Nogadraina Ireo Mpanao Gazetin'ny Reuters Nitantara Momba Ny Ady Rohingya Ao Myanmar Noho Ny ‘Fahazoam-baovao Tsy Ara-dalàna’

Mpanao gazety manao hetsi-panoherana eo anoloan'ny Foiben'ny Fandriampahalemana ao Myanmar. Sary avy amin'i Kyaw Zaw Win, Kyaw Lwin Oo. Avy amin'ny pejy Facebook-n'ny RFA Birmana, nahazoana alalana.

Mpanao gazety roa ao amin'ny Reuters, Wa Lone sy Kyaw Soe Oo, no voampanga ho nanitsakitsaka ny Lalànan'ny Tsiambaratelo Ofisialy ao Myanmar noho ny fihazonana antontan-taratasy miaramila momba ny ady Rohingya.

Nanjavona tamin'ny 12 desambra 2017 izy roa. Roa herinandro taty aoriana, nanambara ny manampahefana ao Myanmar fa nisambotra sy nanagadra ireo mpanao gazety izy ireo, nilaza fa “nahazo vaovao tamin'ny fomba tsy ara-dalàna sy nikasa hizara izany tamin'ny haino aman-jery vahiny izy ireo.”

Nilaza ny polisy fa nahazo antontan-taratasy miaramila ahitana vaovao mirakitra ny “isan'ny mpitandro ny filaminana sy ny habetsaky ny fitaovam-piadiana nampiasaina tamin'ny onjam-panafihana tamin'ny faran'ny volana Aogositra” tao amin'ny fanjakana Rakhine ireo mpanao gazety.

Nitarika ny famindrana ireo Miozolomana Rohingya maherin'ny 600.000 ny fifandirana tao Rakhine. Maro ireo nandositra tany akaikin'i Bangladesh, nitady fiarovana tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Rohingya. Tsy mankasitraka ny vahoaka Rohingya teratany Myanmar ho olom-pirenena ny governemantan'i Myanmar, tahaka ny ataony amin'ireo foko vitsy an'isa hafa ao amin'ny firenena.

Ankoatra ireo mpitsoa-ponenana, nitaky sy nanery ny governemantan'i Myanmar ireo governemanta vahiny maro sy ny ifikambanana iraisam-pirenena (anisan'izany ny Komity Ambony ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoam-ponenana) mba hanakana ireo nasionalista Bodhista mahery fihetsika tsy hanafika ireo tanàna Rohingya sy mba hiantoka ny fiarovana ny Rohingyas izay nandositra ny firenena.

Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny ‘Fiarovana Ny Komitin'ny Mpanao Gazety’ – Myanmar

Ho an'ny governemantan'i Myanmar, nanome tsiny ny vondrona mitam-piadiana mpanohana ny Rohingya Tafi-panavotana Arakan Rohingya ho mihantsy fifandirana ao Rakhine izy.

Taorian'ny fitomboan'ny fifandonana tamin'ny volana Aogositra 2017, nametraka  fanaraha-maso hentitra amin'ny fivezivezen'ny vaovao momba ny zava-mitranga tao Rakhine ny governemanta. Nomena fitsidihana voafetra ao amin'ireo tanàna voakasika ny mpanao gazety sasany. Nanakana an'i Yanghee Lee, iraka manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona ao Myanmar tsy hanatanteraka ny asa nampanirahana azy ka nanakana azy tsy hiditra ao amin'ny firenena mihitsy aza ny manampahefana ao an-toerana.

Tamin'ny tatitra ofisialy, hoy i Lee:

By not giving me access to Myanmar and by refusing to cooperate with the mandate, my task is made that much more difficult, but I will continue to obtain first-hand accounts from victims and witnesses of human rights violations by all means possible, including by visiting neighbouring countries where some have fled.

Amin'ny fanakanana ahy tsy hiditra ao Myanmar sy amin'ny fandàvana hiara-hiasa amin'ny iraka nampanaovina ahy, lasa sarotra kokoa ny asako, saingy mbola hanohy hahazo fitantarana voalohany avy amin'ireo niharam-boina sy ireo vavolombelona amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona amin'ny fomba rehetra azoko atao aho, anisan'izany ny fitsidihana ireo firenena mpifanolo-bodirindrina izay nandosiran'ny sasany.

Tao anatin'ity toe-java-tsarotra ara-politika sy atahorana ity no nahitana ireo mpanao gazetin'ny Reuters roa nanao fanadihadiana momba ny fasana tambabe hita tao amin'ny faritra atsimon'ny tanànan'i Maungdaw.

