- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Siria: 25 No Maty Tao Amin'ny Fonjan'i Sednaya

Sokajy: Syria, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vonjy Voina, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2008)

Nanambara ny Syrian Human Rights Committee (SHRC) (Komity Syriana Misahana ny zon'olombelona) fa ny nisy fandripahana olona tamin'ny 5 jolay 2008 tao amin'ny fonja miaramilan'i Sadnaya, ao andrefan'i Damas. Fara-fahakeliny, gadra 25 no novonoin'ny mpitandro filaminana araka ny voalazan'ny SHREC, izay naharay ireo antso tamin'ny finday avy ao anatin'ny fonja nandritra ilay fandripahana. Tamin'ny 7 ora maraina nikomy [1] hanohitra ireo fepetra tsy mendrika amin'ny famonjana azy ireo gadra. Nanohitra an'ireo gadra tsy mitam-piadiana, tamin'ny alalan'ny tifitra, ny tafika siriana, niteraka ny fahabetsahan'ireo maty sy ireo naratra.

Namoaka ny fanambaràn [2]‘ireo tomponandraikitra ny Masoivohom-baovao siriana SANA [3], milaza fa “efa miverina ny filaminana” taorian'ireo “fandripahana” nataon'ireo “mpampihorohoro” sy ireo “mpanao an-tendrony”.

Les blogueurs syriens ainsi que la diaspora ont réagi à cette tragédie.  Ahmad [4] (Arabe), qui blogue en Syrie, publie une liste de quelques noms de détenus syriens tués par la police syrienne :    ………….Nihetsika manoloana an'io loza io ireo siriana blaogera sy ny zanaka ampielezana. Ahmad [4] (Arabo), izay manoratra blaogy ao Siria, namoaka lisitra iray misy ny anaran'ireo voafonja siriana novonoin'ny mpitandro filaminana siriana.

1- Zakariya Affash.

2- Mohammad Majawish.

3- Abdelbaqi Khattab.

4- Ahmad Shalaq.

5- Khaled Bilal.

6- Moayad Al Ali.

7- Muhannad Al Omar.

8- Khodar Alloush.

9- Mahmud Abu Rashed.

Manamafy amin'ireo mpamaky i Ahmad fa tsy nitam-piadiana ireo voafonja tamin'izy ireo naka ny fifehezana ny fonja, ary nitolo-bàtana izy ireo rehefa avy nitady marimaritra iraisana tamin'ny tafika siriana. Mamaly koa izy mikasika ireo tabataba miely, izay milaza fa homena alàlana ireo fianakaviany hitsidika ireo havany ao amin'ny fonja. Araka ny voalazan'i Ahmad, tsy voamarina io hatreto.

Tetsy andaniny, nandà i Ahmad mikasika ny vaovao nalefa tamin'ireo tranonkala fiarovana ny zon'olombelona, izay nametraka ilay fikomiana faharoa tao amin'ireo fonja siriana ho misy antony ara-politika:

الهدف منها تحسين الخدمات و الحد من الاكظاظ المفرط ، و تقليل جولات التعذيب الذي يعاني منه السجناء الإسلاميون بكثرة كما يُشاع في الفترة الأخيرة. بالمناسبة : المدوّن السوري طارق بياسي معتقل في هذا السجن ، سجن صيدنايا ، نسأل الله أن يحميه و يحفظه.“

Fangatahana fanatsarana an'ireo fepetra tokony hiainana, ireo trano famonjana feno loatra, ary ny fanoherana ireo karazana fampijaliana izay miantraika amin'ireo “silamo” voafonja, fotsiny no nitranga tao … Noho io, nigadra tao amin'ny fonjan'i Sednaya ny blaogera siriana  Tariq Baiasi [5]. Mangataka amin'Andriamanitra izahay mba hiaro azy.”.

Blaogera iray hafa, Gottfried Stutz [6] [amin'ny fiteny anglisy] mangataka amin'ny fitondrana siriana mba hampitsahatra ny fitifirana an'ireo voafonja tsy mitam-piadiana ary mangataka ny fanafahana an'ireo gadra politika rehetra.

“Tsy aleo ve ny fitondrana siriana manao ny asany amin'ny fandefasana vaovao ho an'ny vahoaka mikasika io fonja io, mba mampitsahatra ireo famonoana ireo, mba miantoka ireo raharaham-pitsarana tsy mitanila sy mba hamoaka ireo gadra ara-politika sy ara-kevitra, toy izay mandefa ny filoham-pirenena sy ny ministra hitanina andro eo amin'ny Kianjan'i Concorde miaraka amin'i Nicolas Sarkozy ny 14 jolay.”

Blaogera siriana iray hafa, Disaffection [7] [amin'ny fiteny anglisy] izay vao avy nampidirina tao amin'ilay fanomndronana blaogy siriana Syria Planet [8], dia nanokana ny tsikerany voalohany ho amin'ilay fandripahana: “Ny vy tsy mikitrana irery” Manazava izy:

“Tsy maintsy nisy nanaitra io tranga io, nibolisatra, ary noho ny tsy fahaizany, tsy voafehin'ireo mpiambina intsony ny toedraharaha. Tsy maintsy nantsoina ireo mpanampy rehetra mba hampiverenana an'io fanarahamaso io na ho toy inona na ho toy inona ano sandany. Ny sanda mahazatra.”

Fehezinay miaraka amin'ilay siriana blaogera vaovao, izay miblaogy tsy mitonona anarana, Jabz [9]. ity fitetezana blaogy ity. Manome tsiny ny fitondrana izy noho ireo “tsy fahombiazany” tsy misy fitsaharana:

“Zavatra mampihoron-koditra ireo, henatra ho an'ny governemanta. Tsy vao voalohany izao ny governemanta no tsy nahomby tamin'ny zavatra izay nokasainy hatao, tamin'ity taona ity. Tamin'ny fiandohan'ny taona, efa nisy sahady ireo fifandonana teo amin'ireo sekta roa “Hama [10]“.

Tsy maintsy ampahatsiahivina fa efa indroa izao fara-fahakeliny tao anatin'ny roa volana no nikomy mba hanohitra ireo fepetra mampihoron-koditra mikasika ny famonjana azy ireo gadra ao amin'ny fonjan'i Sednaya.

Miangavy ny filoham-pirenena siriana ny fianakavian'ireo gadra mba hanatsahatra io fombam-biby tsy fampiasa amin'ireo olona tsy mitam-piadiana io ary te-hahalala izay nanjo ireo havany.

Manamarika ny tsingerintaona faha-27 ny vonomoka tao amin'ny fonjan'i Tadmur (Palmyre), ity famonoana faharoa ity (tsindrio eto  [11] mba ho fanampim-baovao).

Mba handry ampiadanana anie izy ireo.

Navoakan'i Razan Ghazzawi [12]