- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria-Gaza : Fahatezeran'ireo Bilaogera Syriana

Sokajy: Ejipta, Israely, Palestina, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vaovao Mafana, Vonjy Voina, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Malahelo ny tontolo Arabo ankehitriny [Alahady]. Ao amin'ny bilaogy tsirairay, tsapa ny fahagagana sy ny rikoriko taorian'ny zava-nitranga omaly [Asabotsy]. Maneho ny tsy finoany manoloana ny fanafihan'ny Tafi-piarovana Israeliana (IDF), izay nidaroka baomba sy nampiteraka korontana  [1]tao Gaza natao fahirano, ary koa manoloana ny fihetsiky ny iraisam-pirenena ny tontolon'ny blaogy.

Nanomboka ny Hetsika “Vitsy Nohamafisina” [2] ny IDF tamin'ny Alahady 27 Desambra 2008, ho setrin'ny tifitra balafomanga Qassam avy any Gaza. Nahafatesana olona 230 sy naharatrana olona 700 ny daroka baomba nataon'ny IDF tao Gaza (nandritra ny 12 ora voalohany).

Vao mainka niha-masiaka ny feon'ireo bilaogera raha nivoaka ny vaovao fa nanohana ny hetsika Israeliana i Ejypta, ary nanome vaovao diso momba ny Hamas.

Qunfuz [3] mampiseho ny fahatsapany momba ny zava-mitranga ankehitriny ao amin'ny morontsiraka atsinanan'i Mediteranea [4] [en]:

Dans des circonstances différentes, on ne pourrait pas croire qu'un peuple de la Méditerranée puisse être assiégé et affamé sans un mot de la communauté internationale. Mais on est à Gaza, en Palestine, et les victimes souffrent dans l'indifférence générale. Les journalistes déclarent que [le président égyptien] Moubarak a consenti à une ‘brève attaque” sur Gaza avant le bain de sang d'aujourd'hui ; il avait bien réussi à maintenir la frontière entre l'Egypte et Gaza close, contenant efficacement les animaux dans leur cage, depuis leur échappée en janvier dernier. Tony Blair, qui devrait être sous les verrous, mais qui au lieu de cela fait l'intéressant à Ramallah et à Jérusalem, parlait des changements nécessaires à Gaza, avec des regards entendus aux journalistes israéliens. On ne devrait attendre aucune réaction au massacre d'aujourd'hui ni du Liban, de la Jordanie ni de l'Egypte. Les peuples européens et américains sont globalement bien silencieux.

Amin'ny toe-javatra hafa, sarotra ny mino fa afaka atao fahirano sy nampanoanana ny mponina ao amin'ny Mediteranea ary tsy misy na dia teny iray avy amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena aza. Saingy ao Gaza isika, any Palestina, ary mijaly tsy misy miraharaha tanteraka ireo niharam-boina. Milaza ny mpanao gazety fa nanaiky ny “fanafihana fohy” tao Gaza talohan'ny fandatsahan-drà androany [ny filoha Ejiptiana] Mubarak; nahavita nihazona ny sisintany eo amin'i Ejipta sy Gaza izy, izay mahatazona tsara ireo biby ho ao anaty karakara vy, hatramin'ny nandosiran'izy ireo tamin'ny volana janoary lasa teo. Niresaka fanovana ilaina ao Gaza tamin'ireo mpanao gazety Israeliana i Tony Blair, izay tokony higadra, kanefa lasa misarika an'i Ramallah sy Jerosalema, hoy izy: Tsy tokony hanantena fanehoan-kevitra mikasika ny vono olona androany isika, na izany avy Libanona, Jordana na Ejipta. Mangina avokoa ny vahoaka Eoropeana sy Amerikana.

Jabs ao amin'ny Arabian Camel [5] manazava ny zava-misy ary mamintina [6] ny zava-nitranga nandritra ireo volana vitsivits sy nilaza hoe:

Je suis sûr que tout le monde a entendu parler des 225 personnes massacrées lors des dernières attaques sionistes sur le peuple de Palestine. C'est à peine croyable! La colère est indescriptible; elle n'est pas dirigée contre les attaques des sionistes mais contre le silence des nations arabes et musulmanes à la suite de ce massacre, et aussi, contre ceux de ces mêmes gouvernements qui ont agi en traîtres, particulièrement l'Egypte, dont le président (un dictateur fasciste) a vendu toute une nation, sa cause et son avenir pour conserver son fichu fauteuil.

Azoko antoka fa nandre momba ireo olona 225 novonoina nandritra ny fanafihana farany nataon'ireo Sionista tamin'ny vahoakan'i Palestina izao tontolo izao. Saika tsy mampino! Tsy hay faritana ny fahatezerana; Tsy natao hanoherana ny fanafihan'ireo Siônista izany fa manohitra ny fahanginan'ny firenena arabo sy ny silamo taorian'ny vono olona, ary koa, manohitra ireo governemanta ireo izay nanao zavatra toy ny mpamadika, indrindra fa i Ejipta, izay nivarotra ny firenena iray manontolo, ny arovany sy ny hoavin'ny firenena ny filoha (mpanao didy jadona fasista) mba hitazonana ny sezany adala.

Mankany amin'ireo mpanapa-kevitra ao amin'ny tontolo Arabo ihany koa ny hatezerana nasehoan'ny tontolon'ny blaogy; noho ny tsy fahaizan'izy ireo, ny tsy fihetsehany sy fahanginany. Kinan Jarjous avy ao amin'ny bilaogy Jar of Juice [7] nanoratra [8] hoe:

 Ils [Al Jazeera TV] ont dressé plus tôt une liste des dirigeants qui ont condamné l'attaque sur Gaza qui a causé la mort de 225 personnes. Un Sommet de la Ligue arabe est convoqué d'urgence.

Depuis quand une simple condamnation est-elle une “réaction” suffisante ?

Tamin'ny voalohany izy ireo [Al Jazeera TV] dia nampiseho ny lisitr'ireo mpitarika nanameloka ny fanafihana an'i Gaza izay nahafaty olona 225. Nantsoina haingana ny hisian'ny Fivoriamben'ny Ligy Arabo.

Hatramin'ny oviana ny fanamelohana tsotra no “fihetsika” ampy?

Nilatsaka herinandro vitsivitsy alohan'ny hetsika hafa, fifidianana parlemantera ao Israely, ity hetsika farany ity. Nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 1996 no nisy ny hetsika Voaloboky ny Fahatezerana [9]tany Libanona. Tamin'ny taona 2001, nisy ny Intifada faharoa [10]. Tokony hino ve isika fa nesorina ny ain'ny olona noho ny fampielezan-kevi-pifidianana fotsiny ataon'ireo mpanao politika Israeliana? Tonga tao amin'ny lahatsoratr'i Sasa  [11]ny esoeso momba ny toe-draharaha:

140 MORTS, 200 blessés et Tzipi Livni prend la tête dans les sondages.

140 NO NAMOY NY AINY, 200 no naratra ary mitarika voalohany amin'ny fitsapan-kevitra i Tzipi Livni.

Bilaogy hafa :Maysaloon nampiditra ny sarin'i Gaza, mitondra ny lohateny hoe: Vono olona ao Gaza [12]. Dubai Jazz  nanoratra momba ny fiarovana sy ny tsy fisian'ny fanantenana [13] [en]