- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonga Hatrany Amin'ny Oniversiten'i Shina Ny #MeToo ( Izaho Ihany Koa) Na Dia Teo Aza Ny Ezaky Ny Mpanivana Ny Aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, GV Mpisolovava
[1]

Ireo mpianatra shinoa nilanja sora-baventy manohitra ny herisetra ara-nofo tao amin'ny Diaben'ny Vehivavy tao Washington, DC tamin'ny 20 Janoary. Sary avy amin'ny Voice of America, nahazoana alalana

Miha-malaza tsikelikely ao Shina ny hetsika manerantany #MeToo ( Izaho Ihany Koa) , na dia teo aza ny sivana henjana tamin'ny aterineto.

Taorian'ny fanesorana ny mpampianatry ny Oniversiten'i Beihang, Chen Xiaowu, noho ny fitarainana maro momba ny fitondran-tena vetaveta dia nanao fanangonan-tsonia antserasera [2] nangataka ny tokony hametrahan'ireo mpitantana ny sekoly ny politika ofisialy manohitra ny fitondran-tena vetaveta ireo mpianatra sy ireo mpianatra tranainy avy amin'ny oniversite ambony am-polony maro. Manana ny tenirohiny manokana ny hetsika #EveryoneIn (Ao daholo ny rehetra).

Taorian'ny fanamelohana ilay mpanatontosa sarimihetsika Amerikana Harvey Weinstein  tamin'ny fitondran-tena vetaveta am-polony mihoatra tamin'ny volana Oktobra 2017, lasa hetsika ara-tsosialy manerantany mba hanairana ny sain'ny vahoaka momba ny herisetra sy ny fanorisorenana ara-nofo ny hetsika sy ny tenirohy #MeToo. Nanomboka tamin'io fotoana io, nizara ny zavatra niainany manokana tao amin'ny aterineto ary nampiasa ny tenirohy #MeToo ny vehivavy avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.

Niparitaka tany amin'ny tanibe Shina ihany koa ny hetsika, saingy sarotra ny nahita izany antserasera, noho ny fitondrana henjana amin'ny fanivanana aterineto ao Shina. Nilaza ireo mpikatroka [3] fa lasibatra sy voasivana tao amin'ny media sosialy ny teny toy ny hoe “manohitra ny herisetra ara-nofo” .

Saingy nanomboka niova izany rehefa lasa nalaza ny tantaran'i Luo Qianqian, mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Beihang teo aloha ao Beijing.

Namoaka lahatsoratra i Luo, mipetraka any Etazonia amin'izao fotoana izao, izay nitantarany ny fomba nanjonoan'i Chen Xiaowu azy ho any amin'ny tranon'ny anabaviny sy ny nanereny azy taorian'ny nahazoany diplaoma roa ambin'ny folo taona lasa izay. Na dia afaka nandositra aza izy dia nahafantatra taty aoriana kely fa nisy ihany koa ny mpianatra iray nojonoin'i Chen ary bevohoka vokatr'izany.

Ny alin'iny dia efa niparitaka be ny fitantaran'i Luo. Tonga avy hatrany ireo mpanivana, saingy tsy nahafehy ny valiny rehefa tonga ny mpianatr'i Beihang miisa dimy hafa izay niampanga an'i Chen ho nanao fitondran-tena tsy mendrika ara-nofo nitovy tamin'izany.

Nandritra ny fanadihadiana, nanapa-kevitra ny hanala an'i Chen ny Oniversiten'i Beihang, izay filoha lefitry ny fandaharam-pianaran'ny oniversite tamin'izany fotoana izany. Nanaisotra an'i Chen ho tsy akademika intsony amin'ny  maha-“Mpikaroka azy ao amin'ny Renirano Yangtze” ihany koa ny Minisiteran'ny Fampianarana .

Navoaka sy niadian-kevitra betsaka tao amin'ny sehatry ny media sosialy Shinoa Weibo ilay fanapahan-kevitra.

Naneho hevitra tamin'ny iray tamin'ireo resaka tao amin'ny Weibo momba ity hetsika fifampifehezana ity ny mpianatra iray tao Beihang, ary nanamarika fa efa ela no niandrasana izany:

作为北航的学生,我只能说学校的反应之慢令人不满,这事情早就有人举报过,然后在知乎上删帖,然后威胁受害人,总归给压下去了,离我们不到1km的北电事件也没有了消息,这社会越来越让人失望,政府的不作为,让越来越多的优秀学子开始离开这个国家,长此以往,这个国家还有希望吗?

