- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hetsika Ara-politika Vaovao: Chile Primero

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mampiroborobo ny fifanarahana eo amin'ny kandidà ny rafi-pifidianana ao Shily ary antsoina hoe binominal [1]. Ho an'ny Senatera-izay mirotsaka hofidiana ho an'ny faritra- na ny solombavambahoaka – izay mifaninana ho an'ny distrika – mitovy ny rafitra amin'izany. Mety manana kandidà roa ny lisitra tsirairay, tsy maintsy mihoatra ny 50% ny totalin'ny vaton'ny kandidà roa tonta vao mandresy. Midika izany fa raha 10% monja no azon'ny kandidà iray, azo inoana fa tsy ho ampy ny fisoloantena handresena, ary tsy maintsy manao fifanarahana amin'ny kandidà hafa ny kandidà iray mba hahazoana isan-jato sahaza. Arakaraky ny isan-jato no andresen'ny lisitra. Nanangana elatra roa lehibe io lojika io, dia ny havanana sy ny havia. Ny elatra havia no iray amin'ireo manana fisoloantena bebe kokoa hatramin'ny faran'ny vanim-potoan'ny didy jadona (elatra havanana). Nanomboka teo ny filoham-pirenena Shiliana dia avy amin'ny fiaraha-mitantana ankavia. Eto amin'ity sehatra ity, tena sarotra ny fananganana hetsika ara-politika vaovao, satria ilaina foana ny fifanarahana amin'ny fiaraha-mitantana havanana na havia.

Na eo aza izany, nitsangana ny hetsika ara-politika vaovao, Chile Primero [2] noho ny tsy fahafaham-pon'ny olom-pirenena tamin'ireo mpanao politika sasany. Manohana ity hetsika ity izay hotontosaina amin'ny 12 Mey i Fernando Flores [3], Jorge Schaulsohn sy Esteban Valenzuela [4]. Mpikambana tao amin'ny antoko Politika PPD, Antoko ho an'ny Demaokrasia avokoa izy rehetra, saingy tsy mpikambana intsony izy ireo ankehitriny. Manome hevitra momba ny hetsika ny bilaogera, chilepost [5] manazava hoe:

Son reconocidas sus posturas liberales en lo económico. Schaulsohn ha actuado de frente y criticado el excesivo poder estatal. Flores siempre está hablando de los saltos que Chile necesita en materia educacional, del bajo nivel de la clase política y de como debemos integrarnos a la sociedad del conocimiento. Creo que en ese movimiento, se está gestando lo que en otros lados no: un espacio de discusión de lo que Chile necesita, aunque obviamente hay una estrategia de construcción de una plataforma político-electoral en ello.

Malaza ny toe-tsaina tia fahalalahana manoloana ny toekarena. Schaulsohn nitsikera ny fahefana tafahoatran'ny fanjakana. Flores kosa miresaka foana momba ireo dingana izay ilain'i Shily eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, ny fahambanian'ny fahaizana eo amin'ny kilasy politika sy ny fomba tokony hidirantsika eo amin'ny sehatry ny fahalalana. Heveriko fa ity hetsika ity dia mamorona zavatra izay tsy misy amin'ny toeran-kafa: sehatra hiresahana momba ny zavatra ilain'i Shily, na dia misy mazava aza ny tetikady hananganana seha-pifidianana ara-politika.

Alejandro Valenzuela [ES] [6] namoaka lahatsoratra avy amin'i Angélica Meneses mikasika ny fifandraisan'ity hetsika vaovao ity amin'ny filoha ankehitriny:

Pero la pregunta lógica es la siguiente: ¿cómo van a actuar frente al gobierno que eligieron y del que hoy ya no son parte? Esto es algo que aseguran tener resuelto. Valenzuela sostiene que “vamos a seguir apoyando a la Presidenta en todas sus cosas constructivas, pero creemos que el país necesita una oferta política distinta.

Ny fanontaniana lojika dia hoe: Ahoana no hataon'izy ireo eo anoloan'ny governemanta izay nofidian'izy ireo ary tsy anisany intsony ankehitriny? Zavatra azon'izy ireo antoka fa voavahan'izy ireo izany. Manamafy i Valenzuela fa “hanohy hanohana ny filoha amin'ny lohahevitra fananganana isika, saingy mihevitra isika fa mila tolotra ara-politika hafa ny firenena

Niaro ny tetikasan'ny fiaraha-mitantana havia, fantatra amin'ny anarana hoe “concertación” ny filohan'ny antoko PPD Sergio Bitar [ES] [7] ary mikasika ny Chile Primero indray, namoaka lahatsoratra momba ny hevitr'i Bitar i MasdemocraciamasPPD [8] (ES):

El presidente del PPD recalcó que “para nosotros la Concertación es un proyecto político de gran importancia, distinto de la derecha, es un proyecto político por la libertad, por la democracia y por la justicia social”, dejando entrever que al ubicarse Chile Primero fuera del conglomerado se establece la separación definitiva con los ex PPD.

Nanoritra ny filohan'ny PPD fa “ho antsika, ny concertación dia tetikasa ara-politika manan-danja lehibe, tsy mitovy amin'ny elatra havanana, tetikasa ara-politika ho an'ny fahalalahana, demaokrasia sy ny rariny ara-tsosialy”, ho hitantsika raha ho tavela amin'ny fampivondronana ny Chile Primero ka hametraka ny tenany amin'ny fisarahana tanteraka amin'ny PPD taloha.

Tanora maro avy amin'ny faritra samihafa no tafiditra amin'io hetsika vaovao io, avy any Talca i  Osvaldo Yañez [ES] [9], ary hoy izy:

Aquellos que vivimos fuera de Santiago, no nos resignaremos a esperar “concesiones graciosas” de tecnocratas de la capital. Muchos somos los hombres y mujeres de provincia que estamos comprometidos con que Chile sea un país mas grande, un país emprendedor, un país de hermanos. Es por esto que veo en el Movimiento Chile Primero, una forma de aglutinar a aquellos que vemos que en el hacer política estamos encargándonos de un mejor futuro para los nuestros.

Ho an'ireo izay monina ivelan'i Santiago, tsy mihemotra isika hiandry ny “fifanarahana mahafinaritra” avy amin'ireo teknokraty ao an-drenivohitra. Be dia be ny lehilahy sy vehivavy avy any amin'ny faritany izay nanolo-tena hanao an'i Shily ho firenena lehibe, firenen'ny fandraharahana, ary firenen'ny firahalahiana. Noho izany, hitako fa ny ao amin'ny hetsika Chile Primero, dia fomba hanangonana ireo tafiditra amin'ny politika mba hananana hoavy tsara kokoa ho antsika.