- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manahy Ireo Ogandey Fa Ho ‘Hihitsoka’ Miaraka Amin'ny Filoha Museveni Izy Ireo Rehefa Nofoanana Ny Volavolan-dalàna Momba Ny Fetran-Taona

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Mpikambana ao amin'ny parlemanta Ogandey mifampitolona. Pikantsary avy amin'ny fandaharana navoakan'i Wolokoso Mu Uganda fantsona YouTube ofisialy.

Tany am-piandohan'ny volana Janoary 2018,  semban-drahona ny media sosialy Ogandey taorian'ny nanasoniavan'ny filoham-pirenena ny lalàna [2] iray izay mametra ny taona ambony indrindra ho an'ny filoham-pirenena na dia fantatra aza taorian'ny fanadihadiana fa manohitra ity fanovana ity ny ankamaroan'ireo Ogandey [3].

Midika ilay fanitsiana ny lalàm-panorenan'i Ogandà fa afaka mirotsaka ho fidiana fanineniny ny Filoha Yoweri Museveni, 73 taona, amin'ny taona 2021 ary mety hanitatra ny faha-32 taona nitondrany izy, ka mahatonga azy ho iray amin'ireo filoha nitondra ela indrindra eto Afrika.

Ny lalàna mampiady hevitra ihany koa dia nanitatra ny fe-potoana [4] hiasan'ny mpanao lalàna Ogandey dimy ho lasa fito taona.

Tonga ny fanovana rehefa nakelezina ny sehatra fandraisana anjaran'ny olom-pirenena ary mbola manohy hatrany ny famoretany ny feon'ny mpanohitra ny manampahefana.

Tamin'ny taona 2016 ny fifidianana farany naha-lany an'i Museveni, fifidianana iray izay tsy nahafahan'ny mpanohitra niditra firy tamin'ny fampitam-baovao ary nahazo fandrahonana ny mpanao gazety sy ireo mpikambana tao amin'ny fiarahamonim-pirenena tamin'izany. ” Nilaza ireo mpanara-maso ao an-toerana fa tsy malalaka sy tsy ara-drariny ny fifidianana”, araka ny tatitry ny Human Rights Watch (Mpanara-maso ny ZonOlombelona) tao amin'ny Tatitra Manerantany taona 2017 [5] :

Violations of freedom of association, expression, assembly, and the use of excessive force by security officials continued during campaigns and into the post-election period. Opposition presidential candidate Dr. Kizza Besigye from the Forum for Democratic Change (FDC) was held in preventative detention at his home for over a month while trying to challenge election results.

The police used unlawful means including live ammunition to prevent peaceful opposition gatherings and protests, at times resulting in loss of life.

Nitohy nandritra ny fampielezan-kevitra sy nandritra ny vanim-potoana talohan'ny fifidianana ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny fikambanana, ny fanehoan-kevitra, ny fivoriana, ary ny fampiasan-kery tafahoatra ataon'ny mpitandro filaminana. Notanana vonjimaika tao an-tranony nandritra ny iray volana raha toa ka nikasa ny hanohitra ny valim-pifidianana ny kandidan'ny mpanohitra Dr. Kizza Besigye avy ao amin'ny Fivoriambe ho an'ny Fanovana Demaokratika (FDC) .

Nampiasa fitaovana tsy manara-dalàna ny polisy, anisan'izany ny bala tena izy mba hisorohana ny fivorian'ny mpanohitra am-pilaminana sy ny hetsi-panoherana, ka nahatonga ny fahafatesana matetika .

Nandritra ny adihevitra momba ny fetran'ny taona, tsy nanatrika ny mpikambana ao amin'ny parlemanta miisa 25 izay avy amin'ny antoko mpanohitra [6] ny ankamaroany.

