Manomboka Ny Taona 2018 Miaraka Amina Fifandraisana Mahatsikaiky Ireo Afrikana Mpibitsika

Olona iray mitendry ny famantarana Twitter eo amin'ny findainy. Sary an'ny mpampiasa Flickr Esther Vargas. CC BY-SA 2.0

Mety ho volana matroka ny volana Janoary fa taorian'ireo fety maroloko, mihisatra eo amin'ny asany ny olona. Maro ny olona manerana an'i Afrika no mitaraina noho ireo teritery ara-bola ary misy fiantraikany ratsy ara-panahy io. Na izany aza, niantomboka tamin'ny naoty maivana iray ny taona 2018 manerana an'i Afrika satria Twitter tototra tamin'ireo olona nanao fampitohizana ny fifandraisana ho an'ireo olona manana toetra, asa ary ireo toerana ara-jeografika mitovitovy.

Ny tenifototra #DateOneSide dia natomboka tao Afrika Atsimo, saingy toy ny tanety may, niantsampy tao anatin'ilay fiarandalamby  i Afrika manontolo sy ny tany lavitra tany. Ndao jerentsika ireo sasantsasany amin'ireo bitsika mahatsikaiky nivoaka avy amin'ito.

Noesoesoin'i Mwes M Drew, mpampiasa Twitter, ny tsy fivadihan'i Arsène, tamin'ny fitazonana ny mpanazatra azy taloha Arsène Wenger, ambonin'izany ny fampiasana betsaka ny sarin'i Manchester United midika zavatra betsaka.

tokony ho vehivavy tsymivadika no hifamotoanan'ireo lehilahy tsy mivadika

Maka ohatra amin'ny olona mierotra sahala amin'ireo motera mpamokatra herinaratra i Aburdn ao amin'ny Twitter ary mangataka azy ireo mba hifanome fotoana.

Ny taona 2018, tokony hifanome fotoana amin'ireo zatovovavy mierotra ireo zatovolahy mierotra… Ireo mpamokatra herinaratra amin'ny sisiny iray azafady!

Ao Afrika, ny zava-misy dia ireo zaza teraka voalohany matetika no manao ny andraikitry ny ray amandreny raha toa maty ireo ray amandreny. Matetika asa be ny miahy ireo mpiraitampo efa ho 10 na maherin'izany, .

Amin'ny sisiny iray ireo matoa tokony mifanome fotoana amin'ireo matoa misolotena ireo ray amandreny

Mpampiasa twitter iray hafa, Mosh maniry ny hamarana ireo seraseran'ny andian-taranaka mitovy ka miangavy an'ireo Nenibe sy Dadabe Siramamy mba hifanome fotoana ary koa mametraka ny diabeta ho amin'ny sisiny iray.

Dadabe sy Nenibe Siramamy… Ny Diabeta amin'ny lafiny iray!

JUSTYN, mpanao twitter, manondro ireo fandaingana ho sahala amin'ireo lavadavaka sady manentana ireo olona manana fandaingana mba hifanome fotoana.

Ireo tovovavy manana fandaingana tokony hifanome fotoana amin'ireo tovolahy manana fandaingana… Ireo lavadavaka amin'ny sisiny iray…

Ny fanarahana akaiky ilay taridresaka dia mnitondra anao ho amin'ny mpampiasa twitter, @Mandylisous12_ voalaza ho nanomboka ilay taridresaka izay nandefa lahatsary ihany koa ho fisaorana ireo olona tamin'ny fanohanana ilay tenifototra

Toran'ny hehy foana aho tontolo andro ry zalahy ?????? misaotra anareo ry zalahy tamin'ny fandraisana anjara tamin'ilay fitsongoako dia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.