Fantaro Ilay Toniandahatsoratra : Veronica Khokhlova

(Nivoaka tamin'ny 27 Oktobra 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toniandahatsoratra tato amin'ny Global Voices Eoropa Afovoany sy Atsinanana i Veronica Khokhlova  nanomboka tamin'ny volana Janoary 2006 rehefa namoaka ny lahatsoratra voalohany mitondra ny lohateny hoe ” Fampidirana ny Tontolon'ny Bilaogy Okrainiana “ izy. Nizara ny fotoanany tao Kiev, Moskoa, ary Istanbul izy. Mampatsiahy ny fotoana nianarany tany Etazonia izy ato anatin'ity lahatsary ity izy ary manoritsoritra ny fomba nanombohany namahana bilaogy nandritra ilay antsoina hoe Revolisioana Laoranjy tao Okraina, ary namerina nijery ny sasany tamin'ireo lahatsoratra tena nankafiziny indrindra tato amin'ny Global Voices nandritra ny taona maro. Afaka manampy anay amin'ny fandikantenin'ny lahatsary amin'ny fiteny hafa ianao ao amin'ny dotSUB .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.