- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Lahatsarin'ny Fifandonana Tao Egypta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 3 Febroary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Anisan'ny tatitra momba an'i Egypta [1] ity lahatsoratra ity.

Nitodika tany Egypta ny mason'izao tontolo izao, tamin'ny andro faha-10 nanaovana ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Hita fa nitombo be ny hafatra tao amin'ny Twitter sy ny fandefasana sary sy lahatsary, izay mampiseho ny toe-javatra nisy teny an-dalamben'ny Egyptiana, araka ny fahitan'ny Egyptiana izany niaraka tamin'ny famerenana ny fidirana tamin'ny aterineto.

Nanomboka nanangona ny lahatsarin'ny olona manokana ny fantsona YouTube Citizentube [2], ary nisy ny pejy fisoratana anarana ho an'ny rehetra tao amin'ny pejin'ny YouTube mba ahafahana mahita (na mandefa antserasera) ny horonantsarin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra momba ny fihetsiketsehana, ary mampiditra izany ao amin'ny tranonkala [3].

Les prises de vue à cru des individus sur le terrain offrent une vision qui prend aux tripes de la situation en Egypte, où les foules se mobilisent pour exiger la démission du président Moubarak.

Si vous avez trouvé des vidéos sur YouTube qui documentent ce qui se passe dans les rues des villes d'Egypte, merci d'ajouter les liens ici.

Ahitana ny zavatra mivantana ao Egypta amin'ny nataon'ireo olona eny an-kianja , izay ahitana ireo vahoaka marobe nangataka ny fametraham-pialan'ny filoha Moubarak ny lahatsary tsy nasiana fanamboarana .

Raha mahita lahatsary mitatitra ny zava-mitranga eny an-dalamben'ny tanàndehiben'i Egypta ianao ao amin'ny Youtube dia misaotra anao mametraka ny rohy eto

Indro misy lahatsary [4] mampiseho ny hetsika tao an-kianjan'ny Tahrir avy any ambony:

https://youtube.com/watch?v=by3NvrMwups

Mampiseho ny fifandonana teny an-kianja ity iray ity [5]:

Ny finday no fitaovana hafa izay nampiasaina nandefasana mivantana tao amin'ny tranonkala, toy ny nataon'i Ahmed Naguib [6] niaraka tamin'ny Twitter sy ny kaontiny tumblr [7]. Nandefa sary mampiseho ireo toeram-pitsaboana natsangana ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa izy, toy ity manaraka ity [8] izay nahitana fitaovam-pitsaboana :

[8]

Fanafody sy fitaovam-pitsaboana [8] avy amin'i Ahmed Naguib [6]

Nandefa lahatsary antserasera fohy ihany koa izy izay mampiseho ny zava-nitranga teny ifotony, toy ity iray ity izay mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mihira teny an-kianja Tahrir :

Na ity manaraka ity [9] izay mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mihorakoraka sy manofahofa saina amin'ny alina:

Tao amin'ny Facebook, namoaka lahatsary miampy fanazavana izay ahitantsika ireo kamiaona miaramila mandona ireo mpanoa fihetsiketsehana [10] i Ahmad Elhag ; misy ny lahatsary lavalava kokoa [11] ao amin'ny YouTube:

https://youtube.com/watch?v=3wi3K8T3pPQ%3Ffs%3D1

Saingy tsy ny kamiao ihany no nampiasain'ny mpitondra hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana: ity horonantsary eto ambany ity [12] dia mampiseho ny fomba nampiasain'izy ireo ny soavaly sy ny rameva mba hanaovany ny asa ratsiny, izay tsy nampidi-doza ny olona am-polony fotsiny izay nohoseny ihany fa ireo biby ihany koa. Taorian'ny fifandonana voalohany, hitantsika ireo mpanao fihetsiketsehana miaro ireo biby navotsotry ny mpitaingina azy ireo

Miteny hoazy ny sary:
[13]
Miteny hoazy ny sary !! [13]avy amin'i AmalShawki [14]