- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Thailandy: Mandefa Mivantana Ny Fanonganam-panjakana Ho Anaty Bilaogy

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny Septambra 2006)

Farafahakeliny blaogy roa no napetraka mba handrakofana fotsiny ny fanonganam-panjakana ataon'ny tafika izay mitranga ao Thailandy – 19sep [1], blaoginà vondrona iray izay amin'ny fiteny anglisy sy ny revolution.blogrevo (efa tapaka ny rohy mankamin'ity farany) izay amin'ny fiteny thaï.

Nivoaka teo amin'ny YouTube ireo dika mitovin'ny lahatsarin'ireo filazàna fanonganam-panjakàna. Inty ny filazàna voalohany nalefa tamin'ny fahitalavitra ny fandraisana fahefana nataon'ny tafika.

 

Misy koa pikantsarin’ny filazàna tamin'ny fahitalavitra momba ireo “baiko voalohany sy faharoa nataon'ny Democratic Reform Coucil” [2], fikambanana iray mbola tsy fantatra hatreto sy ny anarana nampiasain'ny tafika izay naka ny fifehezana an'i Bangkok.

Asehon'ny fikarohana iray tao amin'ny tranonkala fifampizaràna sary flickr [3] ampiasàna ny teny fanalahidy  “fanonganam-panjakana” ny sary efa ho 100 avy any Thailandy [4] nalefa tao anatin'ireo 24 ora farany avy tamin'ireo sarin'ny tafika vonona manerana an'ireo lalamben'i Bangkok.

soldier.jpg
[Sary an'i goshen42 [5]]
..ho porofo hita maso mikasika ny fibahanana an'ireo fantsona fahitalavitra vahiny mandeha amin'ny alalan'ny tariby.

 

 

tv.jpg[Sary an'ny 2Bangkok.com [6] dia manana pejy iray havaozina matetika natokana ho an'ireo  trangana fanonganam-panjakana mitranga amin'izao fotoana izao: Fiakaran'ny tosi-drà ao Thailandy, [7] saingy ny lahatsoratra vao haingana indrindra ao mampitandrina fa manomboka tena mihisatra be ireo fidirana amin'ny aterineto.