Lazain'ny manampahefana fa fanitsakitsahana ny Lalànan'ny Tsiambaratelo Ofisialy tamin'ny vanim-potoana fanjanahantany Britanika ny fikaroham-baovaon'izy ireo momba ny vono olona faobe, izay nitranga tao an-tanànan'i Inn Din. Hiatrika sazy an-tranomaizina 14 taona ry zareo raha toa ka melohin'ny fitsarana.

Ity ny mpiara-miasa amiko ao amin'ny Reuters, Kyaw Soe Oo, mifatotra gadravy, manao veloma amin'ny zanany vavy 3 taona teo ivelan'ny fitsarana Yangon omaly. Lehilahy mahery fo sy mendrika izy sy Wa Lone (ankavanana) izay mety hiatrika sazy 14 taona an-tranomaizina noho ny fanaovana ny asan'izy ireo fotsiny. Vakio sy zarao azafady:

Nomelohin'ireo vondrona isan-karazany avy hatrany ho toy ny marika hafa amin'ny famerana henjana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Myanmar ny vaovao fisamborana azy.

Notsikerain'ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Mpanao Gazety ny fampiasana lalàna tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany mba hamelezana mpanao gazety:

…placing press freedom back to colonial times and charging journalists with laws dating back to 1923 are actions of an undemocratic state.

…Hetsiky ny firenena tsy demaokratika ny fametrahana ny fahalalahan-gazety miverina any amin'ny fotoanan'ny fanjanahantany sy miampanga mpanao gazety amin'ny lalàna efa tamin'ny taona 1923.

Mampahonena ny Ivontoerana Iraisampirenen'ny Fanaovan-gazety ny fivadihan'ny fanavaozana demaokratika ao amin'ny firenena izay noheverina fa efa resy tamin'ny taona 2015 ny lalàna miaramila:

If Myanmar is serious about democratic reforms, it must accept the right of journalists to work freely and report on topics that make those in power uncomfortable.

Raha matoky ny fanavaozana demaokratika i Myanmar, dia tsy maintsy manaiky ny zon'ny mpanao gazety hiasa malalaka sy hitatitra momba ireo lohahevitra izay tsy mampahazo aina an'ireo ao amin'ny fahefana.

Niampanga ny antokon'ny fitondrana, ny Ligy Nasionalin'ny Demaokrasia (NLD), noho ny tsy fahombiazan'ny amin'ny fanamifasana ny zo haneho hevitra ny vondrona mpiaro ny fahalalaham-pitenenana Article 19 na dia eo aza ny zava-misy fa nampiasaina tamin'ireo hery mpitariky ny hetsika demaokrasia nandritra ny didy jadona miaramila:

NLD government has demonstrated an alarming disregard for the freedom of expression and fostered a chilling environment for independent media throughout the country.

Nampiseho tsy firaharahiana mampiahiahy amin'ny fahalalaham-pitenenana ny governemantan'ny NLD ary nampisy tontolo atahorana ho an'ny haino aman-jery tsy miankina manerana ny firenena.

Ny Firaisan'ny Gazety Atsimo-Atsinanana Aziatika kosa nandrisika ny governemanta tarihin'ny NLD mba ho mangarahara kokoa:

Instead of guaranteeing the people’s right to know and the journalists’ safety, the authorities have not been transparent in their decision-making and have further restricted journalists’ access since the conflict escalated in late August.

Raha tokony hiantoka ny zon'ny vahoaka hahafantatra sy ny fiarovana ny mpanao gazety, tsy mangarahara amin'ny fanapahan-kevitra raisiny ny manampahefana ary mbola nametra kokoa ny fidiran'ny mpanao gazety amin'ny loharanom-baovao hatramin'ny nitomboan'ny ady tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taona lasa

Nitatitra ny Reuters fa nisy ireo mpiserasera Myanmar sasany niampanga ireo mpanao gazety nogadraina ho “nivarotra ny firenena” tamin'ny vahiny, ka miasa ho mpamadika. Saingy nilaza ihany koa ny tatitra fa mampiasa media sosialy ireo namana sy mpanohana an'i Wa Lone sy Kyaw Soe Oo mba handà ireo filazana ireo, no sady miangavy fanampiana sy asa an-tsitrapo ho an'izy roalahy.

Ankoatra ny Lalànan'ny Tsiambaratelo Ofisialy, manasongadina ny tokony hanovàna ireo lalàna hafa nampiasaina hanakanana ny fahalalam-pitenenana ity tranga ity, ka anisan'izany ny Lalànan'ny Fikambanana Tsy Ara-dalàna sy ny Andininy faha-66(d), fantatra koa amin'ny hoe lalànan'ny fanalam-baraka. Nolaniana nandritra ny fitondrana miaramila teo aloha ireo lalàna roa ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.