- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nisambotra Mpanao Gazety sy ny Rahalahiny Ny Polisy Nizeriana Noho Ny Lahatsoratra Tsy Nosoratan'izy Ireo Akory

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Polisy Nizeriana mahatanteraka ny fampiofanana azy ireo tamin'ny taona 2015. Sary avy amin'ny AMISOM, azon'ny rehetra ampiasaina.

Daniel Elombah no mpitantana ny elombah.com [2]. Araka ny filazan'ny Premium Times [3], nosamborina tao an-tranony tao Nnewi, any atsimo atsinanan'i Nizeria ry Elombah:

Daniel Elombah was arrested around 4:30 a.m. at his home in Nnewi on New Year’s Day, according to his brother, Paul. He said they gathered from the officers that his brother was detained over a recent article that was deemed critical of the Inspector-General of Police Ibrahim Idris. Mr. Elombah was initially taken to a SARS detention facility in Anambra but was later moved to Abuja around 7:00 a.m., his brother said.

Nosamborina tamin'ny 4:30 maraina tao an-tranony tao Nnewi tamin'ny Taombaovao i Daniel Elombah, araka ny filazan'i Paul rahalahiny. Nampitainy ny nolazain'ny manamboninahitra azy fa notanan'ny polisy ny rahalahiny noho ny lahatsoratra vao haingana voalaza fa nitsikera ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy, Ibrahim Idris. Nalefa tany amin'ny fonja SARS ao Anambra Atoa Elombah tany am-boalohany, saingy nafindra tany Abuja indray tamin'ny 7 ora alina, hoy ny rahalahiny.

Nilaza tamin'ny Komity Fiarovana ny mpanao gazety (CPJ)  [4]i Daniel Elombah fa nanonona lahatsoratra navoaka tao amin'ny Opinion Nigeria ho anton'ny fisamborana azy ny polisy. Nilaza ny lahatsoratra, nivoaka tamin'ny 22 Desambra 2017 tao amin'ny Opinion Nigeria [5], izay tsy nosoratan'ny iray tamin'ireo mpirahalahy, fa voarohirohy tamin'ny “entana mahatonga fifandirana tsy misy fiafarany” ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy ao Nizeria.

Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Daily Post [6], niala tamin'ireo fanontaniana mivantana momba ny antony nisamborana an'ireo Elombahs ny Inspektera Jeneraly Ibrahim, nilaza fotsiny izy fa “rehefa mandika lalàna ianao, dia andraikitray ny miantoka fa mandray fepetra izahay.”

Fantatra amin'ny tsikerany momba ny Boko Haram sy ny filoha Buhari i Daniel Elombah, izay monina any Angletera saingy nitsidika ny fianakaviany tao Nizeria tamin'ny fotoana nisamborana azy.

Daniel Elombah any amin'ny hopitaly. [Sary navoakan'ny mpisolovavan'i Elombah, Obunike Ohaegbu tao amin'ny Facebook]

Nosamborin'ny polisy Nizeriana tamin'ny Andron'ny Taombaovao ilay mpanao gazety Nizeriana Daniel Elombah sy Timoth Elombah rahalahiny .

Navotsotra avy eo ity mpanao gazety ity ny hariva ary nampidirina hopitaly [7]tany Abuja fotoany fohy taorian'izany. Na dia tsy nisy fanazavana ofisialy aza nomen'i Elombah momba ny fampidirana azy hopitaly, dia toa tsy maintsy mitsabo tena ity mpanao gazety ity rehefa “nofatorana rojy vy tahaka ny mpanao heloka bevava ny tanany ary nentina tao anaty fiara fitaterana nandeha tamin'ny lalan-dratsy nandritra ny 1126 kilaometatra nankany Abuja.” Nandritra ny dian'izy ireo “niharan'ny herisetra, nahazo tehamaina, nodarohan'ny polisy Nizeriana ry Elombah”, araka ny tatitra avy amin'ny gazety Vanguard [8] .

Mbola tsy navotsotry ny polisy i Timothy rahalahiny. Ny 2 janoary 2018, nanome alalana ny hanitarana ny fitazonana an'i Timoty ny Fitsarana ao Abuja [9]. “Ahafahanay manatontosa fanadihadinana alohan'ny fametrahana fitoriana miampanga azy,” hoy ny mpitondratenin'ny polisy.

“Tokony hamoaka avy hatrany an'i Timothy Elombah ny manampahefana Nizeriana, manaisotra ny dingana ara-pitsarana, ary mamela an'i Daniel rahalahiny hody,” hoy ny tale mpanatanteraka ao amin'ny CPJ, Robert Mahoney, any New York.

Police have no business raiding a journalist's home and locking him up just because an officer does not like something written in the press. It's not even clear that the man they have detained had anything to do with the article they deem defamatory.

Tsy tokony hiditra an-tsokosoko ao an-tranon'ny mpanao gazety ny polisy ary managadra azy satria fotsiny noho ny manamboninahitra iray izay tsy tia zavatra voasoratra tamin'ny gazety. Tsy mazava akory aza raha nisy ifandraisany tamin'ny lahatsoratra heverin'izy ireo fa fanalam-baraka ireo lehilahy (Elombah) ireo.

Nitory ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy ho nanitsakitsaka ny zony fototra tany amin'ny Fitsarana Ambony ao amin'ny Renivohitra Federalin'i Abuja i Daniel Elombah. Mangataka onitra 2 miliara Naira [10] (eo ho eo amin'ny  5,5 tapitrisa dolara) noho ny fahavoazana nahazo azy tamin'ny fanagadrana azy tsy ara-dalàna.

Tahaka izany ihany koa, nandefa fangatahana [11] tany amin'ny solombavambahoaka Britanika, Lyn Brown, sy ny Praiministra, Theresa May ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Boris Johnson ireo mpisolovava telo monina any amin'ny Fanjakana Mitambatra (Royaume-Uni) noho ny fisamborana tsy ara-dalàna an'i Daniel Elombah.