- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily: OLPC sy ny Politika 2.0

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tena gaga ireo bilaogera Shiliana hatramin'izao amin'ilay solosaina finday 100 dolara Amerikana, OLPC [1]. Saingy ahoana no hahatongavan'ny fitaovana vaovao, natao hamenoana ny hantsana nomerika any Shily? Inona no idiran'ny solosaina finday amin'ny politika? Araka ny fanazavan'i Marcelo Aliaga [2] (ES):

Como en todo, hay un chileno trabajando en el proyecto One Laptop Per Child, que lidera Walter Bender [3] y evangeliza Nicholas Negroponte [4]. El es Eduardo Silva, quien está trabajando en el “Programa de desarrolladores de OLPC” y, como tiene que hacer pruebas, le han enviado el primer prototipo. En el lanzamiento de ChilePrimero [5], expuso el modelo B1 [6].

Tahaka ny zava-drehetra, misy Shiliana miasa ao amin'ny tetikasa One laptop Per Child [7] (Solosaina finday iray isaky ny Ankizy iray), tarihan'i Walter Bender ary anaovan'i Nicholas Negroponte antso avo. Izy no Eduardo Silva [8] ary miasa ao amin'ny “Programan'ny Developera OLPC.” Satria tsy maintsy manao andrana izy, dia nandefa ny maodely santatra (prototype) voalohany. Tamin'ny fampahafantarana ny ChilePrimero [5] no nanolorany ny B1 [6]

Namoaka lahatsary i Carlos Verdugo [9] (ES) sy ny fahatsapany momba izay mety hitranga ao amin'ny rafi-pampianarana Shiliana miaraka amin'ity fitaovana ity:

¿Se imaginan si cada estudiante tuviera uno? y a esto le sumamos las redes WiMax que se instalarán en Chile este año… ¿cómo sería la educación que está a la vuelta de la esquina?

Les tengo una buena y una mala noticia.

La Mala: Negroponte ofreció en su momento al Ministro de Educación de la época (Sergio Bitar) la oportunidad de comprar estos computadores, y la visión (o más bien la no visión) del ministro se reflejó con un “no gracias”. Brasil, Argentina y ahora último Uruguay ya compraron y le llegan este año.

La Buena: Hay personas que a pesar de las malas decisiones del pasado están afanadas en que estas máquinas lleguen a Chile, por ejemplo el Senador Fernando Flores quien gracias a sus contactos y amor por Chile se ha comprometido a traer algunos miles al país.

Azonareo an-tsaina ve raha manana solosaina finday ny mpianatra tsirairay? Ary raha ampiantsika aterineto wimax izay ho apetraka ao Shily amin'ity taona ity … ahoana no fomba [hanovàna] ny rafi-panabeazana atao fahirano?

Manana vaovao ratsy sy tsara aho:

Ny ratsy: Nanolotra fahafahana ho an'ny minisiteran'ny fanabeazana tamin'izany fotoana izany (Sergio Bitar) hividy ireny ordinatera ireny i Negroponte ary ny fahitan’ (na ny tsy fahitana) ny ministera dia nitaratra hoe “tsia, misaotra anao.” Efa nividy izany i Brezila, Arzantina ary vao haingana i Orogoay ka ho tonga ao amin'izy ireo amin'ity taona ity ny solosaina.

Ny tsara: Na dia eo aza ny fanapahan-kevitra ratsy taloha, misy ireo olona miasa mba ahafahan'ireo solosaina ireo hiditra ao Shily, tahaka ny senatera Fernando Flores ohatra, izany dia noho ny fitiavana an'i Shily ary nanolo-tena hitondra [solosaina finday] an'arivony ho an'ny firenentsika ireo olom-pantany.

Natao nandritra ny fampahafantarana ny antokon'ny hetsika ara-politika vaovao, antsoina hoe “Chile Primero” [10] (ES), na “Shily Voalohany” ny fampahafantarana ilay solosaina finday. Toa vonona be amin'ny teknolojia sy ny politika ity vondrona ity. Ahoana ny ifandraisan'ny Teknolojiam-baovao sy ny politika.? Manazava ao amin'ny blaoginy mikasika ny herin'ny fahavitrihana amin'ny famoronana tetikasa atao amin'ny fitaovana web2.0 i Vlado Mirosevic [11] (ES), talen'ny gazetim-bahoaka El Morrocotudo [12] (ES).

