(Tamin'ny 15 janoary 2015 ny lahatsoratra teny anglisy)
Miteraka fahasimbana goavana teo amin'ny tontolo iainana ny fitohizan'ny fivoarana katsahin'i Shina amin'ny fomba rehetra nandritra izay folo taona izay, fahasimbana tsy azon'ny governemanta afenina ary tsy azon'ny vahoaka odiana fanina. Ankoatra ny olan'ny zavo-tsetroka ny olan'ny fako isan-tokantrano sy ireo fako plastika isankarazany .Ny Fanjakan'ny Plastika“, fanadihadiana iray manoritsoritra ny fandotoan'ny fako plastika ny faritra maro ao amin'ny firenena, nahatohina ny maro ary niteraka adihevitra maro taorian'ny nandefasana azy tamin'ny fahitalavitra sy ny fampitam-baovao isan-karazany.
Nandany telo taona tamin'ny fanatontosana ilay filma Wang Jiuliang, mpanantontosa horonantsary mahaleotena, nitsidika ireo foibe fanodinana plastika manerana an'i Shina mba hampisongadinana ny lafiny ratsin'ny indostiria, izay tsy dia tena fantatry ny vahoaka.
Asehon'ny filma ny maha-mampidi-doza amin'ny fahasalaman'ireo mpiasa mikirakira ny fanavahana ny fako plastika ireo fako ireo. Ankoatra ny fofona ratsy, ny ankamaroan'ny fako dia ahitana singa mampidi-doza misy poizina sy mihinan-koditra, izay mora mahavoa ireo mpiasa. Mahatonga ny fahalotoana ao an-toerana ihany koa ny fampiasana rano amin'ny dingana fanodinana. Alefa mankany amin'ny renirano tsy misy fikarakarana ny rano maloto, ka mahatonga ny rano hita maso sy ambany tany ho tsy azo ampiasaina sy mampidi-doza. Manimba ny rivotra iainana ny fandoroana plastika. Mazàna ahitana ny aretina homamiadana any amin'ireo toerana maro misy orinasa mpanodina plastika
I Shina no mpanodina fako goavana indrindra erantany, eo amin'ny 70 isanjaton'ny plastika azo ahodina sy ny fako avy amin'ny tsena iraisampirenena dia mankao Shina avokoa
Ankoatra ny fako plastika nohafarana, mamokatra fako betsaka ihany koa i Shina. Telo taona lasa izay no nalaza i Wang tamin'ny alalan'ilay horonantsary “Beijing Besieged by Waste” [Beijing ataon'ny fako fahirano], fanadihadiana iray hafa momba ny fanodinana fako sy ny fandotoana manodidina ny renivohitra.
Miisa 20 tapitrisa eo ho eo ny mponina any Beijing, ka miteraka fako 30 000 taonina isan'andro izany. Nanomboka ny taona 2008 ka hatramin'ny taona 2010 dia nitsidika toerana fanariam-pako miisa 460 ara-dalàna na tsia i Wang mba hanangonana tahirin-kevitra mikasika ireo fako, ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana, sy ireo olona mivelona amin'ireo fako ireo, anisan'izany ireo olona madinika mpanodina ny fako, ireo toerana maitso manodidina ny toerana fanariana fako, sy ireo biby fiompy mihinana ireo fako. Nanolotra fampahalalam-baovao sy fampahatsiahivana momba ny tontolo iainana an-drenivohitra ilay lahatsary.
Nipoitra io tetikasa taorian'ny nanontanian'i Wang ireo toerana fanariam pako ao Beijing. Nampiasa ny Google Earth izy mba hitadiavana ireo toeram-panariana fako an-jatony nandritra ny telo taona, ka namorona sarintany misy teboka izay mametraka faribolana lehibe manodidina ny renivohitra.
Niteraka ahiahy teo anivon'ny fiarahamonina ilay horonantsary ka nahatonga ny monisipaliten'i Beijing nanome vola 10 lavitrisa yuan (1,65 lavitrisa dolara) hanadiovana ireo toerana fanariam-pako.
Na dia tsy miraharaha ny tontolo iainana aza ny manampahefana Shinoa mitozo amin'ny fandrosoana ara-toekarena, lasa olana goavana eo amin'ny vahoaka ny ady amin'ny fandotoana rehefa nahalala bebe kokoa momba ny fahalotoan'ny rivotra, ny vokatra voapozina sy ny rano voaloto izy ireo. Araka ny lahatahirin'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2013, manodidina ny 70% amin'ny 20-50 tapitrisa taonina amin'ireo fako elektronika isan-taona dia natsipy any Shina avokoa, ary ny sisa kosa mankany India sy ny firenena Afrikana. Mazava izany fa i Shina no toerana fanariana fako elektronika lehibe indrindra eran'izao tontolo izao
Nandritra ny folo taona farany, ny tanànan'i Guiyu, faritra atsimo-atsinanana, faritra indostrialy lehibe indrindra ao Shina, no lasa toby lehibe fanariana ireo fako elektronika. Olona an'arivony maro no niasa mafy mba hanasamatsamahana ny piesy elektronika erantany.
