- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toby Fitrandrahana Volamena Mandrahona Ny Fambolen'ny Vondrom-piarahamonina Ao Makedonia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Fihetsiketsehana ao Valandovo, Makedonia, Desambra 2017. Hoy ny vakin'ny sora-baventy “Atsaharo ny Fitrandrahana ao Kazandol.” Sary avy amin'ny hetsika “Spas za Valandovo” (midika hoe “Famonjena ho an'i Valandovo”), nahazoana alalana.

Niara-niasa tamin'i Sardich MC any Makedonia ny Copper Investments JSC  [1](COPIN), orinasam-pitrandrahana Okrainiana noho ny tetikasa hitrandraka volamena sy varahina ao amin'ny foiben'ny tanim-pambolena mamokatra indrindra ao Makedonia. Iray kilaometatra monja miala ny tanàna kely misy mponina eo akaiky sy efatra kilaometatra avy eo amin'ny tanàna akaiky indrindra, manahy ny olom-pirenena fa hanaisotra ny fivelomana manontolo sy hampisy fiantraika goavana ara-tontolo iainana amin'ny fahasalamana sy ny mahasoan'ny vondrom-piarahamonina ao atsimo atsinanan'i Makedonia ny fitrandrahana.

[2]

Sarintanin'ny toeram-pitrandrahana vaovao any atsimo atsinanan'ny Repoblikan'i Makedonia, anisan'izany ireo toerana voalaza ato amin'ity lahatsoratra ity. Miorina amin'ny sarintany Wikipedia momba ny Faritry ny Tetikasa ao Makedonia avy amin'ny NordNordWest (CC BY-SA 3.0) sy tahiry avy amin'ny hetsika Spas za Gevgelija.

Tamin'ny andro iray tamin'ny taona 2012, nahazo sonia fifanekena telo momba ny fitrandrahana tamin'ireo 86 nosoniavin'ny governermanta Makedoniana teo aloha [3], teo ambanin'ny antoko ara-politika elatra havanana VMRO-DPMNE ny COPIN (amin'ny alalan'i Sardich MC) [1]. Nitondra nanomboka ny Aogositra 2006 hatramin'ny volana Mey 2017 ity antoko ity ary nibahana betsaka ny fiampangana fisian-kolikoly goavana nahatonga ny fionganany teo amin'ny fahefana.

Miorina ao atsimo-atsinanan'i Makedonia ny fifanarahana fitrandrahana miisa 86, toerana feno tany lonaka ahitana tanàn-dehibe sy tanàna kely izay mivelona amin'ny fambolena ny mponina ao an-toerana ary mandrafitra ny ankamaroan'ny mpamokatra voankazo sy legioma ao amin'ny firenena.

Ny toerana misy ny tetikasa tobim-pitrandrahana sy ny toerana miaraka aminy ao amin'ny faritra, ny Fanombanana ny Fiantraikan'ny tobim-pitrandrahana ao Kazandol eo amin'ny tontolo iainana nomanin'i Sardich MC Skopje, avy amin'ny EMPIRIA EMS, Skopje. Azon'ny rehetra ampiasaina ity, eo ambanin'ny fifanarahana Aarhus.

Amin'ireo fifanarahana fitrandrahana telo, ao anatin'ny dingana farany fananganana ankehitriny ny fitrandrahana volamena sy varahina ao Kazandol ary miomana hanomboka ny fitrandrahana. Hatramin'izao, nifidy ny “eny” na ny “tsia” amin'ny fitrandrahana ny mponina ao an-toerana tamin'ny fitsapa-kevi-bahoaka enina nokarakarain'ny faritra voakasiky ny asa fitrandrahana.

Nanohitra ny fitrandrahana ny maro an'isa raha nahitàna taha-pahavitrihana vitsy kosa ny faritra hafa na tsy nahatratra ny isam-bato ilaina. Ny tanàna kelin'i Gevgelija [4] no nahitàna fitsapa-kevi-bahoaka voalohany nahomby izay olona 13.000 no nifidy nanohitra ny fitrandrahana ary 154 ihany no nanohana izany. Tao amin'ny tanàna kelin'i Valandovo [5] izay marobe no nanohitra ny fitrandrahana, tsy nahatratra ny isa nilaina mba hahatonga ny latsa-bato ho ara-drariny ny fitsapa-kevi-bahoaka, satria banga 300 ny vato.

Mitera-doza ara-tontolo iainana sy fandrahonana ara-tsosialy ny fitrandrahana

Toerana misy ny asa lehibe, Fanombanana ny Fiantraikan'ny tobim-pitrandrahana ao Kazandol eo amin'ny tontolo iainana nomanin'i Sardich MC Skopje, avy amin'ny EMPIRIA EMS, Skopje. Azon'ny rehetra ampiasaina ny sary eo ambanin'ny fifanarahana Aarhus.