Ny hany azoko ambara amin'ny maha-mpianatra ahy tao Beihang dia hoe indrisy fa tara loatra tamin'ny fihetsehana manoloana ny fitondran-tena vetaveta ny sekoly. Efa nisy nitatitra ny raharaha teo aloha. Nambara tao amin'ny Zhifu (sehatra antserasera iray ) izany, saingy nofafana ilay lahatsoratra ary norahonana ilay niharam-boina. Nolavina ilay fitarainana. Nisy [herisetra ara-nofo] nitovy tamin'izany nitranga tao amin'ny Beijing Posts sy ny Oniversiten'ny Fifandraisan-davitra, izay 1km miala ny Beihang. Tsy nisy ny fanaraha-maso. Diso fanantenana tamin'ny tsy fandraisan'ny governemanta andraikitra ny vahoaka. Mihamaro hatrany ny sangany no nandao ny firenena. Mbola misy ve ny fanantenana amin'ny hoavy eto amin'ity firenena ity?

Nihevitra ny vokatra ho fandresena kely ireo mpikatroka feminista ary nampitandrina fa manjaka ny herisetra ara-nofo any amin'ny Oniversiten'i Shina, ary tsy mbola manana politika mivaingana hiatrehana ny olana ireo oniversite.

Wei Tingting, mpikatroka feminista iray izay nosamborin'ny mpitandro filaminana noho ny fikarakarana ny hetsika manohitra ny herisetra ara-nofo tamin'ny Andron'ny Vehivavy 8 Martsa tamin'ny taona 2015, dia nanao fanadihadiana nanerana ny firenena [4] mikasika ny herisetra ara-nofo tany amin'ny Oniversite tamin'ny volana Septambra 2017. Tao anatin'ireo nohadihadiana miisa 6.592, efa ho 70 isanjato  no niharan'ny endrika isakarazany amin'ny herisetra ara-nofo.

Maro no nihombon-kevitra fa ny fitondran-tena tsy mendrika ara-nofo nataon'i Chen Xiaowu dia mbola vao ny tendron'ny vongan-dranomandry hita ivelany ihany:

当客厅里有一只蟑螂的时候,墙角早就一堆了

Rehefa mahita kalalao iray eo afovoan'ny efitrano fandraisam-bahiny ianao, dia matetika midika izany fa feno azy ireny any an-joron-trano rehetra any

对中国的敎育行业感到无比担忧,从幼儿园到大学,就没有给孩子一个安全的环境。除了压就是洗白。

Tena ratsy ny sehatry ny fanabeazana ao Shina – hatrany amin'ny sekolin'ny zaza bitika indrindra ka hatrany amin'ny oniversite, tsy azo antoka ny zavatra iainana. Ary valiana amin'ny famoretana na amin'ny hetsika fanadiovana ny olana.

Nilaza ny olona sasany fa taratry ny fanararaotam-pahefana mahazatra eo amin'ny fiarahamonina izany. Nanoratra ny mpisera iray:

在“色欲”的社会里谁能把持住?特别是有着公权势的人,利用权势(职权利害)把多少女性抱上了床、搂进了怀?有的是投怀送李,有的是身不由己,但都是为了生计。

Ao amin'ny fiarahamonina iray tarihin'ny “faniriana sy hetaheta”, ahoana moa no ahafahan'ny olona mamehy tena amin'ny fakam-panahy toy izany? Indrindra ho an'ireo izay mitazona andraikitra ambony, mampiasa ny toerany izy ireo mba hisarihana vehivavy. Manaiky ny vehivavy na an-tsitrapo io na tsia noho ny antom-piveloman'izy ireo .

Mba hamahana ny olana eo amin'ny fanararaotam-pahefana, nanao antso avo ho an'ny manampahefana ao amin'ny sekoly ny mpianatra, ny maintimolaly ary ny mpampianatra avy amin'ny oniversite maro, anisan'izany ny Oniversiten'i Beijing, ny Oniversite Fudan sy ny Oniversite Wuhan mba hanao ny asa fanaraha-maso sy hametraka ny fepetra famaizana mba hisorohana ny herisetra ara-nofo ao an-tsekoly.

