- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Maneho Hevitra Ao Anatin'ny Fanadihadiana Ifarimbonana Amin'ny Teny Frantsay “Hijos” Ireo Ankizy Niharan'ny Jadona

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Vonjy Voina, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 17 Jona 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao anatin'ny tetikasany fahasivy, nandeha tany Arzantina ny Blogtrotters (bilaogin-dahatsary ifarimbonana [1] Frantsay) mba hanatontosa ny Hijos [2], fanadihadiana hiombonana momba ny ankizy tsy hita nandritra ny didy jadona ary miezaka ny hanoritsoritra ny niaviany sy ireo ray aman-dreniny izay tsy hita popoka ihany koa.

patchwork of black and white portraits of disappeared people [3]

Ireo gadra tsy hita CC-BY Ha+

Ao amin'ny tranonkalan'ny tetikasa,  [2]manazava ny tanjona kasain'ity fanadihadiana antserasera ity ny lahatsary fanokafana :

Nandritra ny dia nankany Arzantina, nanavao matetika ny kaontiny Twitter [4], ny pejiny facebook [5], ny sary tao amin'ny Flickr [6] sy ny fitantarana tao anaty lahatsary ao amin'ny tranonkala [7] izy ireo. Naka sary sy nanatontosa horonantsary sy antsafa izy ireo rehefa nanomboka ny fanadihadiana ary naharay fanehoan-kevitra sy soso-kevitra eo noho eo. Niteraka fifanakalozan-kevitra izay namaritra ny torolalana horaisin'ny fanadihadiana izany rehetra izany .

Araka ny nohazavain'izy ireo tao amin'ny tranokalany [2],  nanatsara ny tetikasany sy nanitatra ny lohahevitra ny fifaneraserana tamin'ny mpisera:

Les internautes pourront influencer le processus éditorial. Ils pourront nous suggérer des personnes à voir, des lieux à visiter, ou nous poser des questions. A charge pour nous de hiérarchiser ces apports et d’intégrer cette participation sans nuire à la ligne éditoriale générale.

Handray anjara amin'ny fizotry ny famoahana ny lahatsary ireo mpisera aterineto. Azon'izy ireo atao ny manome soso-kevitra ny olona hovangiana, ny toerana hotsidihana, na hanontany anay. Anjaranay ny mandanjalanja izany fandraisana anjara izany arakaraka ny maha-zava-dehibe azy sy mampiditra ilay fandraisana anjara mba tsy hanimba ny famoahana ny lahatsary amin'ny ankapobeny.

Tany Arzantina ny Blogtrotters ny 9 ka hatramin'ny 22 jona 2010, ary maro ny lahatsary no nalefa tao amin'ny tranokalany [7], izay nanome safidy amin'ny dikanteny mandeha hoazy ho an'izay tsy mamaky teny frantsay. Mitondra antsika any amin'ny Zaridainan'ny Fahatsiarovana any Arzantina ny iray amin'ireo horonan-tsary, izay ahitana ny anaran'ireo olona niharam-boina an'arivony, miaraka amin'ny taonany tamin'ny fotoana nakana azy ireo an-keriny na ny namonoana azy, nosoratana tamin'ny rindrim-bato izany mba ahafahan'ireo fianakaviany manome voninahitra azy ireo. Eo amin'ny rindrina ambony, ahitana ny soratra hoe: “Ireto ny anaran'ireo niharan'ny fampihorohoroan'ny fanjakana ka nanjavona sy novonoina ary ireo maty raha ny niaro ny idealin'ny rariny sy ny fitovian-jo.”

Nitsidika ny biraon'ny ONG siantifika iray ihany koa ireo bilaogera, izay misahana ny famantarana ny sisa tavela tamin'ny razana hita, ​​mba hanomezana ny filaminan-tsaina ho an'ireo fianakaviana izay niandry am-polo taonany maro mba hamantarana ny toerana nisy ny zanany sy ireo mpiray tampo aminy tsy hita . Tamin'ny fotoana nanoratana, zaza vao teraka miisa 100 tamin'ireo 500 tsy hita rehefa nalaina an-keriny ny ray aman-drenin'izy ireo no nahita indray ny fianakaviany. Ity ny antsafa nataony tao amin'ny lahatsary [8], tamin'ny teny Anglisy:

Ato anatin'ity antsafa mahaontsa [9] ity dia niresaka tamin'i Ana Maria Careaga izy ireo, izay nalaina an-keriny ihany koa tamin'izy vao 16 taona monja. Navotsotra izy taorian'izay, nandao ny fireneny ary nipetraka tany an-tsesitany. Ny reniny, izay mpikambana tao amin'ny vondron'ny Reny ao amin'ny Kianjan'ny [volana] May [10] , dia nijanona tao Arzantina ary nisy namono rehefa avy namonjy Lamesa tao amin'ny fiangonana Santa Cruz izy.