- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar: Firariantsoa Amin'ny Tsingerintaonan'i Daw Aung San Suu Kyi

Sokajy: Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

(Nivoaka tamin'ny 20 Jona 2007 ny lahatsoratra teny anglisy)

Maro ireo bilaogera tao Myanmar [1] no nankalaza sy nandefa firariantsoa ho an'ny mpitarika ny antoko mpanohitra Birmana, Daw Aung San Suu Kyi izay nankalaza ny faha 62 taonany tamin'ny 19 Jona.

Nandritra ny taona maro, tokony hankalaza ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany i Aung San Suu Kyi, mpikatroka mafàna fo mpomba ny demaokrasia , izay nahazo ny loka Nobel : isan-taona anefa, mitaky ny famotsorana azy ny vahoaka, fa hatramin'izao dia tsy mety tanteraka izany. Tena mahavaky fo ny mahita ny  fijaliany noho ny fitokisany ny fireneny. Voamarika ao ampon'ireo tanoran'i Myanamar izany faharetany izany, ary mendrika dera sy haja.

Aung San Suu Kyu (Sary Stephen Brookes [2])

Maro amin'ireo bilaogera no nanoratra  tononkalo, lahatsoratra,  sy nanolotra firariantsoa ary naneho ny fanohanany am-pahamendrehana azy.
Ireto misy santionany amin'ny fampahafantarana.

Tononkalo

Firariantsoa

Essais[En]:lahatsoratra

Mahavariana ny mahita ny fivoaran'ireo firariantsoa izay natolotry ny vahoaka azy nandritra izay taona maro izay. Maro ireo solon'anarana nomen'ny olona azy, nantsoina ho zanakavavin'ny Firaisambenin'i Myanmar izy, Ny Feon'ny Fanantenana, Ramatoa sy ny maro hafa koa. Ho an'ity faha-62 taonany ity, maro ireo mpibilaogy no niantso azy ho “Renin'ny firenena”.

Ny tranon'i Aung San Suu Kyi ao amin'ny No 54 Lalamben'i Oniversite ao Yangoon. (sary Stephen Brookes [19])

Nandritra izany fotoana izany, nohamafisina ny filaminana nanodidina ny tranom-ponenany noho ny fankalazana ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany, hoy ny tatitry ny Burmanet [20] .

Nosamborina ireo mpikambana telo avy amin'ny NLD (National League for Democracy) izay nandray anjara tamin'ny fankalazana (…) l.

Nanambara ny  loharanom-baovao tao Rangoon fa nanamafy ny filaminana teo akaikin'ny toeram-ponenan'i Suu Kyi ary nametraka fefy vy teny amin'ny arabe manodidina ny tananany hatramin'ny Alatsinainy alina ny Fitondrana. Ireo mpikambana hafa ao amin'ny NLD ao Shwebo, any amin'ny faritr'i Mandalay, dia norahonana vondrona  olona notohanan'ny tafika izay nitoraka vato tao amin'ny biraon'ny NLD tao Mandalay ary nametraka zava-maranitra maromaro mamaky ny kodiaran'ny môtô teny amin'ny arabe akaikin'ny tranoy, araka ny filazan'i Tint Tint, mpikambana ao amin'ny NLD.

Mirary soa sy mitondra am-bavaka ho an'i “Ramatoa” izahay amin'izao fankalazana ny  andro nahaterahany izao.