- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiseho Ny Herisetra Niseho Tao Frantsa Ve Ity Sarintany Ity? Tsia

Sokajy: Mediam-bahoaka, NewsFrames

Mifototra amin'ny asa fanamarinana tarihin'ny fiaraha-miasan'ny efitra famoaham-baovao any Frantsa sy any Fanjakana Britanika amin'ny alalan'ny CrossCheck (teny Frantsay [1]| teny anglisy [2]) ity lahatsoratra ity, fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa mba hiadiana amin'ny vaovao faikany an-tserasera, ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

Nisy sary iray nolazaina fa maneho an-tsarintany ny “fifandonana teo amin'ny vahoaka sy ny polisy” izay niparitaka be tao amin'ny Facebook sy Twitter nandritra ny roa herinandro. Kanefa fantatra fa tamin'ny volana Novambra 2005 no namoronana izany ary tsy naneho ny tena zava-nisy teo amin'ny fifandirana ara-tsosialy tao Frantsa.

Fifandonana avy ao Lens nankany Perpignan, nandalo an'i Lyons sy Marseilles: mampiseho faritra miisa dimampolo nisy fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny vondrona sivily nanerana an'i Frantsa ity sarintany hosoka ity. Ny fikarohana iray tao amin'ny aterineto no nahafahantsika namantatra ity sary ity tamin'ny 8 novambra 2005 tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny bilaogy “The ipinionsjournal” izay nitatitra tamin'ny fomba namboarina ny herisetra an-tanandehibe niseho nandritra ny hetsi-panoherana goavana tamin'izany fotoana izany nanerana an'i Frantsa.

Ny fikarohana lalindalina kokoa tamin'ny alàlan'ny angondrakitry ny aterineto Wayback Machine [3] no nampiseho antsika ny sary tany am-boalohany tao amin'ny lahatsoratra iray momba ny korontana tao amin'ny gazety Britanika The Daily Telegraph, izay nivoaka tamin'ny 8 Novambra 2005 . [4]

Raha ny marina ity sary ity dia tsy mifanaraka amin'ny fifandonana tamin'ny taona 2005 : hita taratra kokoa izany ato amin'ity sary ity avy amin'ny gazety Frantsay Le Parisien tamin'ny taona 2015 [5] .

[5]

Nozarain'ny mpanohana ny Filoha Amerikana Donald Trump ny sarintany diso mba hanohanana ny hevitra fa misy ny “faritra tsy azo idirana” any Frantsa, ary niseho tao amin'ireo kaonty media sosialy isankarazany an'ny farany havanana Frantsay ihany koa izany.

[6]

Azonao atao ny mamaky momba ny famolavolana hafa sy ny fifidianana frantsay ato [7]