- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana, Afrika Atsimo, Angletera, Etazonia, India, Indonezia, Israely, Japana, Kolombia, Nouvelle Zelande, Rwanda, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Saripika, Tanora, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)

Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, [1] ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.

Avy any Kigali any Rwanda, iray amin'ireo toerana 5 lehibe fandefasana sarimihetsika, ny fampisehoana sary mihetsika avy amin'ny hetsika nakarina tao amin'ny OVI, ilay sehatry ny lahatsary sy ny sary nampiasaina mba hampiroboroboana ny votoatin'ny PangeaDay :

Avy any Haifa any Israely, fampisehoana sary mihetsiky ny fivoriana iray hafa  mba hanarahana ny zava-misy any akaikin'ny seranantsambon'i Caesarea :

Nandritra ilay hetsika, dia nandefa mivantana ireo zava-miseho avy any amin'ny toerana samihafa manerana ny tany, toy ny avy any Etazonia, Kolombia, Italia, Japana, Nouvelle-Zeland ny sakaizan'ny tranonkala Pangea. [2] Ny toerana hafa, tahaka ny hetsiky ny PangeaDay kolombiana Medellín  dia nanana ny tranonkalany manokana izay itorahana bilaogy mivantana, handefasana ireo lahatsary sy sary navoaka nandritra ny hetsika.

Nahazo ny lokan'ny fanatontosàna horonantsary amin'ny finday Nokia 2008 izay natao niaraka tamin'ireo hetsika ny Nokia, ilay mpiara-miasa amin'ny PangeaDay, ary nentina nisidina ho any amin'ny iray amin'ireo toerana 5 samihafa fandefasana sarimihetsika ireo 5 tonga tamin'ny famaranana. AFaka nojerena tao amin'ny tranonkalan'ny  pangeaday OVI ireo lahatsary nandresy. Ireto avy ireo tonga tamin'ny famaranana : Rounds all around us an'ny kayoom [3] any India, smile an'ny goofylopez [4] any Indonezia, amazing rainbows! Shot and Edited with my Nokia 93 an'ny ruperthowe [5] any Angletera, the Game -South African Children having fun in a Video Games Room an'ny ecachucho [6] ary Clouds Running an'ny pierba [7] any Italia.

Ny mpandresy amin'ilay Loka Lehibe ao amin'ny tranonkala Pangea/ Nokia OVI  dia ny ecachucho miaraka amin'ny lahatsariny momba ireo ankizy afrikana tatsimo milalao lalao ‘arcade’, izay nahazo ny fandehanana ho any amin'ny valan-javaboahary fiarovana ny rajako  any Roandà, miaraka amin'ireo ekipa feno mba hanampy ilay mpandresy hirakitra ny diany.

Fisarihana iray nokarakarain'ny Nokia sy ny Womworld, izay ny Studio David Howell  no nanambara ny valiny. Hahazo Nokia N82, kitapo fitondrana fitaovana, tongotra fakàntsary, karatra mpitadidy, fitaovana (casque) fihainoana ary fanamafisam-peo izay mpamorona ny lahatsary mpandresy. Amazing Rainbows io  lahatsary voafidy io, ary tamin'ny fanambaràny  dia nolazainy fa nofidiana ilay mpandresy noho ny famaritany tsara ny fanahin'ny lahatsary alaina amin'ny finday : firaketana indray mandeha ny fotoana iray amin'ny fiainana izay mety mandalo ary tsy hiverina intsony.