Tantara tamin'ny 02 Febroary 2018
10 Taonan'ny Bilaogy: Misy Lanjany Amin'ny Haino Aman-jery Nentim-paharazana Ve Ny Bilaogy?
Raha namaky fanehoan-kevitra momba ny tsingerintaona faha-10 ny bilaogy (anisan'izany ireo navoaka tao amin'ny El País [ES] ao Espaina sy ny Infobae [ES] ao Arzantina), nieritreritra momba ny lahatsoratra navoakan'ny El Comercio ao Ekoadaoro aho.
Tonga Hatrany Amin'ny Oniversiten'i Shina Ny #MeToo ( Izaho Ihany Koa) Na Dia Teo Aza Ny Ezaky Ny Mpanivana Ny Aterineto

Taorian'ny volana maromaro nisian'ny sivana, nanery ny fifanakalozan-kevitra hisokatra ny fitantaran'ny mpianatra iray niparitaka be momba ny fanerana ara-nofo nataon'ny mpampianatry ny oniversite fanta-daza iray.
Jorge Jurado Mi-Rap Momba Ny Median'Olon-tsotra
Iray amin'ireo tanora 20 eo ho eo ao amin'ny vondrom-piarahamonina sarangan'ny mpiasa ao amin'ny manodidina an'i San Javier La Loma izay mandrafitra ny vondrona median'olon-tsotra "ConVerGentes" i Jorge. Mpandravaka sady mpanakanto hip-hop izy, namokatra lahatsary fanadihadiana fohy momba ny kolontsaina graffiti ao Loma sady mibilaogy ny La Voz del Silencio.
Nogadraina Ireo Mpanao Gazetin'ny Reuters Nitantara Momba Ny Ady Rohingya Ao Myanmar Noho Ny ‘Fahazoam-baovao Tsy Ara-dalàna’

"Raha matoky ny fanavaozana demaokratika i Myanmar, dia tsy maintsy manaiky ny zon'ny mpanao gazety hiasa malalaka sy hitatitra momba ireo lohahevitra izay tsy mampahazo aina an'ireo ao amin'ny fahefana."
Venezoela: Samuel Villegas Sy Ny Bokiny Farany
Samuel Villegas, Venezoelana mpanoratra noderaina, nalevina taorian'ny taona maro nakàny aina noho ny tsy fahasalamana. Andro vitsivitsy nialohan'ny nahalasanany, nomem-boninahitra farany izy ary namoaka ny bokiny farany indrindra, Muros del Sol (The Sun's Walls) tao amin'ny hopitaly niaraka tamin'ireo namany, izay nanao fikarakarana tsotra, saingy tena nampihetsi-po. Ireo blaogera Venezoelana ihany koa no manoratra mikasika ny asan'i Villegas ary manontany tena momba izay antony tsy nahitàna vaovao maro mikasika azy tety anaty tambajotra.