- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro Ilay Mpanoratra : Marietta Le

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Hongria, Hevitra, Mediam-bahoaka

(Tamin'ny 15 Oktobra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

http://blip.tv/play/hMYcgaeoagA

Araka ny nohazavainy tao amin'ilay lahatsary etsy ambony, nanatevin-daharana ny Global Voices i Marietta [1] rehefa avy nanatrika ny Vovonana Global Voices 2008 tany Budapest [2] raha nanangom-baovao momba ilay hetsika izy amin'ny maha mpanao gazety azy ho an'ny gazety iray ao an-toerana. Raha milaza ny tenany ho mpankafy ny teknolojia, tian'i Marietta ny fomba fampiasan'ny Global Voices ny teknolojia mba handrisihana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa izay tsy mifandray matetika. Miresaka momba ny hetsi-panoherana manohitra ny Mpiambina Hongroa [3] , ny paradin'ny pelaka tao Budapest [4] , ny lalàna mandrara ny fivoahana amin'ny alina aorian'ny amin'ny 10 ora alina ao amin'ny distrikan'i Budapest VI [5] , ary ny fifandonana teo amin'ny mpitaingina bisikileta sy ny mpamily nandritra ny hetsika Critical Mass [6] ny lahatsorany momba ny tontolon'ny bilaogy Hongroa.