Moa Ve Nisioka Momba Ilay Sarimiaina Masha Sy Michka I Marine Le Pen ? Tsia

é

Mifototra amin'ny asa fanamarinana tarihin'ny fiaraha-miasan'ny efitra famoaham-baovao any Frantsa sy ny Fanjakana Britanika amin'ny alalan'ny CrossCheck (teny Frantsay| teny anglisy) ity lahatsoratra ity, fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa mba hiadiana amin'ny vaovao faikany an-tserasera, ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

Pikantsarin'ny sioka faikany nataon'i Marine Le Pen, izay nitsikeran'ny kandida avy ao amin'ny National Front (FN) ny sarimiaina Masha sy Michka navoaka tao amin'ny Twitter ny Alahady 26 Febroary.

Nozaraina maherin'ny 1 700 isa ny sioka tao amin'ny kaonty “NTM le FN”, fantatra ho mpanohitra ny FN. Navoaka niaraka tamin'ny tenirohy #NantesMLP, ilay sioka rehefa nitsidika ny tanàn-dehiben'i Nantes i Marine Le Pen nandritra ny famoriam-bahoaka.

Na izany aza, tsy hita tao amin'ny tena kaontin'i Marine Le Pen ilay sioka ary sarotra ny nahita ny soritra nisy izany any amin'ny tambajotra sosialy.

Nisafidy ny tsy hitonona anarana ilay olona tao ambadiky ny sioka ary nanamafy fa hosoka ilay izy. Nanazava izy fa ny “hampiseho fa mora ny mamitaka ao amin'ny Twitter” no tanjony ary  “anisan'ny ady amin'ny ‘fachosphere’ (vondrona farany havanana)” ny fihetsika nataony. Efa nivoaka tao amin'ny Facebook ny sary tamin'ny volana Desambra 2016, ary nahazo ekeko maherin'ny 13.000 izany.

Namoaka lahatsoratra iray momba ny lohahevitra mitovy amin'izany tamin'ny 4 Desambra 2014 ny tranonkala mpanesoeso secretnews.fr.

Azonao atao ny mamaky momba ny famolavolana hafa sy ny fifidianana frantsay ato .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.