- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanome Baiko Hanakatona Ny Tranonkalam-baovao Rappler Ny Manampahefana Filipina, Voatohintohina Ny Fahalalahan-Gazety

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Miaramila maka sary selfie miaraka amin'ny filoham-pirenena Rodrigo Duterte tao amin'ny tobin'ny tafika ao Mindanao. Sary avy amin'ny pejin'ny Facebook-n'ny Filoham-pirenena (governemanta Filipina).Soldiers taking selfies photos with Philippine President Rodrigo Duterte in an army camp in Mindanao. Photo from the Facebook page of Presidential Communications (Government of the Philippines).

Nanapa-kevitra hanakatona ny tranonkalam-baovao Rappler ny governemantan'ny filoham-pirenena Filipina Rodrigo Duterte rehefa nesorin'ny [1] Komitin'ny Fiarovana sy ny Fifanakalozana (SEC) ny fahazoan-dàlan'ny orinasa hiasa ho raharaham-barotra.

Manambara ny fanapahan-kevitry [2] ny SEC tamin'ny 11 Janoary fa “manitsakitsaka ny lalàmpanorenana sy ny sata momba ny Famerana ny Fananan'ny Vahiny Amin'ny Haino Aman-jery” ny Rappler noho ny fandraisana fanomezana avy amin'ny Orina Mpanasoa Omidyar, fikambanana naorin'ny mpanorina ny eBay, Pierre Omidyar.

Mametra ny fananana sy fifehezana haino aman-jery atao amin'ny orinasa Filipina sy ny olom-pirenena Filipiana ny Lalàmpanorenana Filipina [3], saingy tsy mandràra ny fanomezana ara-bola avy amin'ny orina mpanasoa vahiny.

Ny Rappler dia orinasa izay tantanina sy Filipiana 100 isanjato no tompony  [4]ary orinasa mihodina ao Filipina. Mba hampiroboroboana ny asany, mampiasa ny Philippine Depositary Receipts (PDRs) izy, fitaovana fampiasam-bola ahafahan'ny mpiara-miasa vahiny mahazo tombontsoa ara-barotra ao amin'ny orinasa.

Ny tranonkalam-baovao tsy miankina sy ny media sosialy matetika no lasibatry ny fanafihan'ireo mpanohana ny filoha antserasera noho ny fitantaran'izy ireo mitsikera ny fitantanany.

.@jnery_newsstand [5]: “Raha misy ity fanesorana fahazoan-dalana ity, hikatona tanteraka ny Rappler – fikambanam-baovao sambany hakaton'ny hetsika ataon'ny governemanta hatramin'ny nanambaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos ny lalàna miaramila tamin'ny taona 1972.”

Ny filoham-pirenena mihitsy no nanizingizina [9] tamin'ny Lahateniny ho an'ny Firenena tamin'ny Jolay 2017 fa “Amerikanina manontolo no tompon'ny Rappler”, na dia orinasa sy olom-pirenena Filipiana aza no mitantana azy sady tompony [10].

Ny lehibe indrindra amin'ny orinasa, mitotaly 91 isan-jato, dia an'ny filohan'ny orinasa Maria Ressa sy ilay mpampiasa vola tsy miankina Benjamin So (samy teratany Filipiana) ary ny vondrona media Dolphin Fire Group sy Hatchd Group, Inc. (samy orinasa miorina any Filipina).

Namporisihan'ny  [11]Mpisolovava Jeneraly Jose Calida ny fanapahan-kevitra noraisina ho an'ny Rappler. Nanizingizina  [12]ny mpitondratenin'i Duterte, Harry Roque, fa tsy fanafihana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny fanapahan-kevitry ny SEC satria nampihatra fotsiny ny fepetra voalazan'ny lalàm-panorenana izy, izay mandràra ny fananan'ny vahiny ny haino aman-jery. Niampanga ny Rappler ho “fampahalalam-baovao hosoka [13]” i Duterte tenany ny ampitson'ny nanesoran'ny SEC ny fisoratana anaran'ny orinasa.

Notoherin'ny  [14]Rappler ny fiampangan'ny SEC, milaza fa “fanorisorenana mazava sy tsotra” atao amin'ny orinasa izay mangarahara amin'ny asa fandraharahany sy manaja ny fepetra sy ny fitsipiky ny SEC.

Nampanantena hampiasa ny fomba rehetra hiadiana amin'ilay baiko ny Rappler ary niantso ny mpamaky azy mba hiaro ny fahalalahan'ny gazety:

We intend to not only contest this through all legal processes available to us, but also to fight for our freedom to do journalism and for your right to be heard through an independent platform like Rappler.

We will hold the line.

