Fantaro Ilay Mpanoratra : Marietta Le

(Tamin'ny 15 Oktobra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

http://blip.tv/play/hMYcgaeoagA

Araka ny nohazavainy tao amin'ilay lahatsary etsy ambony, nanatevin-daharana ny Global Voices i Marietta rehefa avy nanatrika ny Vovonana Global Voices 2008 tany Budapest raha nanangom-baovao momba ilay hetsika izy amin'ny maha mpanao gazety azy ho an'ny gazety iray ao an-toerana. Raha milaza ny tenany ho mpankafy ny teknolojia, tian'i Marietta ny fomba fampiasan'ny Global Voices ny teknolojia mba handrisihana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa izay tsy mifandray matetika. Miresaka momba ny hetsi-panoherana manohitra ny Mpiambina Hongroa , ny paradin'ny pelaka tao Budapest , ny lalàna mandrara ny fivoahana amin'ny alina aorian'ny amin'ny 10 ora alina ao amin'ny distrikan'i Budapest VI , ary ny fifandonana teo amin'ny mpitaingina bisikileta sy ny mpamily nandritra ny hetsika Critical Mass ny lahatsorany momba ny tontolon'ny bilaogy Hongroa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.