Moa Ve Mampiseho Ny Vahiny Iray Mampiasa Herisetra Amin'ireo Mpiasan'ny Hopitaly Frantsay Ity Lahatsary Ity? Tsia

Mifototra amin'ny asa fanamarinana tarihin'ny fiaraha-miasan'ny efitra famoaham-baovao any Frantsa sy ny Fanjakana Britanika amin'ny alalan'ny CrossCheck (teny Frantsay| teny anglisy) ity lahatsoratra ity, fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa mba hiadiana amin'ny vaovao faikany an-tserasera, ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

Mampiseho ny lehilahy iray mampiasa herisetra amin'ny mpiasan'ny hopitaly roa ny lahatsary iray nozaraina in-113.000 tao amin'ny pejy Facebook “SOS manohitra ny fanavakavaham-bolokoditry ny fotsy hoditra ” . “Mikarakaraka azy ireo izahay, ary izany no fomba isaoran'izy ireo anay,” hoy ny fanamarihan'ilay mpanoratra ny lahatsoratra, tsy nisy filazana tamin'ny antsipiriany ny toerana sy ny fotoana nitrangan'ny tantara anefa . Na izany aza, amin'ny teny Rosiana ilay horonantsary, ary, tamin'ny alàlan'ny fikarohana ny sary teo aloha tao amin'ny fandrafetana fototra ny lahatsary no nahafahan'ny CrossCheck namantatra fa tao an-tanàndehibe Rosiana ao Novgorod no nitranga ny tantara.

Ao amin'ireo fanehoan-kevitra eto ambanin'ny lahatsary, maro ireo manontany ny maha-azo antoka sy ny niandohan'ilay lahatsary. Araka ny tranonkala Metronews, nitranga tao Novgorod, any avaratra andrefan'i Rosia ny tantara tamin'ny 23 Febroary 2017. Ny faha 23-n'ny volana  Febroary no “Andron'ny Mpiaro ny Tanindrazana” any Rosia izay matetika marihina amin'ny trangana herisetra. Toa tao anatin'ny fahamamoana tanteraka ny lehilahy tompon'andraikitra tamin'io fanafihana io. Nodarohany aloha ny mpiambina, araka ny hita ao amin'ny santionan'ny lahatsary nalefa antserasera tao amin'ny lahatsoratra Metronews. Nanohy izany izy ary nidaroka ny infirmiera iray sy ny infirmiera mpanampy izay nikasa ny hanakana azy. Voatery nampidirina hopitaly ireo vehivavy roa ireo ary tonga nisambotra ilay lehilahy tao amin'ny hopitaly ny polisy. Voampanga ho “nampiasa herisetra ” sy “nampiasa herisetra tamin'ny manampahefana” izy noho izany.

Nozaraina imbetsaka tao amin'ny Twitter ihany koa ny lahatsary.

“Eritreretra ho an'ny mpiasan'ny hôpitaly rehetra, izay tsy maintsy miaritra ireo adala rehetra eto ambonin'ny tany, tonga handray ny fikarakarana ara-pahasalamana maimaim-poana”

Azonao atao ny mamaky momba ny famolavolana hafa sy ny fifidianana frantsay ato .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.