- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky Ny Rariny Ho An'i Zainab, Ankizivavy 7 Taona Voaolana sy Novoina ho Faty Tao Kasur ny Pakistaney

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
[1]

Pikantsary tamin'ireo sary sasany hita teo ambanin'ny tenirohy #JusticeForZainab ao amin'ny Instagram..

Mahatonga ny vahoaka ao Pakistan [2] hangataka fitsarana haingana sy sazy sahaza ho an'ny nahavita heloka ny fakàna an-keriny, fanolanana sy famonoana zazavavy iray fito taona.

Hita tao anaty fanariam-pako [3] tamin'ny 9 Janoary tao amin'ny distrikan'i Kasur [4] ao amin'ny faritanin'i Punjab i Zainab Ansari, efatra andro taorian'ny fakàna azy an-keriny. Milaza ny tatitra tamin'ny fandidiam-paty fa nokendaina ho faty ity zaza tsy ampy taona rehefa avy naolana.

Niteraka fifandonana [5] tao Kasur ny vaovao ka olona roa [3] farafahakeliny no namoy ny ainy ary maro no naratra satria nitifitra basy ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao hetsi-panoherana feno hatezerana mitaky ny fisamborana tsy misy hatak'andro an'ilay mpanolana sy mpamono olona, izay mbola mirenireny.

Tsy ela dia niparitaka nanerana ny firenena ny hetsi-panoherana, ary ny 11 Janoary, nidina an-dalambe mba hanohy ny fanerena ny manampahefana ireo mpianatra, mpisolovava ary Pakistaney hafa.

Nahoana no niteraka fahatezerana miely patrana ny raharaha Zainab?

Niteraka fihetseham-po teo amin'ireo Pakistaney avokoa ny lahatsarin'ny fihetsiketsehana feno herisetra tao Kasur,  polisy nitifitra mpanao fihetsiketsehana, resadresaka mampihetsi-po nifanaovana tamin”ny ray aman-drenin'i Zainab, ary lahatsary CCTV navoaka ho an'ny daholobe [6] izay mampiseho an'i Zainab tarihan'ny lehilahy iray tsy fantatra.

Azo mazava tsara ny sarin'ny mpanolana sy mpamono an'i Zainab. Nahoana izy no mbola mirenireny malalaka? Afaka misambotra azy ve ny sampan-draharaha sy ny manampahefantsika? Afaka misambotra ity biby ity ve isika ary manasazy azy imasom-bahoaka? Afaka manao zavatra ve isika mba hiarovana ny zanatsika? # JusticeForZainab # Justice4Zainab pic.twitter.com/Z7GghqvaTd

Fa inona no nahatonga ny olona hikomy tamin'ny voalohany? Manazava ny antony ilay mpamakafaka sady bilaogera Moeed Pirzada, manoratra ao amin'ny Global Village Space [11], tranokalam-baovao mampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra sy ny fahatakarana:

12 young girls, have been raped and murdered in the last one year. Most cases have remained unresolved, and public points out that even when culprits are arrested police and judiciary are unable to convincingly punish them. Failure of Pakistan’s “Criminal Justice System” lies at the root of this public anger.

Tovovavy 12 no naolana sy novonoina tamin'ny herintaona. Mbola tsy voavaha ny ankamaroan'ny tranga, ary milaza ny vahoaka fa na dia efa voasambotra aza ny voampanga, tsy mahavita manasazy azy ireo ny polisy sy ny fitsarana. Ny tsy fahombiazan'ny “rafi-pitsarana heloka bevava ao Pakistana” no fototry ny hatezeram-bahoaka.

Zainab no tranga faha-12 [12]momba ny fanolanana sy famonoana nitranga tao anatin'ny taona tao Kasur. Toerana nahitana fikambanan-dratsy mpanao sary vetaveta ankizy tamin'ny taona 2015 ihany koa ny distrika; fampahatsiahivana mampalahelo momba ny fahantran'ireo ankizy efa ho 300 [13], eo anelanelan'ny 10 sy 15 taona, izay niharan'ny fanararaotana ara-nofo sy fakàna sary vetaveta ny raharaha Zainab.

Ny entimody farany nataon'i Zainab

Tranga eo amin'ny 11 momba ny fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy no taterina isan'andro manerana an'i Pakistan, araka ny lahatahiry nangonina avy amin'ny fikambanana Sahil,  [17]mpanao asa soa fiarovana ny ankizy. Maherin'ny 60 isanjaton'ireo tranga voalaza ireo dia avy any Punjab, hoy ny fikambanana.

Tamin'ny taona 2016, nandany lalàna [18]sambany manasazy ny fanafihana ara-nofo amin'ny zaza tsy ampy taona, sary vetaveta ahitana ankizy sy fanondranana ankizy an-tsokosoko ny Senà Pakistaney. Saingy mbola mijanona ho fanamby  [19]ny fampiharana ny lalàna satria ilàna fanomezana fitaovana, fampiofanana ireo sampan-draharaha mpampihatra lalàna ary hetsika fanentanana.

Miharatsy ny toe-draharaha noho ny tsy fisian'ny fahavononana ara-politika [20] mba hiaro ny ankizy, ny tsy fisian'ny fahavononana eo anivon'ny fiarahamonina mba hampianatra momba ny ara-nofo sy ny fampianarana momba ny fahalalana fiainana [21] ho an'ny ankizy, sy ny fankahalana vehivavy [22]ao Pakistan.

Zava-dehibe ny fiheverana ireo tranga ireo, saingy ny zavatra manan-danja indrindra dia ny fanohanana izany fiheverana izany mba hiova ny toe-draharaha amin'ny farany, araka ny lazain'ity mpiantsehatra sady mpikatroka Hamza Ali Abbasi tao amin'ny Facebook [23] hoe:

There have been 11 Zainabs in Kasur last year, we forgot about them after a brief outrage! Now, will we force Police, Govts & Courts to act on the 12th Zainab or forget about this too after a few days & wait for a 13th Zainab to make us angry again?

Raharaha Zainabs miisa 11 no nitranga tao Kasur tamin'ny taon-dasa, adinontsika ny momba azy ireo taorian'ny fahatezerana fohy! Amin'izao fotoana izao, hanery ny polisy, ny governemanta sy ny fitsarana ve isika mba handray andraikitra momba ny Zainab faha-12 sa hanadino izany ihany koa aorian'ny andro vitsivitsy ary miandry Zainab faha-13 mba hampahatezitra antsika indray?

Mitaky ny rariny ho an'i Zainab ny media sosialy

Na dia nitarika fihetsiketsehana feno hatezerana teny an-dalambe aza ny tantara, mpisera media sosialy maherin'ny dimy hetsy [24] no nampiasa ny #JusticeForZainab.

Mpikatroka ho an'ny antoko mpanohitra Pakistaney Awami Tehreek (PAT) no nampiasa voalohany [24] ny tenirohy, saingy vetivety dia nalain'ireo olon-tsotra ary nanomboka nalaza erak'izao tontolo izao rehefa namono mpanao fihetsiketsehana roa ny polisy.

Mpikatroka sady mpisolovava Jibran Nasir niresaka momba ny fialàna amin'ny fady tsy azo iresahana momba ny fanararaotana ara-nofo ao Pakistana:

“Miresaka fanararaotana ara-nofo – ialao ny fady tsy azo iresahana azy”, Mpianatra, mpampianatra, olon'ny fampahalalam-baovao sy mpikatroka no nivory androany tao amin'ny Klioban'ny Gazety Karachi, mitaky fiarovana ny ankizy amin'ny alalan'ny fanentanana sy fampiharana henjana ny lalàna.

Nanasongadina ny tokony hampianarana ny ankizy ny olona sasany amin'izay izy ireo afaka manampy mitatitra momba ireo meloka:

Tokony ho famoretana manerana ny firenena ho an'ireo mpametaveta ara-nofo ny #JusticeforZainab [14]. Mila miaro ny zanatsika rehetra tsy ho tratran'ny herisetra isika. Mila programa fanabeazana, hetsika fanentanana, fandaharan'asan'ny polisy, sazy henjana, laharana an-tariby hifanampiana-NY ASA! Tokony hanamarika ny fiovan'ny firenentsika ny fahafatesany!

Tsy ampy ny misambotra fotsiny ny mpamono sy ny mpanolana an'i Zainab, na ireo mpamono olona sy ireo mpanolana ankizy hafa, fa mila MIARO ny zanatsika ihany koa. Ary andraikitra voalohan'ny ray aman-dreny izany, ary avy eo ny fanjakana #JusticeForZainab [7]

Ny hafa kosa nandefa ny sarin'ny tenan'izy ireo mitaky ny rariiny ho an'i Zainab:

@shazma.amjad #justiceforzainab? #justiceforzainab? #justiceforzainab?? #justice4zainab #weareallinthistogether #justiceforzainab [31]

A post shared by JUSTICE FOR ZAINAB [32] (@justiceforzainab2018) on

Nanatevin-daharana ny resaka, mitaky ny fandraisan'andraikitry ny governemanta ilay nahazo ny loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana sady mpikatroka ny zon'ny ankizivavy hianatra, Malala Yousafzai

Vaky fo raha nandre momba an'i Zainab – ankizy 7 taona nohararaotina sy novonoina an-kerisetra tao Kasur, Pakistan. Tsy maintsy mitsahatra izany. Tsy maintsy mandray fepetra ny governemanta sy ireo manampahefana voakasika.

Rariny ho an'ny ankizy rehetra

Raha nifantoka lalina tamin'ny raharaha Zainab ny sain'ny vahoaka, tao Dijkot, tananan'i Faisalabad [34] ao Punjab, hita tao an-tsaha ny fatin'i Faizan, tovolahy 15 taona [35]. Novetavetaina ihany koa izy ary avy eo novonoina.

Fampahatsiahivana mafy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny ankizy izany.

Nanohitra ny fanararaotana ara-nofo i India, mpifanolo-bodirindrina taorian'ny raharaha fanolanana nataona jiolahimboto tao Delhi tamin'ny taona 2012 [36]. Hitondra fiovana ve ny fanolanana sy ny famonoana an'i Zainab rehefa vonona hiaro ny zanany ihany i Pakistan nony farany? Ho hitantsika eo izany.