“tsy misy ilaina azy ary tsy manan-tsanda raha oharina amin'ny vola lany amin'ny resaka tontolo iainana sy ny fari-piainan'ny olona ny fahombiazana ara-toekarena ao Shina nandritra ny folo taona farany”, hoy i Wang raha nanaovana antsafa natao tamin'ny Desambra lasa teo izy.
Naneho ny fahatafintohinany sy ny hatezerany ny olona tao amin'ny tranonkalan'ny Shinoa mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Weibo, taorian'ny nijereny ny tatitra momba ny “Fanjakan'ny plastika” tao amin'ny fahitalavi-panjakana.
Nanambara i Yang Boxu, mpampianatra mpanao gazety iray ao amin'ny Anjerimanontolon'i Beijing fa ny indostrian'ny fanodinana fako dia toy ny ” famonoana ny Shinoa mba tsy ahafahany manana taranaka”. Ny mpiseran'ny tranonkala Weibo “Miaina any amin'ny tempolin-tendrombohitra” (@若山居) nihiaka hoe:
怪不得权贵们都忙着移民,大好河山成垃圾场了。可怜了悲催如我等草民。
Tsy mahagaga raha lasa mifindra monina ireo mpanankarena sy matanjaka rehetra eto amin'ny firenena. Lasa toerana fanariam-pako i Shina. Ary isika, vahoaka madinika, dia tsy afa-miala eto amin'ity firenena ity (miaina miaraka amin'ny fako ]
Naneho hevitra maneso ny mpisolovava Xu Zhibiao hoe:
因为他们已投奔美帝或者已准备好投奔美帝,这里已不是他们的家。
Satria nifindra monina izy ireo na efa vonona ny hifindra monina any Amerika. Tsy tanindrazan-dry zareo intsony i Shina.
Mpisera “Sysiphe manosika vatobe eny an-tendrombohitra avo” nanoritsoritra ny sehatra nalaina avy amin'ny “Plastic Kingdom” [Fanjakam-plastika] :
节目里,《塑料王国》的导演王久良问工人——“王久良:那你这么辛苦赚钱是为了什么?分拣工人:为了孩子,为爸爸妈妈。”接着的镜头是他垃圾堆里目光呆滞脏兮兮的孩子,人是多么矛盾,或者说无知,或者无奈,人为什么可以活得卑微到这种程度。
Raha nanontany mpiasa iray ilay mpamokatra horonantsary hoe nahoana ianao no miasa amin'ny alàlan'ny fikirakirana fako, dia hoy ilay mpiasa madinika fa ho famelomana ny zanany sy ny ray aman-dreniny izany. Indrindra ho an'ny zanany, izay nipetraka teo ambon'ny fako, maloto sy manana endrika malahelo. Ahoana moa ny olona iray no tsy mahalala sy tsy mahefa tahaka izany? Ahoana no ahafahan'ny olona miaina amin'ny izany fiainana marefo izany !
Nanasongadina ny “Fanjakan'ny plastika” tao amin'ny sehatra natokana ho an'ny daholobe ny vavahadim-baovao Tecent ary nahitana fanehoan-kevitra an'arivony izany. Nimenomenona ny mpisera “Cappuccino”:
看完后很心疼,如此恶劣的环境下工作自己的家庭孩子生活在这样的环境下成长,有关部门的监管去哪里了?那昧著良心的广场老板难道就不知道这个违法以及在破坏自己的家乡吗?畜生
Tena malahelo aho rehefa mahita izany. Etsy ankilany ny mpiasa mikirakira fako, etsy andaniny ny zanany tezaina sy mihalehibe ao anatin'ny fako. Aiza ireo lalàna ? Moa Tsy fantatry ny lehibeny ve fa tsy ara dalana izany sy manimba ny tanànany? Ilay adala ity
Mihevitra ny mpisera aterineto “Fandeferana” fa mbola miavo-tena noho ny filozofia ankehitriny momba ny vola ireo indostria :
中国人赚钱哲学是:钱财不问来路,笑贫不笑娼。
Ny filozofia shinoa amin'ny fomba fitadiavam-bola: tsy mieritreritra ny amin'ny fomba fitadiavam-bola ny olona; tsy toy ny mpivaro-tena, tsy miraharaha fahantrana.
Nilaza ny mpisera aterineto “Asara” hoe :
我恶心我越看新闻越火大我怀疑中国在这么下去不用美国和日本来我们国家在过几年十几年基本因为环境问题都死绝了
Rikoriko sy tezitra aho rehefa mahita izany. Manontany tena aho raha ho faty noho ny fahasimban'ny tontolo iainana ny vahoaka Shinoa, na dia tsy misy ny Amerikana sy ny Japoney manafika aza .
Naneho hevitra momba ny indostirian'ny fanodinana sy ny fahasimban'ny tontolo iainana tamin'ny vavahadim-baovao hafa, NetEase Ireo mpiserasera Shinoa
mahita olana amin'ny kolikoly ny mpisera aterineto “Shuangziyijia” :
为了钱什么都能出卖……反正他们的子女都去国外了……
没有监督的绝对权力是人类史上的最大毒瘤……
Mivarotra izay rehetra azony amidy ireo tompon'andraiki-mpanjakana hahazoam-bola… Ny zanany mifindra monina any ivelany…. Mandrafitra ny homamiadana lehibe indrindra amin'ny tantaran'ny olombelona ny fahefana feno tsy misy fanaraha-maso