Ankoatra izany, mpampianatra maherin'ny 50 avy amin'ny oniversite manerana ny firenena no nanao sonia ny fanambarana [5] tamin'ny 19 Janoary izay mitaky ny Minisiteran'ny Fampianarana mba hamaha ny olana momba ny herisetra ara-nofo amin'ny politika mivaingana any an-tsekoly sy oniversite. Nanolo-kevitra  ireo mpampianatra fa tokony henjehin'ny fitsarana ny meloka. Nilaza ihany koa izy ireo fa hitatitra momba ny herisetra ara-nofo sy hiaro ireo niharam-boina.

Na izany aza, nisy ny antso natao matetika nitovy tamin'izany tato anatin'ny taona vitsivitsy ho fametrahana ny politikan'ny herisetra ara-nofo ao amin'ny sekoly kanefa tsy mbola nisy ny politika mivaingana natsangana hatramin'izao .

Nanararaotra ity fotoana ity ny feminista toa an'i Wei Tingting mba hanosehana ny faneren'ny vahoaka bebe kokoa:

在你们看到的“罗茜茜”以外,还有另一个和很多个“罗茜茜”……这个罗茜茜用了12年,其她的罗茜茜我们看不见。
有人说这是中国高校版的Me Too,我要说的是,Me Too并不够,而是要Everyone In
不是只有受害的当事人站出来说:Me Too 还要更多其他的人(包括女人和男人)拿出行动来说:I’m in
Me Too 只解决了”说出来“的部分,说出来之后要做什么,需要更多人的I’m In

Vao tranga tokana monja ny an'i Luo Qianqian , mbola maro ny “Luo Qianqians” … roa ambin'ny folo taona taty aoriana vao [nilaza ny tantarany] ity Luo Qianqian ity, raha mbola tsy hita kosa ireo Luo Qianqians hafa.
Nilaza ny sasany fa io no hetsik'i Shina amin'ny hetsika Me Too (Izaho Koa). Tiako ny manamafy  fa tsy ampy ny fanentanana Me Too, mila ny tsirairay isika.
Tsy ireo niharam-pahavoazana ihany no tokony hijoro sy hilaza ny tantarany Me Too, fa mila ny hafa (vehivavy sy lehilahy) isika mba hihetsika ary hiteny hoe “Ao anatiny aho” .
Miresaka ny ampahany amin'ny tantara ihany ny Me Too. Rehefa vita ny fitantarana ireo tantara, dia mila “ao anatiny aho” bebe kokoa isika mba hanarahana ny hetsika.

Nanao fanentanana fanohanana ara-bola miaraka amin'ny drafitra i Wei :

1,为调查报告中所有的211高校寄送一份高校调查报告和建议信
2,为这个网络众筹一名协调人的工资
3,招募更多感兴趣的同道人

1. Alefaso ny dika mitovy amin'ny tatitra fanadihadiana sy ny soso-kevitra politika ho an'ireo Oniversite miisa 211 izay nandray anjara tamin'ilay fitsapan-kevitra.
2. Tohano ny karama ho an'ny mpandrindra izay mitantana ny tambajotra [nasionaly manohitra ny herisetra ara-nofo].
3. Mampidira olona maromaro ao anaty tambajotra.

Mandritra izany fotoana izany, misy ny sasany manahy fa mety mbola hiatrika andiana famoretana hafa antserasera ny hetsika #MeToo amin'izao fotoana izao any Shina. Tamin'ny taona 2015, mpikatroka feminista miisa dimy no nosamborina [6] noho ny fanoherany ny herisetra ara-nofo talohan'ny Andron'ny Vehivavy tamin'ny 8 Martsa.

Araka ny tatitra [7] nataon'ny New York Times, ankoatra ny fanivanana ny antso ataon'ny vahoaka amin'ny fangatahana ny politikan'ny fanorisorenana ara-nofo any an-tsekoly, dia nampitandrina ny mpikatroka ny manampahefana fa mety ho heverina ho firaisana tsikombakomba amin'ny fahefana vahiny ary mamadika ny firenena ny hetsika ataon'izy ireo. Vonona ny hiatrika ny sivana bebe kokoa ny feminista sy ny mpiaradia amin'ny hetsika ao Shina raha akaiky ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy.