#NyRarinyHoan'IAsifa: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Tovovavy Iray Ny Mponina Tao Jammu Sy Kashmir Saingy Tsy Toy Izany Kosa Ny Fampitam-baovao Nasionaly

Mivaky toy izao ny soratra eo amin'ny afisy : “Delhi … Matahotra ny hivoaka ny tranony ny vehivavy eto. Iza no tompon'andraikitra amin'izany fahatahorana mafy izany? “Sary avy amin'i Francois Decaillet tao amin'ny  Flickr. CC BY-NC-ND

Raha mbola mitolona amin'ny fitsarana momba ilay tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ilay zazavavy kely fito taona Zainab Ansari i Pakistana dia efa nisy sahady ny famonoana tamin'ny fomba habibiana iray hafa tany amin'ny sisintany, any amin'ny fanjakana Indiana avaratra any Jammu sy Kashmir izay nahatohina ny mponina tao an-toerana.

Tamin'ny 17 Janoary, hita tao anaty ala iray tany amin'ny faritra Hiranagar, any Jammu sy Kashmir, any amin'ny distrikan'i Kathua ny vatana mangatsiakan'ilay zaza valo taona Asifa Bano novonoina. Nilaza ny tati-baovao tao amin'ny gazety tao an-toerana tao Kashmir fa toa niharan'ny fanolanana sy nampijaliana i Asifa talohan'ny namonoana azy, ary nisy marika vono nataon'olombelona teo amin'ny vatany.

Tsy hita nandritra ny herinandro i Asifa Bano talohan'ny nahitana ny vatana mangatsiaka. Nilaza tamin'ny fampitam-baovao tao an-toerana ny fianakaviany fa nitatitra avy hatrany ny vaovao izy ireo rehefa tsy hita izy ,kanefa nilona loatra ny fanadihadiana nataon'ny polisy momba ny fanjavonany. Anisan'ny foko mpifindrafindra monina Gujjar-Bakarwal i Asifa sy ny fianakaviany.

Samy nitaky ny fitsarana ny famonoana an'i Asifa tamin'ny fomba habibiana avokoa na ireo manampahefana tao an-toerana na ny olom-pirenena na ny mpanao gazety tao Jammu sy Kashmir ary nampitaha ny zava-misy mitovy  tamin'ny famonoana an'i Zainab Ansari tao Pakistana. Misy ihany koa ny fitakian'ny vahoaka ny rariny ho an'ilay zaza.

Hoy i Shujaat Bhukari, toniandahatsoratry ny Rising Kashmir monina ao Kashmir raha nanoratra hoe:

When one wakes up to know about the horrendous news of kidnapping, rape and killing of 8-year old Asifa Bano in Kathua. This is gruesome beyond words. Sadly this savagery has no boundaries#JusticeforAsifa

Raha misy manontany ilay vaovao mampalahelo mikasika ny fakàna an-keriny, ny fanolanana ary ny famonoana an'i Asifa Bano 8 taona tao Kathua, habibiana tsy hay lazaina izany. Mampalahelo fa tsy misy fetrany ity habibiana ity.

Nisaintsaina momba ilay zava-nitranga sy ny zava-misy eo amin'ny fiarahamonina i Nadir Ali, mponina ao an-toerana:

Soul of Jammu and Kashmir is in revolt.. 8-year-old daughter was raped and killed. Where are we heading??? Are we going backward into the future?? We all should stand together and give justice to Asifa's family.

Mikomy ny fanahin'i Jammu sy Kashmir  .. Naolana sy novonoina ny zanakavavy 8 taona. Ho aiza isika??? Miverina any amin'ny hoavy ve isika?? Mila miara-mijoro isika rehetra ary manome ny rariny ho an'ny fianakavian'i Asifa.

Nanoratra ny mpianatra mpitsabo iray avy ao Kashmir, Mehreen Syed hoe:

Tsy haiko lazaina ny zavatra tsapako amin'izao fotoana izao … heloka bevava feno fankahalana ity nitranga ity ary maniry ireo meloka mba hahazo sazy henjana aho mba tsy hisy olon-kafa ho sahy hieritreritra ny hanao tahaka izany indray koa.

Nanoratra i Guftar Ahmed, mpikatroka ara-tsosialy hoe:

Rehefa mahazo ny rariny i Asifa. Nihazo an'i Kathua hanatontosa hetsi-panoherana maro ao amin'ny Distrika ho an'i Asifa

Saingy eo amin'ny sehatra nasionaly, mahalana ny fihetseham-po tamin'ny zava-nitranga, Indiana maro no tsy naneho hevitra na nanao hetsi-panoherana manohitra ilay famonoana mahatsiravina. Tsy nisy ny diabe niaraka tamin'ny labozia na ny fanangonan-tsonia hitakiana rariny nitranga tamin'ireo famonoana hafa tsy misy dikany .

Tsy mbola nitatitra momba ilay tranga ny tambajotram-baovao goavana toy ny Zee News, Times Now ary Republic, izay fantatra amin'ny fanohanany ny governemanta. Loharanon'ny adihevitra mafana indrindra miaraka amin'ny tenirohy malaza sy ny famoaham-baovao lava matetika ny tantara toy izany, indrindra moa fa rehefa mitranga any amin'ny faritra an-drenivohitra izany. Saingy tamin'ity tranga iray ity dia tsy nahitana teny firy ny firenena raha avy any amin'ny faritra lavitra any Jammu sy Kashmir ilay niharam-boina sady avy amin'ny vondrom-piarahamonina vitsy an'isa.