Hiparitaka manerana ny tany mirefy 287 hekitara izay rakotra ala sy kesika ankehitriny ny toeram-pitrandrahan'i Kazandol. Hotanterahina an-tafo lanitra [6] ny fitrandrahana akora. Hotanterahina amin'ny alalan'ny fanapoahana vanja ny fandavahana ny toeram-pitrandrahana ary hosarahina amin'ny vatolampy ny varahina sy ny volamena amin'ny fampiasana ny dobo eo an-toerana miaraka amin'ny asidra sôlfôrika. Milaza mazava ny Fikarohana momba ny Fanombanana ny Fiantraika Ara-tontolo iainana: Toeram-pirandrahana Kazandol, Valandovo, Makedonia [7] hoe:

The heap leaching of the raw mineral shall be carried out in a dump of the excavated copper ore. The technology that shall be used for obtaining the final product – electrolytic (cathode) copper, is based on the use of low concentration (0.5%) solution of sulfuric acid-heap leaching solution, which shall be sprinkled (sprayed) on the surface of the dump. Crossing through the deposited raw mineral on the dump, the solution dilutes a part of the copper from the ore and runs from its lower part.

Hotanterahana ao anaty lavaka fanariana varahina ny fitrandrahana ny akora fototra. Ny teknôlôjia ho ampiasaina mba hahazoana ny vokatra farany – varahina elektrolitika (lahin'iba), dia mifototra amin'ny fampiasana rano fandevonana fanangonana asidra sôlfôrika ambany (0,5%) , izay hiparitaka (mitsimoka) eny ambonin'ny lavaka. Mandalo amin'ny akora fototra nariana tao anaty lavaka, manala ny ampahany amin'ny varahina avy amin'ny akora mineraly ny rano fandevonana ary mipoitra avy eo ambany.

Ho hisy ao an-toerana ny siny telo misy asidra sôlfôrika mirefy 270 metatra toratelo tsirairay, ary miaraka amin'ny siny fandevonana akora. Mampiseho vokatra mampidi-doza ny fikarohana, tahaka ny fandotoana ny rivotra avy amin'ny etona asidra, ny famoahana vovoka avy amin'ny asa fitrandrahana sy famoahana etona  avy amin'ny kamiao sy fiara miasa ao amin'ny toby. Naseho tamin'ny 13 desambra 2017 izany, raha nanao andrana fipoahana tao amin'ny toeram-pitrandrahana Kazandol i Sardich MCrois.

Sioka: Tahaka izao ny fipoahana voalohany, metatra vitsivitsy monja miala amin'ireo trano voalohany ao an-tanànan'i Kazandol sy Brajkovci. #StopForKazandol
Fanazavana ny lahatsary: Fipoahana voalohany tao amin'ny tobim-pitandrahana ao Kazandol. fipoahana 4-5 tahaka izany no omanina isan'andro mandritra ny 15 taona. Atsaharo avy hatrany ny fananganana! Atsaharo ny fitrandrahana mitondra fahafatesana!

Angel Nakov avy amin'ny Hetsiky ny Olom-pirenena “Spas za Gevgelija” [11] (“Fanavotana an'i Gevgelija”) nilaza hoe:

We have given out mining concessions on top of water springs to dig out an insignificantly small amount of gold. Someone has decided to poison us with arsenic, sulfuric acid and cyanide. Ten to twenty tons of cyanide will be used in these mines. Hitler used only seven tons of cyanide for killing people with fumigation in Aushwitz.

Nanome fifanarahana fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ao ambonin'ny loharano izahay mba handavaka volamena vitsivitsy tsy misy dikany. Nisy olona nanapa-kevitra ny hanapoizina anay amin'ny asidra arsenika, sôlfôrika sy sianida. Sianida folo hatramin'ny roapolo taonina no hampiasana amin'ireo fitrandrahana ireo. Nampiasa sianida fito taonina fotsiny i Hitler tamin'ny famonoana olona tamin'ny fanemporana amin'ny setroka tao Aushwitz.

Mpikatroka miloa-bava manohitra ny fitrandrahana ao amin'ny tany lonaka indrindra ao Makedonia

Malaza amin'ny fitomboan'ny voankazo Mediteraneana sy voajanahary, tahaka ny ampongabendanitra, paoma, paiso, serizy, aviavy sy paoma japoney tsy fahita firy ny renirano Kazandolska sy ny Renirano Anska [12]miampita ny toeram-pitrandrahana Kazandol sy ny faritra. 45 kilometatra monja miala ny toerana Kazandal, tetikasa Ilovitsa [13], sy fitrandrahana harena an-kibon'ny tany hafa no misy ny tampon'ny faritra be tendrombohitra ao Strumichko Pole, sompitry ny voankazo sy ny legioma ao Makedonia.

Vokatra tao Valandovo. Sary avy amin'ny “Spas za Valandovo” (“Famonjena ho an'i Valandovo”), nahazoana alalana.

