(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny Septambra 2006)
Farafahakeliny blaogy roa no napetraka mba handrakofana fotsiny ny fanonganam-panjakana ataon'ny tafika izay mitranga ao Thailandy – 19sep, blaoginà vondrona iray izay amin'ny fiteny anglisy sy ny revolution.blogrevo (efa tapaka ny rohy mankamin'ity farany) izay amin'ny fiteny thaï.
Nivoaka teo amin'ny YouTube ireo dika mitovin'ny lahatsarin'ireo filazàna fanonganam-panjakàna. Inty ny filazàna voalohany nalefa tamin'ny fahitalavitra ny fandraisana fahefana nataon'ny tafika.
Asehon'ny fikarohana iray tao amin'ny tranonkala fifampizaràna sary flickr ampiasàna ny teny fanalahidy “fanonganam-panjakana” ny sary efa ho 100 avy any Thailandy nalefa tao anatin'ireo 24 ora farany avy tamin'ireo sarin'ny tafika vonona manerana an'ireo lalamben'i Bangkok.
[Sary an'i goshen42]