- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Mandray Ny Ramadan

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Sakafo

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Indray mandeha isan-taona ihany ny Ramadany, ary miomana izany amin'ny volana ho avy ireo bilaogera Maraokana (tahaka ny any Ejypta [1], Libya [2], sy any an-kafa).

Lovefrom1stbite mizara nahandro [3] momba ny sakafo matsiro Ramadan chabakia, anisan'izany ny sarin'ireo karazan-tsakafo:


Al Miraat/The Moroccan Mirror
 nanadino ny teny, raha tokony hizara ity sary ity [4]:


Tara iray andro?

Amin'ity taona ity, ny Ramadan any Maraoka dia hanomboka tara iray andro tsy tahaka ny ankamaroan'izao tontolo izao. Vonona hanomboka ny Ramadam amin'ny Talata i Maraoka, Maoritania, sy Iran, zava-misy izay nahatonga ireo bilaogera sasany handinika. 27monthswithoutbaseball, mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps ao Maraoka, milaza momba ny fanemorana: [5]

So, Ramadan didn’t begin today after all, at least not in Morocco. It doesn’t really make sense to me – after all, scientists can predict moon phases with complete accuracy from now until the end of time – but they have to wait until the imams say it’s Ramadan. I guess it makes more sense knowing that in every country it’s different – Ramadan started yesterday in Algeria, Tunisia and Libya, today in Egypt and most of the Arab world, and will start tomorrow in Morocco, Mauritania and Iran. Who knows, maybe the moon does look a little different in every country. Science doesn’t always have all the answers. We did change the time last night though – back to old time!

Noho izany, nanomboka androany ny Ramadany, farafaharatsiny tsy tany Maraoka. Tsy dia misy dikany ho ahy izany – raha ny marina, afaka maminavina ny fizotry ny volana miaraka amin'ny fahamarinana tanteraka manomboka izao ka hatramin'ny fiafaràn'ny fotoana ny mpahay siansa- saingy tsy maintsy miandry izy ireo mandra-pitenin'ny imams hoe Ramadany izao. Mieritreritra aho fa misy dikany kokoa ny fahafantarana fa samihafa izany any amin'ny firenena tsirairay – nanomboka omaly ny Ramadany tany Alzeria, Tonizia sy Libya, androany ny tany Egypta sy ny ankamaroan'ny tontolo Arabo, ary hanomboka rahampitso ny ao Maraoka, Maoritania ary Iran. Iza no mahalala, angamba tsy mitovy ny fandehan'ny volana isaky ny firenena rehetra. Tsy voatery manana ny valiny foana ny siansa. Novaintsika ny fotoana omaly hariva – niverina tany aloha!

North Africa Notes, izay vahiny ao Maraoka ihany koa, naneho hevitra [6] mikasika ny fahatsapany rehefa nandre ny vaovao fa mbola tsy nanomboka ny Ramadany:

But today, Monday, sure felt like Ramadan, I think people were so ready for it to be announced as starting today that it was hard for them to get into eating. As I ate a group breakfast with my friend's family we commented on that, it just felt kind of weird to be eating. We were all happy though that the Moroccan government had decided to repeal Daylight Savings time as of this morning,in order to make Ramadan a little easier on everyone ,they said. So we put our clocks back to how they were before and gained an hour. 10 am became 9 am. Sunset is now at 7 instead of 8, Alhamdulilah.

Saingy androany, Alatsinainy, mahatsiaro tena ho Ramadany, mieritreritra aho fa efa vonona tanteraka ny olona handre ny fanambarana fa manomboka androany izany satria sarotra ho azy ireo ny hisakafo. Raha nisakafo maraina niaraka tamin'ny fianakavian ‘ny namako aho, niresaka momba izany izahay, toa tahaka ny karazana hafahafa ny misakafo. Faly izahay rehetra anefa satria nanapa-kevitra ny hanafoana ny ora mandroso amin'izao maraina izao ny governemanta Maraokana, mba hahamora kokoa ny Ramadany ho an'ny rehetra, hoy izy ireo. Ka nahemotray toy ny teo aloha ny famataranandro ary nahazo adiny iray. Nanjary amin'ny 9 maraina ny amin'ny 10 ora maraina. Lasa amin'ny 7 ny masoandro mody raha tokony amin'ny 8, Alhamdulilah.