Mikasa tsy hanohitra izany amin'ny alàlan'ny dingana ara-dalàna rehetra azonay atao ihany izahay fa fa koa hiady ho an'ny fahalalahana hanao gazety sy ny zonao hihaino vaovao amin'ny alalan'ny sehatra tsy miankina tahaka ny Rappler.

Tsy hiala izahay.

Mahita ny Ndao hifandamina ho an'ny Demaokrasia sy ny Fahamarinana (LODI),  [15]fikambanan'ny mpanakanto sy ny mpiantsehatra amin'ny fampitam-baovao fa fitomboan'ny fandrahonana antserasera natombok'ireo olona matoky an'i Duterte hanoherana ny Rappler sy ny mpanao gazetiny ny fanapahan-kevitra:

Who is next, Mr. President? ABS-CBN? The community journalists tagged as communists? The artists who expose your bloody drug war?

Iza no manaraka, Atoa Filoha? ABS-CBN? Ireo mpanao gazetin'ny vondrom-piarahamonina tondroina fa komonista? Ireo mpanakanto mampiseho ny adinao mihoso-drà amin'ny zava-mahadomelina?

Tambajotra fahitalavitra lehibe ao Filipina ny ABS-CBN. Mbola miandry ao amin'ny Kongresy ny fitakiany ho an'ny fanavaozana fahazoan-dalana.

[16]

Pikantsary ny tranonkala Rappler

Nampitandrina ny Hetsika Manohitra Ny Didy Jadona [17](MAT), vondrona manohitra ny ady ataon'i Duterte amin'ny zava-mahadomelina sy ny fironany amin'ny didy jadona, fa mikendry ny haino aman-jery tsy voafehiny na voahozongozony ny fitondrana:

For a government that violates the multiple constitutional provisions on territory, checks and balances, separation of powers and the Bill of Rights, the Duterte regime is fooling no one in its “constitutionality” case against Rappler. Duterte has no credibility on constitutionality.

Ho an'ny governemanta izay manitsakitsaka ny fehezan-dalàna marobe ao amin'ny lalàm-panorenana ao amin'ny faritra, ny tsy fifandanjana, ny fisarahan'ny fahefana sy ny Volavolan-dalàna momba ny zo, tsy misy olona voafitaky ny fitondrana Duterte amin'ny raharaha “lalàmpanorenana” hanenjehana ny Rappler. Tsy manana fitokisana amin'ny lalàmpanorenana i Duterte.

Nahazo fanamelohana miely patrana tao amin'ny media sosialy ny fanapahan-kevitry ny governemanta Duterte manohitra ny Rappler. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy tao amin'ny Twitter:

Nampiasaina ho an'ny fanafihana ara-politika ho an'ny @rapplerdotcom [18] sy ny fahalalahan'ny gazety ankehitriny ilay lalàmpanorenana tian'i Duterte mba hananganana didy jadona

Tsy afaka mifehy ny Inquirer i Duterte. Efa lafo ny Inquirer. Tsy afaka mifehy ny Rappler i Duterte. Nakatona ny Rappler. Jereo ny antony? Iza indray no manaraka?

Ho an'ny Rappler, ho an'ny famoahana rehetra ao amin'ny Campus izay marihan'ny Tafika Mitam-piadiana ao Filipina fa faritra mena, ho an'ireo mpanao gazety rehetra novonoina sy nogadraina teo ambanin'ity fitondrana fasista ity #DefendPressFreedom

Tsy mila tia an'ny Rappler ianao vao hiahiahy ny fanakatonana azy. Tokony ho antony ampy hanontaniana momba ny toerana misy ny fahitsian'ny governemantanao ny fanafihana ny famoahana tsikera azy (governemanta): ho an'ny vahoaka sa ho an'ny tenany?

Nahatezitra olona maro tao amin'ny fitondrana Duterte ny asa fanaovan-gazety voalohan'ny Rappler, indrindra ny fitantarany momba ny “ady amin'ny  rongony”. Valim-panontaniana hita mialoha izany. Zava-mahatsiravina sy mavesatra saingy azo vinavinaina.

Tsy momba ny vola izany. Vao avy nampihodina izany ianao. Te-hanasazy sy handrahona izay olona manakiana sy tsy manaiky ny sitraponao ianao. Azonao antsoina izy ary ahodinao araka izay tianao. Niezaka namotika ny fahalalahan'ny gazety ianao. Hizaka ny vokany ianao.

Mbola manohy miasa ny Rappler hatramin'izao satria mikasa hitondra ny fanapahan-kevitry ny SEC eny amin'ny fitsarana ambarantonga ambony.

Fanamarihan'ny mpanoratra: anisan'ny mpandray vatsy avy amin'ny Omidyar Network ny Global Voices