Nanakiana ireo gazety fampitam-baovao tao an-toerana izay tsy nahavita nitatitra ilay raharaha ny mpanao gazety Majid Hyderi tao amin'ny Facebook:

A local newspaper, which doesn’t report about the gruesome rape-and-murder of an eight-year-old-girl on its front page, can be appreciated as nothing but Pimp-Of-Journalism or Dalla-e-Sahafat. The tragedy of Gujjar girl, whose family isn’t resourceful enough to seek justice, gets fudged as a routine murder report on some inner page with no mention of rape.

Ny gazety ao an-toerana izay tsy nitatitra momba ny fanolanana sy ny famonoana mahatsiravina an'ilay zazavavy valo taona tao amin'ny pejy voalohany, dia tsy inona fa Gazety tsy misy ilàna azy na Dalla-e-Sahafat. Natao toy ny tatitra famonoana olona mahazatra ao amin'ny pejy anatiny sady tsy misy filazana momba ny fanolanana ny voina nitranga tamin'ilay zazavavy Gujjar, izay tsy mba manana fianakaviana mahitahita loatra mba hitadiavana ny rariny.

Mbola nanao fanamarihana manandanja indray i Hyderi momba ilay vono olona sy fanolanana mahatsiravina:

We all are silent because it wasn’t our daughter or sister or maybe she wasn’t from our community or tribe; she didn’t belong to the circle of influence that could awaken our souls.

Let’s not communalize the spine-shivering tragedy as being the case of a Hindu, Muslim, Sikh or Christians; Unless we humans wake up against such crimes as one voice regardless of religious or other beliefs, someone’s daughter will continue to fell prey.

As of now, let our heads hang in collective shame. Sorry, Asifa we did nothing for you because your rape and murder don’t serve our interests!

Mangina isika rehetra satria tsy zanatsika vavy na anabavintsika izany na angamba tsy avy amin'ny vondrom-piarahamonina na ny foko misy antsika izy; Tsy ao anatin'ny tontolo mampifoha ny fanahintsika izy.

Aoka isika tsy hampitovy ny voina mampivarahontsana toy ny zava-mitranga amin'ny Haindò, ny Miozolomana, ny Sikh na ny Kristiana; Raha tsy hoe angaha mijoro manohitra ny heloka bevava toy izany amin'ny feo tokana tsy manavaka fivavahana na finoana hafa isika olombelona, mbola hitohy ny fanaovana lasibatra ny zanakavavin'ny olon-kafa.

Manomboka izao, aoka isika hilanja loha amin'ny henatra iombonana. Miala tsiny, Asifa fa tsy nanao na inona na inona ho anao izahay satria  tsy ao anatin'ny tombontsoanay ny fanolanana sy ny famonoana natao anao!

Tao amin'ny Antenimieran'ny Jammu sy Kashmir, nikarakara fihetsiketsehana diabe manohitra ilay famonoan'olona ny antoko politika mpanohitra, National Conference (NC) raha nanambara kosa ny antokon'ny fitondrana fa hanao fanadihadiana haingana. Nanameloka ilay zava-nitranga ny lehiben'ny minisitra ao Jammu sy Kashmir, Mehbooba Mufti, ary nitaky ny hanaovana fanadihadiana haingana. Ankizilahy iray 15 taona no nosamborin'ny polisy tamin'ny famonoana.

Naha-tohina ny zava-niseho feno habibiana izay nahitana ny tovovavy kely Bakerwal iray namoy ny ainy. Tokony hanaovana fanadihadiana haingana ny voina toy izany ary homelohina ireo meloka.

Ny famonoana vehivavy

Nandritra ny tapa-bolana lasa izay, nanery ny governemanta sy ny fampitam-baovao hifantoka momba ny olana ity tranga ity sy ny famonoan'olona iray hafa , niaraka tamin'ny andianà fanolanana miisa folo tany amin'ny faritra Haryana. Vehivavy an-jatony no niharan'ny herisetra ara-nofo nataon'ny jiolahimboto nandritra ny alin'ny taombaovao taona 2017 izay nitarika hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena.

Tsy zava-baovao ny olan'i India momba ny fanolanana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Nanomboka tamin'ny taona 2001, tranganà heloka bevava atao amin'ny vehivavy miisa 143.795 no notaterina ary nanatri-maso ny fitomboan'ny herisetra isan-taona atao amin'ny vehivavy i India satria dia nahatratra tranga miisa 337.992 izany tamin'ny taona 2014. Ary niha-nitombo hatrany ny tarehimarika nahitana vehivavy sy ankizivavy niha-maro kokoa tonga nitatitra ny tranganà herisetra ara-nofo sy fanolanana.

Mandritra izany, maro no mbola manontany ny antony tsy naha-taitra an'i India momba an'ilay famonoana an'i Asifa tao Jammu sy Kashmir. Nahoana no nisy ny famerana tatitry ny fampitam-baovao an'ity heloka bevava ity? Mbola lavitr'ezaka amin'ny fiarovana ny zo sy ny fiarovana ara-batana ny vahoaka Indiana – indrindra ireo vehivavy sy tovovavy – ny fitsipika sy ny fenitra izay mifehy ny rafitry ny lalàna sy ny fitantanana ao India.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.