El objetivo no es ser observadores de la realidad, sino por el contrario usar los medios de comunicación digital para hacerse cargo de anomalías sociales y hacer pasar acciones colectivas.

Ny tanjona dia ny tsy ho mpanara-maso ny tena zava-misy, fa kosa mampiasa ny media nomerika mba hisahana ny tsy fetezan-javatra ara-tsosialy sy hitondra hetsika iombonana.

Mazava ho azy, tsy mahafa-po ny rehetra ity fifangaroan'ny teknolojia sy politika ity, Diego Sepulveda [13] (ES) maneho ny fahatsapana fisiana fanararaotana tamin'ny fanombohan'ny “Chile Primero” sy ny fampahafantarana ny OLPC:

Hace unos dias atras lei sobre la llegada del OLPC XO a Chile, pero por alguna extraña razon me doy cuenta de que los oportunistas y los nuevos oportunistas 2.0 estan detras de su llegada aparte de la sobreexposicion del aparato, o sea cosa bastante contraria a lo que Negroponte estipula de no lucrar con el proyecto. Es extraño que ahora dos movimientos que estan al borde de las criticas se lanzen juntos a la piscina ofreciendo un proyecto de corte oportunista pero a la vez lucrando con el aparato cuando de verdad andan en otra. Me suena extraño que usen este aparato como metodo de presion gubernamental cuando en su principio el aparato mismo se iba a vender a los gobiernos sin presion, cosa que en Chile fracaso por la poca vision de entonces. ¿Me pregunto porque usar un proyecto sin fines de lucro como arma politica? De seguro buscaran votos en el 2010, pero tambien hay que pensar que detras del juguete de los geeks (y no me refiero al iPhone) hay gente que se saca la mugre por ofrecerlo como una herramienta educativa y es ahi donde caen en la mas absoluta bajeza moral.

Andro vitsy lasa izay, namaky momba ny fahatongavan'ny OLPC XO tao Shily aho, saingy noho ny antony hafahafa, tsapako fa ireo mpanararaotra sy ireo mpanararaotra vaovao 2.0 dia ao ambadik'ity fahatongavana ity sy ny fisehoana tafahoatra an'ity fitaovana ity, izay mifanohitra amin'ny tetikasa Negroponte milaza ny fanohizana ny tetikasa tsy maka tombony. Mahagaga fa miditra ao anatin'ity tetikasa ity ny hetsika roa izay enjehin-tsikera, manolotra izany ho toy ny tetikasa sosialy no sady maka tombony amin'ilay fitaovana. Toa hafahafa koa fa mampiasa an'ity fitaovana ity izy ireo mba hanerena ny governemanta hividy izany, kanefa tany am-piandohana, natao ho amidy amin'ny governemanta tsy misy faneriterena ny fitaovana. Tsy nahomby ny teto Shily noho ny tsy fananantsika vina. Manontany aho hoe, nahoana no mampiasa tetikasa tsy maka tombony ho fitaovam-piadiana faneriterena ara-politika? Azo antoka fa mitady vato ho an'ny taona 2010 izy ireo, saingy tsy maintsy mieritreritra koa isika fa ao ambadik'ireny kilalaon'ny mpankafy aterineto ireny (tsy miresaka iPhone aho), miasa mafy ny olona mba hanolotra fitaovana fanabeazana ary amin'izany no tafalatsaka ao anatin'ny fitondran-tena ratsy indrindra izy ireo.

Iray tamin'ireo politisiana nasaina nitondra ny OLPC ho an'i Shily ny Senatera (sady bilaogera menavazana) Fernando Flores, izay niala vao haingana [14] tao amin'ny antokony taloha, PPD, (Antoko ho an'ny Demaokrasia) noho ny antony maromaro tsy nohazavainy, na izany aza, voarohirohy tamin'ny raharaha kolikoly maromaro tato anatin'ny volana vitsivitsy ny elatra havia. Nanohana ny fananganana ny Chile Primero ihany koa izy