Hoy ny Fikarohana momba ny Fanombanana ny Fiantraika ara-Tontolo iainana: Toeram-pitrandrahana Kazandol, Valandovo, Makedonia hoe:

Insulated type of risk in this context represents any accidental spills of chemicals or contaminated waste water related to the construction. A disconnection of the hydraulic connection of the surface water flows with the groundwater is expected in the alluvial aquifer of the River Anska in the area of the construction of the dump for the heap leaching of the raw mineral…

Mety miteraka fiparitahana tsinahy an'ireo vokatra simika sy rano maloto misy otrikarena mifandray amin'ny fanorenana ny karazam-boina aterak'ity toe-javatra ity. Azo heverina ny fahatapahan'ny fifandraisan'ny rano an-tanety amin'ny rano ambanin'ny tany amin'ny faritry Renirano Anska ao amin'ny faritra misy ny fanorenana ny lavaka fitrandrahana akora-metaly fototra…

Nanandra-peo nanohitra ny fitrandrahana ny Hetsiky ny Olom-pirenena Spas za Valandovo (“Famonjena ho an'i Valandovo”) naorin'ireo mpikatroka avy ao Valandovo [14], tanàna efatra kilaometatra monja miala ny toeram-pitrandrahana Kazandol. Nikarakara sakan-dalana roa sy hetsika maromaro izy ireo mba hanehoana amin'ireo manampahefana fa tsy manaiky ny fitrandrahana hanimba ny tranony sy ny fiainany izy ireo:

Miverina eny an-dalambe ny #СпасЗаВаландово [15] mba hitaky NY FANAFOANANA AVY HATRANY ny fitrandrahana #KazandolMine [16]! Tamin'ny volana lasa, nandrava ny fiarahamoniko ny mpampiasa vola. @VladaMK [17] & PM @Zoran_Zaev [18] – mila anareo izahay mba hanamafy ny lalaonareo.https://t.co/mpk1iCpBL3 [19] pic.twitter.com/V1SFDV6d09on [20]

Sary 1: “Atsaharo ny Fitrandrahana”
Sary 2: “Diaben'ny fihetsiketsehana mba hanakana haingana ny Fitrandrahana ao Kazandol! amin'ny 12 ora atoandro / Zoma 8 Desambra / Prvomajska Boulevard ao amin'ny Fiantsonan'ny Fiara Fitateram-bahoaka Valandovo.
SOS Fanavotana ny Kaominin'i Valandovo, Atsimo-atsinanana manohitra ny Fitrandrahana

Tamin'ny faran'ny taona 2017, nanao fivoriana tao Valandovo ny antoko teo amin'ny fitondrana VMRO-DPMNE izay nanao sonia ny fifanarahana fitrandrahana. Nomen'ireo mponina zava-pisotro vita amin'ny asidra sôlfôrika izy ireo mba hanehoana fikomiana:

Milaza izy ireo fa miverimberina foana eny amin'ny sehatry ny heloka ny mpamono olona. Nitranga tao Valandovo izany raha tonga nitsidika anay androany ireo nitondra anay tamin'ny Fitrandrahana ho an'ny Fahafatesana #MinesOfDeath. Nanararaotra izany izahay mba hanome azy ireo zava-pisotro ara-tontolo iainana miaraka amin'ny asidra sôlfôrika. #StopForKazandol

Tamin'ny taona 2017, nihaona tamin'ny Praiminisitra vaovao ao Makedonia, Zoran Zaev [25]ny Ivotoerana ho an'ny Fikarohana sy Vaovao momba ny Tontolo iainana, Eko-svestor,  [26]fikambanana tsy miankina malaza mba hitaky fanombanana mitambatra ara-stratejika momba ny tontolo iainana mikasika ireo fifanarahana fitrandrahana miisa 86.

Nandritra ny fifidianana teo an-toerana tamin'ny herintaona, nampanantena [27] Andriamatoa. Zaev fa hitsahatra amin'ny fanorenana toeram-pitrandrahana ny governemantany. Mipetraka any Strumica, faritra tena iharan'ny fitrandrahana i Zaev tenany. Na izany aza, nilaza ihany koa izy fa tsy azo tontosaina avy hatrany izany satria mbola mila mahazo antoka ny governemanta fa tsy hiteraka fatiantoka ara-bola goavana ho an'ny firenena ny fanafoanana ny fifanarahana [28] noho ny sazy ateraky ny fifanarahana.

Fananganana ny Tobim-pitrandrahana Kazandol. Sary avy amin'ny Spas za Valandovo, nahazoana alalana.

Na dia teo aza ny fihetsiketsehana, mitohy ny fanorenana ny Tobim-pitrandrahana Kazandol  [29]ary ao anatin'ny dingana farany amin'ny fanomanana alohan'ny hanombohan'ny asa.