Niady an'ilay volavolan-dalàna ny vondrona mpanohitra politika Ogandey talohan'ny nahatongavan'izany tany amin'ny filoha ho soniavina ara-bakiteny. Nandritra ny fotoana samihafa, nafana ny toe-draharaha tao amin'ny parlemanta . Tamin'ny volana Desambra, nifidy tamin'ny vato miisa 315 manoloana ny 62 ho fanesorana ny fe-taona ny mpikambana.

Ogandey maro no naneho fahatezerana rehefa nanasonia ny volavolan-dalàna ho lalàna manan-kery tamin'ny 2 Janoary i Museveni. Hoy ny mpisera Twitter iray antsoina hoe Oma raha nanoratra :

32 taona tao anatin'ny tsy fahombiazana ary ankehitriny isika dia mbola mihitsoka miaraka amin'ity olona tsy mahomby sy tia tena ary manana governemanta kiantranoantrano ity!

Manahy i Musiime Alex Martin fa nametraka ohatra ratsy ho an'ny faritra i Museveni :

Hanalokaloka azy ny fitiavam-pahefany satria lasa manalavitra tanteraka izy amin'izao fotoana izao . Tena ratsy ny fanelezany izany ho an'ny mpitondra hafa ao amin'ny faritra.

A day before Museveni signed the bill, Parliament Watch, an initiative of the independent Uganda-based Centre for Policy Analysis, recalled the words of one member of parliament, Henry Maurice Kibalya, when speaking about the age limit article in question: “As the 10th parliament, we can succeed in amending Art 102 (b) but cannot succeed in amending the broken hearts of Ugandans out there”:

Ny omalin'ny nanasoniavan'i Museveni ny volavolan-dalàna, nahatsiaro ny tenin'ny mpikambana iray tao amin'ny parlemanta, Henry Maurice Kibalya, ny Parliament Watch, hetsika iray tsy miankina ao amin'ny Foibe ho an'ny Fanadihadiana Ara-politika  ao Oganda raha niresaka momba ny andininy momba ity fe-taona ity izy: ” Afaka manao fanovana ny Andininy faha 102 (b) isika amin'ny fivorian'ny parlemanta faha-10 fa tsy afaka manova ny fon'ny Ogandey “:

TENY NOTSONGAINA

Amin'ny fotoana toy izao no tena ilaina ny vazivazy, araka ny siokan'i Kervy:

Ongandey feno fifaliana sy fientanentanana an-tapitrisany maro no nidina an-dalambe mba hankalaza ny fankatoavana ny volavolan-dalàna mikasika ny fe-taona efa nandrasana hatry ny ela

Given recent history, however, it's no laughing matter for the political opposition or civil society. After parliament approved the age limit bill, NBS TV interviewed [14] the spokesperson of the country's police who seemed to characterize opposition as “evil”:

Raha jerena ny tantara vao haingana, na izany aza, tsy resaka mahatsikaiky izany ho an'ny mpanohitra politika na ny fiarahamonim-pirenena. Taorian'ny nankatoavan'ny parlemanta ny volavolan-dalàna momba ny fe-taona dia nanatontosa antsafa [14] niaraka tamin'ny mpitondratenin'ny polisy ao amin'ny firenena ny NBS TV izay toa nanondro ny mpanohitra ho “ratsy saina”:

This is not the first time opposition politicians and other activists call for people, rally support from members of the public…to engage in activities that are unlawful. Even during the debate of the constitutional amendment, they mobilized, they tried to march as they could. However, we were ahead of them and we countered all their evil plans that they wanted.

Tsy vao voalohany izao ny mpanao politika mpanohitra sy ny mpikatroka hafa no niantso ny vahoaka, ​​nangataka fanohanana avy amin'ny vahoaka … mba hanaovana hetsika tsy ara-dalàna. Na dia nandritra ny adihevitra momba ny fanitsiana ny lalàm-panorenana aza, dia nihetsika izy ireo , niezaka ny nidina an-dalambe araka izay azony natao. Na izany aza, eo anoloan'izy ireo izahay ary manohitra ny fikasan-dratsy izay tadiavin'izy ireo atao.