- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Maraokana Mitokona Ho an'i Erraji

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Septambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha nosamborina [1]tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Maraokana Mohammed Erraji, nitodika avy hatrany tamin'ny raharaha momba an'i Fouad Mourtada [2], tovolahy nosamborina tamin'ny fiandohan'ity taona ity noho ny fisolokiana ny anaran'ny Printsy Moulay Rachid [3] tao amin'ny Facebook ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Tahaka ny nataon'izy ireo tamin'i Mourtada  [4]niatrika fampidirana am-ponja, [4]nihetsiketsika ny bilaogera Maraokana mba hanohana an'i Erraji.

Naka aingam-panahy avy amin'ny DigiActive [5], nandefa hafatra an-tsary [6] ireo bilaogera manerantany:

[7]

Ny hafa kosa nanatevin-daharana ny fitokonana nataon'ilay bilaogera Larbi [8] tamin'ny alalan'ny mailaka ( nalefa [9] tamin'ny teny Frantsay sy Anglisy tao amin'ny bilaogiko manokana ny hafany).

Nanao izao fanambarana manaraka izao kosa i A Moro in America [10], Maraokana monina ao Etazonia:

I am joining Moroccan bloggers in their 24 hour strike in support for Mohamed Erraji.

Manatevin-daharana ireo bilaogera Maraokana ao anatin'ny fitokonan'izy ireo maharitra 24 ora ho fanohanana an'i Mohamed Erraji aho.

Nanambara ihany koa i Reb [11], Amerikana mandinika ny tontolon'ny bilaogy Maraokana fa te-hitokona koa izy:

On September 15, this blog will be on strike to express solidarity with the efforts to acquit Mohamed Erraji. To learn more follow this link: http://soutienerraji.blogspot.com/

Amin'ny 15 Septambra, hitokona ity bilaogy ity mba haneho firaisankina ho famotsorana an'i Mohamed Erraji. Raha te-hahafantatra bebe koa, araho ity rohy ity: http://soutienerraji.blogspot.com/

Nandray anjara ihany koa i Myrtus, nanoratra hoe [12]:

I believe he's entitled to his freedom of expression and we're all entitled to either agree or disagree with him…..or even ignore him entirely if the Moroccan authorities had not robbed him of his freedom.

Mino aho fa manan-jo haneho  hevitra malalaka izy ary manan-jo hanaiky na tsy hanaiky |ny heviny] isika ….. na tsy miraharaha azy tanteraka raha tsy nandrava ny fahalalahany ny manampahefana Maraokana.

Bilaogera Maraokana sady mpanoratra Laila Lalami [13], kosa, tohina tamin'ireo mpaneho hevitra antserasera sasany nifòna ho an'ny governemanta noho ny fisamborana sy fitsarana an'i Mohammed Erraji – sy nanome tsiny ny niharam-boina. Nanazava izy hoe:

I have been reading comments on a few Moroccan blogs about the Mohammed Erraji affair [14], and while the majority of people support Erraji's right to free expression, I have to say I'm appalled at the way in which some of the commenters excuse the government and blame the victim. The angry responses range from attacks on the blogger for breaking the law (by, apparently, expressing his opinion) to attacks on his website for being trashy (it's true it's a tabloid, but if you want to read lies and omissions any day of the week, you could do no worse than the government rag).  It's disheartening.

Namaky fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaogy maraokana vitsivitsy momba ny raharaha Mohammed Erraji [14]aho, ary raha manohana ny zon'i Erraji amin'ny fanehoan-kevitra malalaka ny ankamaroan'ny olona, ​​dia tsy maintsy miteny aho fa tezitra tamin’ ireo mpaneho hevitra sasany nanala tsiny ny governemanta sy nanome tsiny ny niharam-boina. Isan-karazany ireo fanehoan-kevitra tezitra, manomboka amin'ny fanomezan-tsiny ilay bilaogera noho ny fandikana lalàna (izay, toa, maneho ny heviny) hatramin'ny fanafihana ny tranonkalany noho ny maha-fako azy (marina izany fa tranonkala “tabloid” na tia zavatra manaitaitra io, fa raha tianao ny mamaky lainga sy fanadinoina ao anatin'ny andro iray amin'ny herinandro, tsy afaka manao ratsy mihoatra noho ny an'ny governemanta ianao). Mahakivy izany.

Bilaogera marobe hafa no nandray anjara tamin'ny fitokonana. Anisan'izany ireto:
Miss Archi [15] [fr]
Lady Zee [16] [fr]
Omar El Hyani [17] [fr]
Passion Technologeek [18] [fr]
Ibn Kafka [19] [fr]