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jorge Jurado Mi-Rap Momba Ny Median'Olon-tsotra

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navoaka voalohany tao amin'ny Rising Voices [1].

Fantatro fa somary efa lany lamaody – olona mi-rap momba ny bilaogy-lahatsary – saingy tsy vitany hoe poetika ihany ny hira ConVerGentes an'i Jorge Jurado, fa maneho taratra ny fahamarinana momba ny media ifarimbonana amin'ny ankapobeny ihany koa: mamorona izahay satria voatery, fa tsy hoe nolazaina izahay mba hanao izany.

0BCD911D-E726-4E58-AB6F-03722693E2D9.jpg

Ireo mpikambana mavitrika indrindra ao amin'ny ConVerGentes. Jorge Jurado no eo amin'ny farany havanana.

Iray amin'ireo tanora 20 eo ho eo ao amin'ny vondrom-piarahamonina sarangan'ny mpiasa ao amin'ny manodidina an'i San Javier La Loma izay mandrafitra ny vondrona median'olon-tsotra “ConVerGentes [5]” i Jorge. Iray amin'ireo vondrona telo izay mandrafitra ny tetikasa lehibe indrindra HiperBarrio [6] izy ireo. Ny ConVerGentes dia kilalaon-teny mitambatra amin'ireo teny Espaniôla hoe fampivondronana, fahitana, ary olona.

Mpanao ravaka an-tsary manatalenta sady mpanakanto hip-hop i Jorge, izay namokatra lahatsary fanadihadiana fohy momba ny kolontsaina graffiti ao Loma [7] sy bilaogy ao amin'ny La Voz del Silencio [8]. Miresaka momba ny mety ho fampiasana ny media ifarimbonana mba hanavotana ireo tantara adino sy kolontsain'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana ny hirany “ConVerGentes”, izay nanaovany fampisehoana mivantana tany am-piandohan'ny volana janoary 2008. Izy ihany koa no namorona ny lohatenin'ny weblog-n'ny ConVerGentes rehetra tamin'ny fomba mamaritra ny votoatiny sy ny olona ao ambadika. Afaka mitsidika ny bilaogin'izy ireo tsirairay ianao amin'ny alàlan'ny fandehanana ao amin'ny tranokalan'ny ConVerGentes [5] ary manindry ny rohy tsirairay eo amin'ny ankavanana eo ambonin'ny “Blogroll”.