- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Lahatsary Nahitana Fanehoan-kevitra Avy Amin'ny Fivoriambe Mikasika Ny Fiovan'ny Toetrandro

Sokajy: Oseania, Danemarka, Espaina, Soeda, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 21 Desambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Danish Climate Exhibit by UN Climate Change [1]

Sary tao amin'ny Firenena Mikambana Fiovan'ny Toetrandro  http://www.flickr.com/photos/45289935@N08

Indreto misy lahatsary ahitana ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo olona tao amin'ny Fivoriambe mikasika ny Fiovan'ny Toetrandro [2] izay natao nandritra ny herinandro voalohan'ny volana Desambra 2009 tany Copenhagen, Danemark. Miainga amin'ny hetsi-panoherana hatrany amin'ny dihy, zavakanto sy fampisehoana, indro ny santionany kely avy amin'ny COP15.

Afaka nahita ny horonantsarin'ny fivoriambe sy ny bilaogin-dahatsary mivantana ianareo tao amin'ny pejy fitateranay manokana [3] tamin'ny alalan'ny TheUptake.org [4] sy ny OneClimate.net [5]  sy nanaraka ihany koa ny Ekipan'ny Global Voices [3] tao amin'ny fivoriambe tamin'ny alàlan'ny bilaogin'izy ireo, ny twitter, ary ny kaontin'ny fampitam-baovao antserasera hafa.

Ireto ny horonantsary sasany mampiseho ny fomba nahitan'ny olona ny Fivoriambe mikasika ny Fiovan'ny Toetrandro :

Nandefa delegasiona tany amin'ny fihaonambe i Kiribati [6], firenena nosy iray any amin'ny Oseana Pasifika, ary indro ny horonantsary momba ny fampisehoana ara-kolontsaina [7] nataon'izy ireo :

The delegation from the Republic of Kiribati held a side event on the 9th of December 2009 at the UNFCCC COP15 meeting in Copenhagen, where they presented how they experience climate change in their daily lives, what they are doing to combat it, and their ambitions from the COP15 meeting. Here is a cultural item, a traditional dance, performed by I-Kiribati dancer Maria Timon.

Nanao hetsika tamin'ny 9 desambra 2009 tao amin'ny fivorian'ny UNFCCC COP15 tao Copenhague ny delegasiona avy ao amin'ny Repoblikan'i Kiribati , izay nahitana azy ireo nanolotra ny fomba niainany ny fiovan'ny toetrandro amin'ny fiainany andavanandro, ny zavatra nataony hiadiana amin'izany, ary ny zavatra antenainy avy amin'ny fivoriana COP15. Indro ny loha-hevitra ara-kolontsaina, ny dihy nentim-paharazana, notontosain'ny mpandihy I-Kiribati Maria Timon.

Niresaka momba [8] ny fomba ahitana vola mba hampitsaharana ny fiovan'ny toetrandro ny ankizy iray 14 taona avy any Soeda antsoina hoe Tora Gimre:

https://youtube.com/watch?v=hKyDb7zDSeI

Somebiseby nivoaka tao amin'ny hoteliny ho an'ny Fihaonambe ireo mpiaro ny tontolo iainana avy ao Aragon, Espaina, ary nandrakitra horonantsary fohy [9] tao amin'ny efitra fandraisana midadasiky ny hotely izy ireo:

Tao amin'ny fihaonambe, teo ivelan'ny Foibe Bella, nisy ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana avy ao amin'ny hetsika 350 [10] manohitra ny famoahana etona [11]. Tsy niakanjo tapany, niantsoantso izy ireo fa tsy azo iadiam-barotra ny etona :

https://youtube.com/watch?v=BxeClEyyY3U

Nanao fampisehoana ny fihetsika tsy mihetsika [12] ihany koa ny 350 [10], izay nahitana ireo tanora tsy nihetsika ny zoma lasa teo nandritra ny 350 segondra mba hanaovana fitakiana amin'ireo mpitarika ny fiovan'ny toetrandro mba hitazona ny fisian'ireo firenena nosy amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ny fiakaran'ny maripana manerantany.

https://youtube.com/watch?v=3dQCqDDeOq4

Ary iza ny lahatsary tianao indrindra tamin'ireo lahatsary avy amin'ny Fihaonambe mikasika ny Fiovan'ny Toetrandro? Zarao aminay raha sitrakao!