- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Slovakia: Ilay Saribao Tsy Nirehitra

Sokajy: Polonina, Slovakia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

(Marihana fa tamin'ny 25 Desambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namoaka ity tantara ity [1] ny gazety SME ny 22 Desambra:

Indray takariva, nijanona teo anoloan'ny trano sady fivarotan'I Anna Pitáková ny kamiao vahiny iray nitondra saribao avy any Polonina.

Niditra nanontany ny mpivarotra ireo lehilahy raha toa ka hividy saribao izy. Rehefa namaly azy ireo izy fa tsy mila izany, dia nangataka azy rano mba hisotroana kafe izy ireo. Nilaza izy ireo fa simba ilay fiara ary raikitra tao amin'io tanànakely io izy ireo.

Ny ampitso maraina, niverina tao amin'ilay fivarotana izy ireo. Toa nangatsiaka izy ireo ary nilaza fa azo vidiana 10 euros isaky ny 100 kg ny saribao, raha tokony 15 euros izany, ary izy ireo ihany no manatitra izany any amin'ny toerana hitoerany:, raha tsy mividy izany ilay ramatoa dia tsy hihetsika ilay fiara.

Tamin'ny farany,  novidiany valo euros ilay saribao sady nanamboarany dite nisy rôma ihany koa izy ireo:

Nandritra ny faran'ny herinandro, nahamarika izy fa tsy nirehitra ny saribao. Na dia nafangaro tamin'ny hazo sy solika aza izany. Na nodiovina aza ny ‘cheminée’ dia tsy nampiova na inona na inona izany. Nandritra ny efatra andro, tsy nahavita nanafana ny tranony izy raha tsy naka indray ireo  saribao ambiny teo aloha izay tany ambanin'ireo vaovao.

“Mety hihomehy ahy angamba ny olona, ​​ary vao mainka hanome tsiny ahy ny hafa. Efa saiky azoko tamin'ny antsasa-bidiny izany raha niady varotra aho. “

Ireo olona hafa nividy ity saribao ity – izay namidin'ireo mpitondra fiara miisa enina izay mitovy avokoa – dia nandoa vola 15 euros ho an'ny saribao izay tsy mirehitra. Manodidina ny 17 euros ny vidin'ny saribao tamin'izay fotoana izay (mazava ho azy fa tsy misy manatitra any an-trano toy izany) .

Tsy naharay fitarainana momba ny hosoka ny polisy tao an-toerana na dia very vola an-jatony euros aza ireo lasibatra.

Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy [2] avy amin'ireo mpisera aterineto Slovaky.

janosp:

En Pologne, ils n'auraient eu aucune chance de vendre ce charbon, ils sont venu en Slovaquie pour trouver des pigeons.

HOVADO:

Qu'ils aient été arnaqués n'est pas un problème énorme. Le problème est que ces pauvres gens se taisent. Personne n'a pipé mot, personne n'a déposé plainte, donc, j'ai comme l'impression que tout le monde était satisfait.

ay:

Je suppose, bien entendu, que la dame en question a un reçu ou une preuve d'achat quelconque et qu'elle pourra déposer sans problèmes une réclamation  😉

 

Jemenlyn:

Je suis natif de [Orava [3]], même si je n'y vais pas très souvent. Mais ça me surprend toujours a quel point il y a un méfiance profonde, et même de l'animosité, envers les Polonais. Cette histoire n'est ni la première du genre, ni la dernière. [Mais si vous abordez d'autres sujets, peut-être que les mêmes personnes surnommeront [les Polonais] “sauveurs de la culture occidentale” et “frères de sang slave”.]

andy25 :

Désormais, cette petite dame pourrait troquer [l'économie réalisée en gaz à effet de serre [4]] :DD

frank zappa:

Cet exemple est la preuve qu'une nation stupide vit en Slovaquie, et que de pareils idiots ont [aussi] le droit de voter.

dujlujhuj:

Les gens ne sont toujours pas au parfum sur le label “made in Poland” ? Ils ne savent pas que quand un Polonais leur dit qu'il pleut, il faut sortir dehors pour vérifier ?

rizlon:

Ce charbon brule, mais pas dans de si petits poêles. Il a un revêtement chimique, qui brule dans des fours plus grands, fait pour des températures beaucoup plus élevées.  [Selon une autre théorie, il s'agit de déchets des mines de charbon]

karol34:

Les gens oublient souvent la règle d'or : si c'est vraiment une trop bonne affaire, alors, probablement, ce n'en est pas une

.

janosp:

Any Polonina, ​​tsy afaka mivarotra ity saribao ity mihitsy izy ireo, tonga any Slovakia izy ireo mba hitady izay ho fitahina.

HOVADO:

Tsy olana goavana ny fitaka natao ireny olona ireny. Fa ny fahanginan'ireo olona mampalahelo ireo no olana. Tsy nisy sahy niteny , tsy nisy nametraka fitarainana, noho izany afa-po ny rehetra amiko.

ay:

Heveriko fa, mazava ho azy, fa ity vehivavy voakasika ity dia manana tapakila na porofo nividianany izany ary afaka mametraka fitarainana tsara izy 😉

Jemenlyn:

Teratany [Orava [3]] aho, na dia tsy mandeha matetika loatra any aza. Saingy mahagaga ahy foana hoe misy ny fiahiahiana lalina sy ny fankahalana ny Poloney.  Tsy voalohany tamin'ny karazan-tantara toy izany na ny farany ity tantara ity. [Raha miresaka lohahevitra hafa kosa ianao, angamba ireo olona ireo hiantso [ireo Poloney] hoe “mpamonjy ny kolontsaina tandrefana” sy “rahalahy Slavy”.]

andy25:

Ankehitriny, afaka mivarotra [ity tahirin'etona ity [4]] ity ramatoa kely ity: DD

frank zappa:

Ity ohatra ity dia porofo fa miaina any Slovakia ny firenena adala iray , ary manan-jo hifidy ihany koa ny olona adala toy izany.

dujlujhuj:

Mbola tsy zatra ny marika hoe “vita avy any Polonina” ve ny olona? Tsy mbola fantatr'izy ireo fa rehefa milaza amin'izy ireo hoe avy ny orana ny Poloney dia mila mandeha mivoaka mihitsy mijery izany?

rizlon:

Mirehitra io saribao io, fa tsy ao anaty fatana bitika toy izany. Manana akora simika izy, izay mirehitra amin'ny lafaoro lehibe kokoa, ho an'ny maripana ambony kokoa. [Araka ny ambaran'ny teoria iray hafa, fako azo avy amin'ny fitrandrahana arintany izy io]

karol34:

Matetika  manadino ny fitsipika volamena ny olona: raha misy raharaham-barotra milaza azy ho tsara dia mazava ho azy fa tsy ilay tena izy izany